Seminera
Fizarana 9: Andro 4, Tao Ohio


Fizarana 9: Andro 4

Tao Ohio

Fampidirana

Tamin’ny faran’ny volana janoary 1831 dia nandao an’i New York ho any Ohio ny Mpaminany Joseph Smith, i Emma vadiny, i Sidney Rigdon ary i Edward Partridge. Nanaraka azy ireo ny ankamaroan’ireo mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana tany New York nandritra ny dimy volana manaraka izany.

Notahiana tokoa ireo Olomasina izay niangona tany Ohio ireo. Nitarika azy ireo tamin’ny fahatakarana bebe kokoa momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo fanambarana tsy tapaka azo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Ankoatra izany dia nandray ireo fitahiana azo avy tamin’ny fananganana tempoly iray sy avy tamin’ny fitoriana ny filazantsara izy ireo. Rehefa nitombo ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana sy ny tanjak’izy ireo ara-panahy tao Ohio dia nitombo ihany koa ny fanoherana mivaivay nanohitra ny Fiangonana sy ireo mpitarika izany. Taty aoriana, tamin’ny volana janoary 1838 dia nila nitsoaka an’i Ohio ny mpikambana maro tao amin’ny Fiangonana ka niaraka tamin’ireo Olomasina izay nipetraka tany Missouri. Ity lesona ity dia hanome anao ny famintinana ireo zavatra niainan’ireo Olomasina tany Ohio. Hianatra bebe kokoa momba ny antsipirihan-javatra mikasika ireo zava-nitranga sy fampianarana ireo ianao mandritra ireo lesona manaraka.

Mandidy ny Olomasina mba hiangona any Ohio ny Tompo mba handraisany ireo fitahiana nampanantenaina

Efa nifindra tamin’ny trano vaovao ve ianao na ny olona iray ao amin’ny fianakavianao? Inona no sasany tamin’ireo olana atrehina rehefa nifindra trano? Inona ireo fitahiana vokatr’ilay fifindrana?

Na dia mety ho samihafa aza ny antony ifindran’ny olona dia matetika izy ireo no manao sorona mba hifindrana any amin’ny toeran-kafa satria mino izy ireo fa ho tsaratsara kokoa ho azy ireo ny fiainana any amin’ilay toeram-baovao.

Tsarovy ireo zava-nitranga mikasika ny didin’ny Tompo ho an’ireo Olomasina mba handao an’i New York ka hifindra any Ohio avy tamin’ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–38. Rehefa nandidy azy ireo mba hiangona any Ohio ny Tompo dia nampanantena ihany koa Izy fa handray fitahiana miavaka izy ireo any.

  1. Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity:

    Fampanantenana

    F&F 38:31–32

    a.

    b.

    d.

    e.

    F&F 38:33

    f.

    F&F 42:61

    g.

    Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:31–32 ary tanisao ao amin’ilay tsanganana hoe “Fampanantenana” ho valinteny eo amin’ny a ka hatramin’ny e ireo zavatra efatra izay nolazain’ny Tompo fa ho azon’ireo Olomasina rehefa tonga any Ohio izy ireo.

    Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:33 ary tanisao ireo toerana nolazain’ny Tompo fa handefasany ireo misiônera ho valinteny eo amin’ny f eo amin’ilay tabilao.

    Fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’i Joseph Smith tany Ohio dia nahazo ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42 izy. Topazo maso ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61 ary tadiavo ilay fampanantenana fanampiny nomen’ny Tompo. Soraty hoe “mahazo fanambarana miampy fanambarana” eo amin’ny valinteny g eo amin’ilay tabilao.

Ireo fizarana efatra manaraka ato amin’ity lesona ity dia hanampy anao hianatra bebe kokoa momba ny fomba nanatanterahan’ny Tompo ireo fampanantenana ireo rehefa niangona tany Ohio ny vahoakany nanomboka tamin’ny taona 1831 ka hatramin’ny 1838.

“Omeko anareo ny lalàko” (F&F 38:32)

Nampanantena ny Tompo fa hanome ny lalàny ho an’ny Olomasina Izy rehefa miangona any Ohio izy ireo. Nahoana no manan-danja ny lalàna? Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny lalàna ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo?

Vakio ny fampidirana ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42. Taorian’ny nahatongavan’ny Olomasina tany Ohio tamin’ny taona 1831dia nanatanteraka ny fampanantenany ny Tompo ka nanome fanambarana iray izay lazaina fa lalàn’ny Fiangonana. Ahitana didy sy torolalana izay mitarika ireo asa aman-draharaha ao amin’ny Fiangonana izany lalàna izany.

Vakio ny famintinina ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42 ka tadiavo ny sasany amin’ireo lalàna sy didy izay nomen’ny Tompo ny Olomasina. (Mialoha ny andininy voalohany ny famintinana ny fizarana. Milaza ny isan’andininy sy ny famintinana fohy an’ireo andininy ireo izany.) Eo am-pamakianao izany dia azonao atao ny manisy marika ilay andian-teny hoe “Aroso etoana ny lalàna mifehy ny fanokanana fananana.”

Nanome ny lalàn’ny fanokanana ny Tompo tato amin’ity fanambarana ity. Ity lalàna ity dia “fitsipika avy amin’ Andriamanitra izay anokanan’ny lehilahy sy ny vehivavy an-tsitrapo ny fotoany, ny talentany ary ny hareny ho fananganana sy fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra.” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Manokana, Lalàn’ny Fanokanana,” scriptures.lds.org). Nodidiana hanangana ny Orinasa Miray (izay nantsoina ihany koa hoe Lamina Miray) ireo mpitarika ny Fiangonana mba hitantanana ny raharaha ara-batana na ireo tombontsoa ara-pandraharahana an’ny Fiangonana, hanampiana ny mahantra, ary hamongorana ny filana zavatra ho an’ny tena irery izay nisy teo anivon’ny Olomasina. Fitahiana ho an’ny Olomasina izany tamin’io fotoana io satria Olomasina maro izay avy any New York no nila nandao ny tranony sy ny fananany. Ny Orinasa Miray ihany koa dia nanolotra vola mba hamatsiana ireo lahasa samihafan’ny Fiangonana, toy ny asa fitoriana ny filazantsara sy famoahana ireo fanambarana. Hianatra bebe kokoa momba ny lalàn’ny fanokanana sy ny fiantraikan’izany teo amin’ny Olomasina ianao ao anatin’ireo lesona manaraka.

“Hotafiana amin-kery avy any ambony ianareo” (F&F 38:32)

Nampanantena ihany koa ny Tompo fa hanafy ireo Olomasina “amin-kery avy any ambony” rehefa tonga any Ohio izy ireo (F&F 38:32). Fanomezana iray ny fanafiana masina. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119, ka tadiavo ilay didy izay nomen’ny Tompo ny Olomasina tany Ohio. Ny “trano” izay ambara ato amin’ity andinin-tsoratra masina ity dia ny tempoly. Ny tempolin’i Kirtland, Ohio no tempoly voalohany natsangana tamin’ity fotoampitantanana ity. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8 ary tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo fa hanafiany azy ireo ao amin’ny tempoly.

Sary
Tempolin’i Kirtland

Teo amin’ny telo taona teo no nananganana ny Tempolin’i Kirtland. Taorian’ny nanokanana izany tamin’ny taona 1836 dia nanomboka nanatanteraka ny fampanantenany mba hanafy ny Olomasina amin-kery ny Tompo, ary niaina fitahiana ara-panahy mahatalanjona izy ireo. Ohatra, nandefa iraka telo avy any an-danitra nankao amin’ny Tempolin’i Kirtland ny Tompo—dia i Mosesy, i Elisa, ary i Elia—mba hamerina amin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana eto ambonin’ny tany. Ireo fanalahidy ireo dia hanome ho an’ny Olomasina ny fahefana hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny tempoly sy hamehy mandrakizay na ny fianakavian’ny velona na ny an’ny maty. Ankoatra izany dia naverina tamin’ny laoniny tamin’io fotoana io koa ny “fanalahidin’ny fanangonana an’ i Isiraely” (F&F 110:11). Tamin’ny alalan’ireo fanalahidy ireo no nanomezana ireo misiônera ny fahefana hampianatra ny filazantsara maneran-tany.

Ianao dia “handeha any anivon’ny firenena rehetra” (F&F 38:33)

Raha vantany vao voatokana ny Tempolin’i Kirtland ary naverina tamin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fanangonana an’Isiraely dia nanomboka notoriana tany amin’ny toeran-kafa bebe kokoa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mankanesa ao amin’ny Sarintany 3, Ny faritr’i New York, Pennsylvanie, ary Ohio any Etazonia” ao amin’ny sarintanin’ny tantaran’ny Fiangonana hita any amin’ny faran’ny triptikanao. Toerana tsara nanombohana ny fanirahana misiônera manerana izao tontolo izao mba hampianarana ny filazantsara “any anivon’ny firenen-drehetra” i Kirtland, Ohio (F&F 38:33). Nanakaiky lalam-pifamoivoizana lehibe maro tany Etazonia i Kirtland. Tsy nila nandeha lavitra akory ireo misiônera raha niainga avy ao Kirtland mba hahafahany mandray sambo mandeha amin’ny etona teo amin’ireo renirano lehibe tao Amerika sy ny farihin’i Erie. Afaka nandeha mianatsimo tamin’ireo lalam-pirenena koa izy ireo ary nianavaratra tamin’ny alalan’ireo lakandrano. Noho izany antony izany dia i Kirtland no toeram-piaingana ho an’ny asa fitoriana tany Kanadà sy tany amin’ireo faritra hafa tao Etazonia ary tany Grande Bretagne.

Nitombo aman’alina ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao noho ny asa fitoriana ny filazantsara nandritra izany fotoana izany. Tamin’ny taona 1837 dia nantsoina hanao asa fitoriana tany Grande Bretagne ny Loholona isany Heber C. Kimball sy Orson Hyde, niaraka tamin’ny olona dimy hafa, ka nanao batisa olona manodidina ny 2.000 isa izy ireo tany. Hatramin’ny taona 1838, izay nandaozan’ny Olomasina an’i Kirtland noho ny fanenjehana dia nisy mpikamban’ny Fiangonana teo amin’ny 2.000 teo nipetraka tao Kirtland raha efa ho 18.000 ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana maneran-tany.

“Ianao dia handray fanambarana miampy fanambarana” (F&F 42:61)

Mankanesa ao amin’ny filahatr’ireo fizarana araka ny vanim-potoany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (izay hita aorian’ny fampidirana) ary diniho ny toerana izay nahazoana ny ankamaroan’ireo fanambarana.

Araka ny hitanao dia fanambarana maro no azo tany Ohio raha mihoatra ny tany amin’ny toeran-kafa. Tanteraka ny fampanantenan’ny Tompo fa handray fanambarana miampy fanambarana ny Olomasina rehefa miangona any Ohio.

  1. Vakio ny fampidirana ny fizarana sy ny famintinana ny fizarana ao amin’ny tsirairay amin’ireto fizarana manaraka ireto. Avy eo dia manorata teny vitsivitsy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay mamintina ny momba ilay fanambarana ary fehezan-teny iray na roa izay mamaritra ny fomba nitahian’ilay fanambarana ny Fiangonana sy ny fiainanao manokana.

    1. F&F 76

    2. F&F 84

    3. F&F 89

Raha tany Ohio ny Olomasina dia nandidy ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo mba handrafitra ny fitantanana ny Fiangonana. Natsangana nandritra izany fotoana izany ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Kôlejin’ny Fitopololahy. Nandritra izany fotoana izany ihany dia nanohy ny asany tamin’ny fandikana ny Baiboly i Joseph Smith.

Nampahory ny Olomasina mahatoky tany Ohio ny fanoherana sy ny apôstazia

Na dia nitahy ny Olomasina tany Ohio aza ny Tompo dia nitombo ihany koa ny fanoherana ny Fiangonana. Raha vantany vao tonga tao Kirtland ny Olomasina dia nanomboka nanenjika ny Fiangonana ireo mpitsikera mpankahala Môrmôna. Ny ankamaroan’ireo fanenjehana dia tamin’ny endrika tantara na lahatsoratra fanaratsiana an-gazety.

Sary
Joseph Smith

Nilaza izao manaraka izao ny Mpaminany Joseph Smith mikasika ireo famoahana an-gazety ireo: “Maro ireo tatitra diso sy lainga ary tantara tsy mitombina navoaka tao amin’ireo gazety an-tsoratra, ka naparitaka tetsy sy teroa, mba hanakanana ny olona tsy hamantatra ilay asa, na hanaiky ny filazantsara” (ao amin’ny History of the Church,1:158).

Na dia eo aza ireo sy ireo olana hafa dia nitohy niangona tany Kirtland ny Olomasina, indrindra nandritra ny taona 1836–38. Tamin’ny 1836 dia nahatsapa ny enta-mavesatry ny trosa noho ny vola lany tamin’ny fananganana ny Tempolin’i Kirtland i Joseph Smith. Na dia nanana tany betsaka aza ny Fiangonana dia nila lelavola izany mba hamerenana ireo trosa tsy voaloa. Noho ny trosa nilain’ny Fiangonana sy ny vahoaka tsy mitsaha-mitombo tao Kirtland dia nanao drafitra hanangana banky teo an-toerana ireo mpitarika ny Fiangonana. Nolavin’ny manampahefana mpanao lalàna tao Ohio ny fangatahan’izy ireo hanangana banky. Nanangana orinasa iray nantsoina hoe ny Kirtland Safety Society (Orinasa Fiantohana an’i Kirtland) ny Olomasina, teo amin’ny toeran’ny fananganana banky, izay niasa ho toy ny banky.

Tamin’ny 1837 dia nisy fitotonganana ara-toe-karena nanerana an’i Etazonia. Nahatsapa ny voka-dratsin’ilay fitotonganana ny firenena iray manontolo ary banky maro no nikatona. Ankoatr’izany, ny sasany tamin’ireo izay tafiditra tamin’ny fitantanana ny Orinasa Fiantohana an’i Kirtland dia tsy marin-toetra tamin’ny raharahany. Tsy maintsy nakatona ihany koa ny Orinasa Fiantohana an’i Kirtland ary nanary efa ho ny vola rehetra narotsany tao ny olona an-jatony izay nandrotsaka vola tao. Ny fatiantoka teo amin’i Joseph Smith no lehibe indrindra mihoatra ny an’ny hafa. Olomasina maro no nanendrikendrika ny Mpaminany ho tompon’andraikitra tamin’ny olana ara-bola nananany, ary nisy fanenjehana tany amin’ny tribonaly vokatr’izany. Nolazaina fa ireo mpitarika ny Fiangonana izay nanampy tamin’ny fananganana ny Orinasa Fiantohana an’i Kirtland dia nanana fahefana ara-dalàna hanangana orinasa manokana izay mandray anjara amin’ny asan’ny banky, ary nivoaka ny didy fa lamandy 1.000 dôlara no nomena azy ireo tamin’ny fandikana ny lalàn’ny asan’ny banky.

Nitarika ny mpikambana sasany hihemotra ireo olana nanahirana ireo. Nihamafy ny fanenjehana nandritra ny ririnin’ny taona 1837 sy ny lohataonan’ny taona 1838 ka voatery nandao an’i Ohio ny ankamaroan’ny Olomasina. Tsy maintsy nitsoaka niala tao Kirtland mba ho fitandroana ny ainy ireo mpitarika sasany tao amin’ny Fiangonana, ka anisan’izany i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ary i Brigham Young.

  1. Araka ny zavatra nianaranao tao anatin’ity lesona ity, soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fehezan-teny vitsivitsy momba ny mety ho tsapanao raha nandao an’i Ohio ianao nandritra izany vanim-potoana teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana izany. Ataovy ao ireo zavatra izay tianao raha toa anisan’izany ianao sy ireo zavatra izay eritreretinao fa mety ho fanamby natrehinao.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nianatra ny lesona “Tao Ohio” ary nahavita izany ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy