Seminera
Fizarana 12: Andro 4,Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 53–56


Fizarana 12: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 53–56

Fampidirana

Tamin’ny volana jona 1831 dia naharay ireo fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 53–55 ny Mpaminany Joseph Smith. Ahitana ny torolalan’ny Tompo ho an’ireo mpikambana sasany ao amin’ny Fiangonana izay niaina tany Ohio kanefa hifindra tsy ho ela any Missouri ireo fanambarana ireo. Niresaka tamin’i Sidney Gilbert sy i Newel Knight ary i William W. Phelps ny Tompo ao anatin’ireo fanambarana ireo ka nanome azy ireo torolalana izay mikasika manokana ny antsony tao am-piangonana sy ny talentany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 53

Niantso an’i Sidney Gilbert mba ho lasa loholona sy handeha hiaraka amin’i Joseph Smith ho any Missouri

Rehefa tsy hitan’i Sidney Gilbert teo amin’ny lisitr’ireo misiônera nantsoina handeha ho any Missouri ny anarany (jereo ny F&F 52:22–32), dia nankany amin’ny Mpaminany Joseph Smith izy ka nanontany izay tian’ny Tompo hataony. Nanontany ny Tompo i Joseph ka nahazo ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 53. Ao amin’ilay fanambarana dia nandidy ny Rahalahy Gilbert ny Tompo mba hotendrena ho loholona sy hiasa amin’ny maha-mpisolotena ny Eveka Edward Partridge azy. Ny anjara asan’ny Rahalahy Gilbert amin’ny maha-mpisolotena ny eveka azy dia hazavaina bebe kokoa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:6–10, 15. Nandidy an’i Sidney koa ny Tompo mba handeha ho any Missouri miaraka amin’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon.

Saintsaino izao zavatra niainan’ny zatovovavy iray manaraka izao izay nanontany tena ihany koa hoe inona ny tian’ny Tompo hataony:

“Tany Chine i Aleisha Cramer no nahazo ny valin’ny vavakany. Tsotra ilay valim-bavaka kanefa sarotra natao koa izany. Tokony nanary ny nofinofiny nandritra ny fiainany manontolo izy, handeha hody, ary hiaina ny fiainan’ny ankamaroan’ireo mpianatra any amin’ny oniversite. Tampoka taminy ilay valim-bavaka, kanefa vonona ny hanao ireo zavatra nasain’ny Tompo nataony izy.

“I Aleisha … dia nanjary tena nahomby tamin’ny naha-mpilalao baolina kitra malaza azy. Nahatanteraka ny ankamaroan’ny tanjony izy, niasa mafy mba hahatonga azy ho mpikamban’ny ekipam-pirenen’i Etazonia, izay nanome fahafahana ho azy mba hilalao ny Amboara Eran-tany sy ny Lalao Olaimpika 2004.

Sary
Aleisha Cramer

“Tratrany izany. Fa tsy nahafaly azy.

“‘Nanana ny zava-drehetra aho,’ hoy i Aleisha. ‘Nanana fianakaviana tsara aho. Nanana namana aho. Nandeha nianatra tao BYU aho. Tena nahay nilalao aho tao amin’ny ekipam-pirenena. Kanefa ve hanohy ny ezako mba hahatongavana ho isan’ny mpilalao ao amin’ny ekipan’ny Amboara Eran-tany aho dia mbola hahatsapa izany fahabangana izany ihany?’

“Dia nifoha sady nitomany i Aleisha indray alina, raha nandeha nilalao ny lalao fanokafana tany Chine. Nahatsapa hafanana mahafinaritra izy, fahatsapana nampionona. ‘Tsaroako aho nametraka ny tanako teo amin’ny foko, dia nanana ireto eritreritra ireto tsotra izao: “Mila mandao ny ekipam-pirenena ianao. Tsy mety aminao ny mandika ny andro Sabata. Mety aminao ny mandeha amin’ny lalana hafa. Hilamina ny zava-drehetra.”‘ Nofaritany ho heniky ny Fanahy sy niaina izany niverimberina nandritra ny alina maro nisesisesy izy.

“Na dia mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny fiainany iray manontolo aza izy dia nitombo ny fitiavan’i Aleisha ny filazantsara. Namaky ny soratra masiny farafahakeliny 30 minitra isan’andro izy, ary tsikariny fa niova ny vavaka nataony. Nanontany ny Tompo ny zavatra tiany hataony izy. Dia nahazo valim-bavaka izy tany Chine.

“‘Tsy mbola nanana ireo fahatsapana ireo aho teo aloha, ilay fiononana sy hafanana. Enga anie aho ka hiaina ireo zavatra ireo isaky ny manana fanontaniana. Toa nazava avokoa ny zavatra rehetra. Nazava kokoa izany.’

“Nanao asa araka ny fitaomam-panahy azony i Aleisha. Niteny izy hoe: ‘Rehefa mahazo fitaomam-panahy ianareo dia araho eo no eo izany. Raha niteny aho hoe: “Eny, tsara izany. Saingy tena te hilalao amin’ny Amboara Eran-tany aho ka ataoko izany aorian’izany,” dia mety tsy araka ny tokony ho izy ny fitrangan-javatra.’ …

“Nanome fahafahana ho an’i Aleisha mba hanandrana zava-baovao hafa ny tsy naha-tao amin’ny ekipam-pirenena azy.” Nandritra izany fotoana izany no nanomboka niaraka tamin’ny zatovolahy iray izay nampianatra azy hitendry gitara izy ary nifanambady tany amin’ny tempoly izy ireo taty aoriana.

“‘Azoko antoka fa nomanina tamin’ity fiovana ity aho tamin’ny alalan’ny zava-nitranga tany Chine. Nanadino zavatra iray aho ka nahazo zavatra tsara lavitra noho izany’ hoy Aleisha.

“… Mbola te hiasa mafy izy saingy hiasa mafy ho an’ny fianakaviany manokana izany.

“Mihaino ilay mpanazatra lehibe indrindra amin’ny mpanazatra rehetra i [Aleisha], dia ny Rainy any An-danitra, izay afaka manampy hitarika azy sy hanome fitarihana sy fitaomam-panahy ho azy. Araka ny nolazain’i Aleisha hoe: ‘Mahafantatra ny tsirairay amintsika ny Tompo. Tena tsara ho ahy ny mahafantatra izany sy manana fijoroana ho vavolombelona momba izany’” (Janet Thomas, “The Playmaker,” New Era, Nov. 2003, 21, 23).

Saintsaino ireo fomba ahafahanao mahazo fitarihana avy amin’ny Tompo momba ny fiainanao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54

Nandidy an’i Newel Knight ny Tompo mba hitarika ny Olomasina avy any Colesville ho any Missouri

Tamin’ny volana aprily 1831 dia nitarika andian’Olomasina avy any Colesville, New York i Newel Knight mba hiaraka amin’ireo Olomasina any Ohio. Ny volana mey ny Mpaminany Joseph Smith dia nanome torolalana ny Eveka Edward Partridge mba hanome toerana hipetrahana ho an’ireo Olomasina ireo tao Thompson, Ohio, izay tany efa nanaovan’i Leman Copley fanekena teo aloha fa hatolony ho an’izany tanjona izany. Namboly masomboly tao ry zareo ary nanomboka nanao fanatsarana ilay tanàna. Kanefa na dia niara-niasa aza izy ireo hanatsara ilay tany dia nanomboka tia tena sy matimatin-karena. Niharatsy ny toe-javatra niainan’izy ireo rehefa niverina avy tany amin’ny asa fitoriany tamin’ireo Shakers i Leman Copley (jereo ny F&F 49) ka nanomboka niahiahy ny finoany. Nandà ny fijoroana ho vavolombelona niroborobo nananany momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy ary nandidy ny Olomasina mba handao ny tany. Nasainy nandoa 60 dôlara ihany koa izy ireo. Satria nandika ny fanekempihavanana nataony i Leman dia tsy nanana toerana ipetrahana ireto Olomasina ireto. Nanontanian’i Newel Knight sy ireo olona hafa tamin’ny Mpaminany ny zavatra tokony hataony.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54:1–3 ary asio marika ny tian’ny Tompo hataon’ireo Olomasina ireo mba hanatsarana ny toe-javatra niainany. Dia saintsaino izao fanontaniana manaraka izao avy eo: Nahoana araka ny eritreritrao no hanampy ireto Olomasina ireto ny fibebahana sy fanetrentena?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54:6 ary asio marika ny fitahiana izay nomena ireo izay nitazona ny fanekempihavanana hanokana ny fananany.

Fenoy araka ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54:1–6 ity fitsipika manaraka ity: Raha mitana ny fanekempihavanana nataontsika sy mitandrina ny didin’ny Tompo isika dia hahazo .

Asa famindrampon’ny Tompo avokoa ny fitahiana rehetra azontsika. Ohatra iray amin’ny famindrampon’ny Tompo ny fotoana hamelany ny fahotantsika. Rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa isika ary mankatò ny didin’ Andriamanitra dia tsy hahazo famindrampo eto amin’ity fiainana ity fotsiny ihany fa ho famindrampo maharitra hatrany amin’ny Fitsarana Farany izany.

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny sasan’ny amin’ireo fomba hanoloran’ny Tompo famindrampo ho antsika rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika isika:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ny halehiben’ny famindrampon’ny Tompo dia ireo fitahiana, hery, fiarovana, antoka, fitarihana, hatsaram-panahy ombam-pitiavana, fampiononana, fanohanana sy fanomezana ara-panahy izay tena natao ho an’ny tena manokana sy ho an’ny tsirairay izay azontsika avy amin’i Jesoa Kristy Tompo sy noho Izy ary amin’ny Alalany. …

“… Tsy kisendrasendra no hitrangan’ny halehiben’ny famindrampon’ny Tompo na vokatry ny fifandrifian-javatra fotsiny. Ny fahatokiana, sy ny fankatoavana ary ny fanetrentena no manasa ny halehiben’ny famindram-po ho tonga eo amin’ny fiainantsika, ary matetika dia ny fotoan’ny Tompo no ahafahantsika mahafantatra sy mankamamy ireny fitahiana manan-danja ireny” (“The Tender Mercies of the Lord,” Ensign na Liahona, May 2005, 99–100)

  1. Manorata ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina momba ny sasany amin’ireo fitahiana tsapanao fa nomen’ny Tompo anao vao haingana noho ny fahatokianao tamin’ireo fanekempihavanana nataonao sy fankatoavana ny didiny.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54:7–10 dia mamaky isika fa taorian’ny namerezan’ireo Olomasina tranony teo amin’ny tanin’i Leman Copley dia nodidian’ny Tompo handeha tany Missouri izy ireo. Nila nanendry olona iray handoa ny lalin’izy ireo eny an-dalana ary nila niasa mba hamelomana ny tenany izy ireo tany ambara-panomanan’ny Tompo toerana iray hitoerany. Nanoro hevitra azy ireo koa ny Tompo mba hanam-paharetana ao amin’ny fahoriana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 55

Miantso an’i William W. Phelps ny Tompo mba hanampy tamin’ny fanoratana sy ny fanontana ireo bokin’ny Fiangonana

Eritrereto ny sasany amin’ireo talenta na fahaiza-manaonao. Dia mieritrereta momba ny talenta na fahaiza-manaon’ny iray amin’ireo namanao. Noho ny fahasamihafan’ny fahafahantsika manao zavatra dia afaka manampy amin’ny asan’ny Tompo amin’ny fomba samy hafa isika. Afaka mampiasa ny talentantsika sy ny fahaiza-manaontsika Andriamanitra mba hitahiana ireo zanany. Ohatra iray amin’ity fitsipika ity i William W. Phelps. Talohan’ny nahatongavany tany Kirtland, Ohio dia nividy tahadikan’ny Bokin’ny Môrmôna izy roa herinandro taorian’ny namoahana izany ho amidy. Nitarika azy ho lasa mpikamban’ny Fiangonana izany.

Vakio ny fampidirana ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 55 ka tadiavo ny iray amin’ireo fahaiza-manao na fahafahan’i William W. Phelps manao zavatra. Dia vakio avy eo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 55:4 ka mitadiava talenta iray hafa ananany. Niantso ny Rahalahy Phelps ny Tompo mba hampiasa ny talentany sy ny fahaiza-manaony tamin’ny fanoratana sy fanontana printy ireo boky nampiasain’ny Fiangonana tany Missouri (jereo ny F&F 55:5). Nitahy ny Fiangonana tamin’ny fomba marobe ny ezaka nataon’ny Rahalahy Phelps tao.

Sary
I William Phelps sy i Joseph Smith ao amin’ny fanontana printy
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no nahitanao ny Tompo nampiasa ny talenta na fahafahan’ny olona manao zavatra mba hitahiana ny hafa?

    2. Amin’ny fomba ahoana no mety hitahiana sy hankaherezan’ny talentanao na ny fahaiza-manaonao ny hafa ary hampandrosoany ny asan’ny Tompo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:1–13

Manafoana ny antson’i Ezra Thayre mba hitory ny Tompo ka mampitandrina azy mba hibebaka

  1. Manorata ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina momba ny olona iray izay fantatrao fa nandao zavatra iray tena manan-danja aminy mba hankatoavana didy iray. (Mety hahitana olona mahafoy zavatra mba hidirana ho mpikamban’ny Fiangonana, handehanana any amin’ny sahan’ny misiona, na hankatoavana fitsipika manokan’ny Fiangonana ny ohatra amin’izany.)

Nomena andraikitra i Ezra Thayre mba hiara-hipetraka sy hiara-hiasa tamin’i Joseph Smith Rainy teo amin’ny tany fambolena sy fiompian’i Frederick G. Williams tao Kirtland, Ohio. Ankoatra ny fiasana tao amin’ilay toeram-piompiana sy fambolena dia nanampy tamin’ny fandoavana ny trosa teo amin’ilay tany i Ezra. Rehefa nantsoina hanao asa fitoriana tany Missouri niaraka tamin’i Thomas B. Marsh izy (jereo ny F&F 52:22 dia nangataka fifanarahana an-tsoratra momba ny ampahany amin’ny tanin’ny Fiangonana izay neritreretiny fa anjarany. Noho ny fiahiahiany momba ny fananany sy ny volany dia tsy vonona handeha hanao izany asa fitoriana izany i Ezra Thayre rehefa vonona i Thomas, koa nandeha tany amin’ny Mpaminany Joseph Smith i Thomas ka nanontany izay tokony hataony.

Ao amin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56 dia nanafoana ny antson’i Ezra Thayre hanao asa fitoriana ny Tompo ka niantso mpiara-mitory vaovao ho an’ny Rahalahy Marsh. Dia nampitandrina ny avonavona ny Tompo avy eo ary nampianatra ny Olomasina fa manana zavatra betsaka kokoa miandry azy ireo noho ny tany sy ny vola Izy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:3–5 ary tadiavo ny zava-nitranga satria tsy vonona handeha hiaraka tamin’i Thomas B. Marsh i Ezra Thayre. Eo am-pamakianao izany dia mety hanampy ny mahafantatra fa ny teny hoe manafoana dia midika hoe maka indray na manaisotra. Inona no narian’i Ezra satria tsy vonona ny hiaraka tamin’ny Rahalahy Marsh izy?

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:4 dia mampianatra antsika fa afaka mandidy na manafoana ny didy araka izay hitany fa mety ny Tompo. Azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny izay milaza izany fitsipika izany.

Ireto manaraka ireto dia ohatra vitsivitsy avy ao amin’ny soratra masina sy ny tantaran’ny Fiangonana momba ny fanomezan’ny Tompo na fanafoanany didy iray:

  • Rehefa avy nanolotra lalàna ambony kokoa tamin’i Mosesy sy ny vahoakany ny Tompo dia nikomy ny zanak’i Isiraely ka nanomboka nitompo zanak’ondry volamena. Dia nomen’ny Tompo lalàna ambany kokoa izy ireo avy eo. (Jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Eksodosy 32:14 ; 33:20; 34:1–2 [ao amin’ny Fantina avy amin’ny Baiboly dikantenin’i Joseph Smith].)

  • Nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto ambonin’ny tany dia niteny tamin’ireo Apôstôly mba hitory amin’ny Jiosy ihany Izy (jereo ny Matio 10:5). Fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’ny Mpamonjy dia nahazo fanambarana i Petera fa tonga ny fotoana hitoriana ny filazantsara amin’ny olon’ny firenen-drehetra (jereo ny Matio 28:19).

  • Nandritra ity fotoampitantanana ity, ny Tompo dia nandidy ireo Olomasina tany aloha hampihatra ny fanambadiana maro. Sarotra ho an’ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika maro hafa tao amin’ny Fiangonana io didy io, kanefa nankatò izany izy ireo. Taona maro taty aoriana, taorian’ny nahazoana ilay fanambarana, ny Filoha Wilford Woodruff dia namoaka fanambarana an-tsoratra—ny Manifesto— izay neken’ny Fiangonana fa manam-pahefana sy mamatotra tamin’ny 6 ôktôbra 1890. Izany dia nitarika ho amin’ny fampitsaharana ny fanaovana fanambadiana maro tato amin’ny Fiangonana (jereo ny Filazana Ofisialy 1).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:8–11 ka tadiavo ny zavatra nandidian’ny Tompo an’i Ezra Thayre mba hataony taorian’ny nanafoanana ny antsony mba hanao asa fitoriana. Soa ihany fa nisafidy hibebaka i Ezra ary fito volana taty aoriana dia nantsoina indray izy mba hanompo ho misiônera niaraka tamin’i Thomas B. Marsh (jereo ny F&F 75:31).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:14–20

Mampitandrina ny Olomasina amin’ny fimatimatesan-karena sy ny fo feno avonavona ny Tompo

Indraindray ny olona dia mieritreritra fa ny avonavona dia toetra hita ao am-pon’ireo mpanan-karena ihany. Tsy marina hatrany anefa izany, araka ny hianaranao ato anatin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:16–17 ka tadiavo hoe sady afaka miseho amin’ny mpanan-karena no afaka miseho amin’ny mahantra amin’ny fomba ahoana ny fo tsy mibebaka. Asio marika izay hitanao. Saintsaino hoe nahoana ny avonavona sy ny fangoronan-javatra ho an’ny tena manokana no toetra iombonan’ny mpanan-karena sy ny mahantra.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:18 ka tadiavo ny famaritan’ny Tompo ny fo sy fanahin’ireo izay hotahiana. Ampiasao ny fanamarihany eny ambanin’ny pejy mba hahatakarana ny sasany amin’ireo teny nampiasain’ny Tompo.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Rehefa mikatsaka ny fitahian’ny fiovampo ianao dia afaka manolotra ny fanomezan’ny fonao torotoro na mibebaka sy ny fanahinao manenina na mankatò ianao. Raha ny marina dia ny fanoloranao ny tenanao izany—ny maha ianao anao sy izay mety hahatongavanao any aoriana” (“When Thou Art Converted,” Ensign, May 2004, 12).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:19–20 ka tadiavo ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo ho an’ireo izay manana fo mietry. Mety hanampy anao ny mahafantatra fa ny “valisoan’” ny Tompo dia midika fa hanefa ny tsara sy ny ratsy rehetra izay natao Izy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no itovian’ireo fitahiana voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:18–20 ireo amin’ny trano sy tany ary volan’i Ezra Thayre sy an’ireo Olomasina tany aloha tany izay nampiahiahy azy ireo?

    2. Inona no azonao atao mba hananao ilay karazana fo izay handray ireo fitahiana voatanisa ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 53–56 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy