Seminera
Fizarana 31: Andro 3, Filazana Ôfisialy 1 sy ny fitohizan’ny fivoaran’ny asa atao any amin’ny tempoly


Fizarana 31: Andro 3

Filazana Ôfisialy 1 sy ny fitohizan’ny fivoaran’ny asa atao any amin’ny tempoly

Fampidirana

Rehefa nodidian’ny Tompo ihany vao ahazoan-dalana ny fanambadiana maro mba hananganana taranaka hanatanterahana ireo tanjony (jereo ny Jakôba 2:27–30). Taorian’ny nahazoan’ny Mpaminany Joseph Smith fanambarana izay nanome toromarika azy hampianatra ny fitsipiky ny fanambadiana maro dia niditra amin’ny fanambadiana maro izy ary nanome lalana ny mpikamban’ny Fiangonana sasany mba hanao ny fampakarana vady maro tany amin’ny fiandohan’ny ireo taona vitsy nanomboka tamin’ny 1840. Am-polo taonany maro tany aoriana, dia niaina fanoheran’ny vavam-bahoaka ny Fiangonana noho io fomba fanao io. “Taorian’ny nandraisany fanambarana dia namoaka ny … Manifesto [Filazana Ôfisialy 1] ny Filoha Wilford Woodruff, izay neken’ny Fiangonana fa hampiharina sy manan-kery nanomboka ny 6 ôktôbra, 1890. Izany dia nitarika ny fanafoanana ny fampiharana ny fanambadiana maro tao amin’ny Fiangonana” (Filazana Ôfisialy 1, teny fanolorana). Nandritra ity vanim-potoana ity ihany dia niasa fatratra tamin’ny fananganana tempoly ny Olomasina, izay nahazoan’izy ireo ireo ôrdônansin’ny fanavotana ho an’ny tenan’izy ireo sy ho an’ny maty.

Manambara ny Tompo fa tokony hampitsahatra ny fampakarana vady maro ny Olomasin’ny Andro Farany

Afaka mieritreritra ireo ohatra sasany amin’ireo olo-marina izay nosamborina na naiditra am-ponja noho ny fanaovana izay nandidian’ Andriamanitra azy ireo ve ianao?

Lehilahy Olomasin’ny Andro Farany maro no nosamborina sy naiditra am-ponja satria nanohy nankatò ilay didy hampakatra vady maro izy ireo taorian’ny namoahan’ny governemanta Amerikana lalàna izay nanao izany fomba fanao izany ho tsy ara-dalàna. Nisy vehivavy sasany nosamborina ihany koa, matetika noho ny tsy filazan’izy ireo ny toerana misy ny vadiny, izay lasa nandositra mba hisorohana ny fisamborana.

Rehefa mamaky izao andinin-tsoratra manaraka izao ianao dia asio marika ny sasany tamin’ireo olana niainan’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany rehefa nankatò ny torolalan’ny Tompo ho azy ireo mba hampakatra vady maro.

Tamin’ny aogôsitra 1852, tao anatin’ny fihaonambe tao Salt Lake City, dia nanao filazana ampahibemaso ireo mpitarika ny Fiangonana fa nampakatra vady maro ny mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana teo ambanin’ny didin’ Andriamanitra. Maro ireo mpitarika ara-pivavahana sy mpitondra ara-pôlitika tao Etazonia no nanohitra io rafitry ny fanambadiana io izay nosokajian’izy ireo ho fitondran-tena ratsy sy toe-tsaina tsy mivoatra. Noesoina ireo Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny alalan’ny lahateny am-pahibemaso, boky, gazetiboky ary gazety. Ny Kôngresin’i Etazonia dia namoaka lalàna izay nametra ny fahalalahan’ny mpikamban’ny Fiangonana ary namotika ny Fiangonana ara-toekarena tamin’ny alalan’ny famerana ny habetsaky ny fananana azon’ny Fiangonana hananana. Ireo lalàna ireo tamin’ny farany dia nitarika fisamborana sy fampidirana am-ponja ny lehilahy izay nanana vady mihoatra ny iray. Nolavina tamin’ireo lehilahy ireo “ny zo hifidy, ny zo amin’ny fananana fiainana manokana any an-tranon’izy ireo, ary ny fampiharana ireo fahalalahana amin’ny maha olo-tsotra hafa” (Our Heritage: A Brief History of the Church of Jesus Christ of Latter-day Saints [1996], 97). Tamin’ny 1890 dia Olomasin’ny Andro Farany an-jatony no nigadra tany am-ponja noho ny fanaovana fampakaram-bady maro. Ny sasany dia niafina mba hialana amin’ny fampidirana am-ponja. Tamin’izany toe-javatra izany, maro ireo fianakaviana izay nijaly noho ny adin-tsaina, fahoriana, fahantrana, ary hanoanana.

Sary
Filoha Wilford Woodruff

Filoha Wilford Woodruff

Ireo toe-javatra sarotra ireo no nitarika an’ny Filoha Wilford Woodruff ho nikatsaka amim-bavaka ny fitarihan’ny Tompo mikasika ny fampiharan’ny Olomasina ny fanambadiana maro. Ny taona 1889 ny Filoha Woodruff dia nanoro lalana ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hanatsahatra ny fampianarana ny fitsipiky ny fanambadiana maro. Na izany aza, ny olona sasany dia namoaka tatitra fa ny Fiangonana dia mbola mamporisika hatrany ny fampiharana ny fanambadiana maro. Ireo tatitra ireo no nitondra fanoherana bebe kokoa ny Fiangonana. Namoaka Manifesto iray ny Filoha Woodruff tamin’ny 1890, izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe Filazana ôfisialy 1 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Nanambara ny Filoha Woodruff ao amin’ny andiam-pehezan-teny telo voalohany ao amin’ny Filazana ôfisialy 1 fa tsy marina ireo tatitra milaza fa mbola mandrisika ny fananana vady maro ny Fiangonana.

Vakio ny andiam-pehezan-teny fahefatra sy fahadimy ao amin’ny Filazana ôfisialy 1 (manomboka eo amin’ny hoe “Koa satria efa nolanian’ ny Kongresy ny lalàna”) sy ny fanambarana manaraka izay nataon’ny Filoha Lorenzo Snow, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany fotoana izany. Tadiavo ary asio marika izay toromarika nampanaovin’ny Filoha Woodruff ny Olomasina.

Araka ny teny nataon’ny Filoha Lorenzo Snow, nahoana no manan-danja ny hoe avy tamin’ny Filohan’ny Fiangonana ny toromarika hampitsahatra ny fampakarana vady maro?

Manan-danja ny mahatakatra fa ny Filohan’ny Fiangonana no olona tokana eto ambonin’ny tany izay mihazona ireo fanalahidin’ny ôrdônansy famehezana. Amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana izay nomena ny Filohan’ny Fiangonana ihany no ahafahana manome lalana ny fampakarana vady maro (jereo ny F&F 132:7, 48).

Vakio ny andinin-tsoratra voalohany ao amin’ny “Ampahany tamin’ireo lahateny telo nataon’ny Filoha Wilford Woodruff mikasika ny Manifesto,” izay manaraka ny lahatsoratry ny Manifesto. Tadiavo ary asio marika ny fitsipika iray izay nampianarin’ny Filoha Woodruff tamin’ny Olomasina.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no fitsipika nampianarin’ny Filoha Woodruff tamin’ny Olomasina?

    2. Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny hananantsika fijoroana ho vavolombelona fa ny Tompo dia tsy hanome lalana ny Filohan’ny Fiangonana mba hitarika ny Fiangonana amin’ny lalan-diso?

Nanontany tena ny mpikamban’ny Fiangonana sasany momba ny antony nanomezana azy ireo toromarika mba hiaina ny fitsipiky ny fanambadiana maro saingy nomena torolalana hanajanona izany indray avy eo. Nomen’ny Tompo torolalana ny Filoha Woodruff mba hametraka fanontaniana iray amin’ny Olomasina. Vakio ny andiam-pehezan-teny fahatelo sy fahefatra ary fahadimy amin’ny “Ampahany tamin’ireo lahateny telo nataon’ny Filoha Wilford Woodruff” (manomboka amin’ny “Nahazo fanambarana misimisy aho”), ka tadiavo ny fanontaniana napetraky ny Filoha Woodruff tamin’ny Olomasina.

Notandomin-doza hamery ny tempolin’i St. George Utah, ny tempolin’i Logan Utah, ary ny tempolin’i Manti Utah sy ilay tempoly efa ho vita tao Salt Lake ny Olomasina. Inona no asa manan-danja hitsahatra raha toa ka nalain’ny governemanta Amerikana ireo tempoly?

Sary
Tempolin’i Salt Lake eo an-dalam-panamboarana

Notandindomin-doza hamery ireo tempoly ny Olomasina

Vakio ny andiam-pehezan-teny fahafito amin’ny “Ampahany tamin’ireo lahateny telo nataon’ny Filoha Wilford Woodruff” (manomboka amin’ny “… Hitako marina tokoa”) ka tadiavo izay ho nataon’ny Filoha Woodruff raha toa ka tsy nandidy azy mba hanome torolalana ireo mpitarika ny Fiangonana mba hampitsahatra ny fananana vady maro Andriamanitra.

Inona no azontsika ianarana avy amin’ny teny nataon’ny Filoha Woodruff hoe “nanoratra izay notenenin’ ny Tompo ahy hosoratako aho”?

Fotopampianarana iray azontsika ianarana amin’ity ampahana lahateny ity ny hoe mitarika ny Fiangonany ny Tompo amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ny Filohan’ny Fiangonana.

  1. Fenoy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray na maromaro amin’ireto asa atao manaraka ireto:

    1. Mieritrereta momba ireo fotoana izay nahitanao ny fitarihan’ny Tompo ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny fanambarana amin’ny Filohan’ny Fiangonana. Fariparito ny roa amin’ireo ohatra izay noeritreretinao.

    2. Manorata fehezan-teny 2–3 momba ny fiantraikan’ny finoanao izany Fotopampianarana izany teo amin’ireo safidy nataonao.

    3. Anontanio ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na ny namana iray ny fomba ahafantarany fa mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ny Filohan’ny Fiangonana ny Tompo. Manorata momba izay nianaranao avy tamin’ilay resadresaka.

Nanohy niditra amin’ny fampirafesana ny Olomasin’ny Andro Farany vitsy an’isa taorian’ny nanomezana ilay Manifesto. Nanolotra fanambarana ôfisialy ny Filoha Joseph F. Smith tamin’ny taona 1904 “fa raràna ny fampakaram-bady maro rehetra, ary raha toa ka misy mpiandraikitra na mpikamban’ny Fiangonana manatanteraka na niditra amin’ny fampakaram-bady toy izany dia raisina ho mandika lalàna manohitra ny Fiangonana izy … ka ho roahina manomboka eo” (ao amin’ny Conference Report, apr. 1904, 75). Mbola mitohy io fenitra io ankehitriny. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa dia mandehana ao amin’ny LDS.org, safidio ny Sujets de l’Evangile, ary tadiavo ny mariage plural.

Izao fanambarana izao, izay teny fampidirana ny Filazana ôfisialy 1 ao amin’ny edisiônan’ny soratra masina tamin’ny taona 2013 dia afaka manampy anao hamaly ireo fanontaniana momba ny fanaovan’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fampakaram-bady maro tamin’ny taona 80.

Sary
Ny Filoha Joseph F. Smith sy ny fianakaviany

Sarin’ny Filoha Joseph F. Smith (afoavoany) sy ny fianakaviany

“Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fa ny fanambadiana olona iray ihany no fenitr’ Andriamanitra amin’ny fanambadiana raha tsy hoe nanambara zavatra hafa noho izany izy (jereo ny 2 Samoela 12:7–8 sy Jakôba 2: 27; 30). Taorian’ny fanambarana nomena an’i Joseph Smith, dia natomboka teo amin’ny mpikamban’ny Fiangonana teny am-piandohan’ny taona 1840 tany ho any ny fampiharana ny fanambadiana maro (jereo ny fizarana 132). Tamin’ny 1860 hatramin’ny 1880 ny governemantan’i Etazonia dia namoaka lalàna milaza fa tsy ara-dalàna io fombafomba ara-pivavahana io. Ireo lalàna ireo dia notohanan’ny Fitsarana Avon’i Etazonia. Rehefa nahazo fanambarana ny Filoha Wilford Woodruff dia namoaka ity Manifesto manaraka ity izay neken’ny Fiangonana fa hampiharina manomboka ny 6 ôktôbra 1890. Izany dia nitarika ny fanatsaharana ny fanambadiana maro tao amin’ny Fiangonana.”

  1. Araka izay nianaranao androany, inona no havalinao raha manontany anao ny olona iray raha toa ka manao ny fampakaram-bady maro ny Olomasin’ny Andro Farany? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valinteninao.

Mandroso ny asa fananganana ny tempoly

Taorian’ny nanomezana ilay Manifesto dia nitsahatra ny fampitahorana nataon’ny governemanta federaly ny amin’ny fakana ireo tempoly sy ny fananan’ny Fiangonana. Afaka nifantoka bebe kokoa tamin’ny asa fananganana ny tempoly ny Olomasina rehefa tsy nisy intsony izany zavatra nanelingelina ny saina izany. Nanokana ny tempoly ny Filoha Wilford Woodruff tamin’ny taona 1893, 40 taona taorian’ny nametrahana ireo vato fototry ny Tempolin’i Salt Lake, ka nanjary efatra ny fitambaran’ireo tempoly am-perinasa.

Sary
Tempolin’i Salt Lake

Nanao filazana ny Filoha Woodruff tamin’ny aprily 1894, iray taona taorian’ny fanokanana ny Tempolin’i Salt Lake fa nahazo fanambarana izy izay manazava ny fanaovana ireo ôrdônansin’ny famehezana, na famehezana mandrakizay. Talohan’izany fanambarana izany dia nanao asa araka ny fahalalana nananany ireo mpikamban’ny Fiangonana, ka namehy ny tenan’izy ireo, na “natsangana,” amin’ireo mpitarika ny Fiangonana fa tsy tamin’ny tena ray aman-dreniny. Araka ilay fanambarana vaovao, izay nijoroany ho vavolombelona fa “sitrapon’ Andriamanitra ho an’ny vahoakany,” dia nanome toromarika ny Olomasina ny Filoha Woodruff “mba hitady ny tetiaran’izy ireo araka izay lavitra indrindra azon’izy ireo atao ka hofehezina amin’ireo rainy sy ireo reniny. Hamehy ireo zanaka amin’ny ray aman-dreniny, ary hanohy izany tohivakana izany araka izay lavitra indrindra azonareo atao” (Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff [2004], xxxiv–xxxv).

Mianatra izao fitsipika manaraka izao isika araka izany teny nataon’ny Filoha Woodruff izany: Afaka ny hofehezina amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika isika, anisan’izany ireo izay nialoha antsika sy ireo izay aoriantsika, amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny famehezana.

Sary
fianakaviana miaraka amin’ny Tempolin’i Hong Kong Chine ao aoriana

Any amin’ny tempoly ihany no hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny famehezana izay mampiray ny fianakaviana ho mandrakizay.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Ahoana no ahafahan’ny ôrdônansin’ny famehezana ho fitahiana ho anao sy ny fianakavianao mandritra ity fiainana ity sy ao aoriana?

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny lesona “Filazana ôfisialy 1 sy ny fitohizan’ny fivoaran’ny asa atao any amin’ny tempoly ” ary nahavita izany ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy