Seminera
Fizarana 22: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103


Fizarana 22: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103

Fampidirana

Nandritra ny fivorian’ny filankevitra avo tany Kirtland ny 24 febroary 1834, no nikatsahan’i Parley P. Pratt sy i Lyman Wight torolalana avy amin’ilay filankevitra mikasika ny fomba hahazoan’ny Olomasina tany Missouri fanampiana ara-pivelomana sy ny fomba hamerenana ho azy ireo indray ny fananan-taniny tao amin’ny Fivondronan’i Jackson. Tamin’io andro io dia nandray ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103 ny Mpaminany Joseph Smith izay ahitana ny fampanantenan’ny Tompo fa havotana ny tanànan’i Ziona. Nandidy ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ny Tompo mba hanangona ireo loharanom-pitaovana sy hanangona vatan-dehilahy hanampy mba hanavotana ireo Olomasina any Missouri. Io vondron’olona io dia lasa fantatra amin’ny anarana hoe Tobin’i Ziona.

Sary
Tobin’i Ziona

Tonga tany Missouri ny Tobin’i Ziona

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:1–21

Mampanantena ny Tompo fa havotana i Ziona

Inona no fahavalon’ny olo-marina ankehitriny?

Diniho ny fomba hikatsahan’ny fahavalon’ny Tompo ny fanakanana ny fivoaranao ara-panahy sy ny fivoaran’ny Fiangonana. Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103 ianao dia jereo ireo Fotopampianarana sy fitsipika izay hanampy anao handresy ny fahavalo tahaka izany.

Araka ny fanazavana tao amin’ny fampidiran’ity lesona ity, dia nanome fanambarana ny Mpaminany Joseph Smith izay valintenin’ny fanontaniana mikasika ny fomba hanampiana ny Olomasina tany Missouri ny Tompo. Eo am-boalohan’ny fanambarana, dia manazava ny antony namelany ny fanenjehan’ny fahavalo ny Olomasina tany Missouri ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:1–4, ary tadiavo ny antony namelan’ny Tompo izany zavatra mahatsiravina izany hitranga tamin’ny vahoakany.

Diniho hoe nahoana no manan-danja ny nilazan’ny Tompo fa ireo izay nanenjika ny Olomasina dia fahavalony.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:5–7, ary karohy ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona ireo fitahiana mety ho azon’ny Olomasina raha nanaraka ny torolalan’ny Tompo “hatramin’[izay] ora [izay]”? (Azonao atao ny manisy marika ireo valinteny eo am-pahitanao azy ireo. Marihina fa ny teny hoe mandresy dia midika hoe matanjaka kokoa noho ny fahavalo.)

Ireo andininy ireo dia mampianatra fitsipika iray izay azo ampiharina amin’ny ezaka ataonao mba handresena ireo fitaoman’izao tontolo izao: Rehefa manomboka manaraka ny torohevitry ny Tompo isika, dia mandray hery hoenti-manomboka ny fandresena an’izao tontolo izao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:8–10, ary tadiavo ny zavatra nampitandreman’ny Tompo fa hitranga amin’ny Olomasina raha tsy mankatò ny teniny izy ireo.

Inona no fitsipika nampianarin’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo mikasika ny zavatra hitranga raha toa tsy mahavita mitandrina ny didiny isika? Fenoy ity fanambarana miendrika “raha–dia” ity: Raha tsy mankatò ny didin’ny Tompo isika dia .

Vakio indray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:9. Ahoana no ahafahanao ho “fahazavana ho an’izao tontolo izao”? Ahoana no ahafahanao ho “mpamonjy”?

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ireo ohatra sasantsasany mikasika ny andrana ataon’ny fahavalon’ny Tompo mba handresena ny mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny?

    2. Nahoana araka ny hevitrao ny olona iray izay tsy mpankatò na mankatò ny Tompo amin’ny ampahany ihany no mety tsy afaka handresy ireo fahavalon’ny Tompo?

    3. Tamin’ny fotoana manao ahoana ianao no nahita olona iray nandresy ny fahavalon’ny Tompo amin’ny fiezahana mankatò ny tenin’ny Tompo? (Ohatra, azonao atao ny mieritreritra ny amin’ny olona iray izay nanam-pahasahiranana tamin’ny fandresena ny fiankinan-doha na izay miaina tsara ny filazantsara izao rehefa avy nanaraka ny fomba fiaina ny izao tontolo izao.)

  2. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra iray azonao atao “hatramin’izao ora izao” (F&F 103:5) mba hihainoana bebe kokoa ny torohevitry ny Tompo. Manoràta drafitra iray mikasika ny hanatanterahanao izany.

Tsarovy fa na dia mety tsy ho mpankatò tanteraka ny tenin’ny Tompo rehetra aza ianao, dia hanampy anao handresy ireo fahavalony Izy raha toa ianao miezaka ny hankatò Azy amim-pahazotoana sy mibebaka amim-kitsimpo ary mikatsaka famelana amin’ny alalan’ny Sorompanavotana rehefa lavo.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:11–21 isika dia mamaky ny fampanantenan’ny Tompo fa aorian’ny fitsapan’ny Olomasina, dia havotana amin’ny alalan’ny heriny i Ziona. Mampitandrina koa anefa Izy fa raha mandoto ny lovany ny Olomasina, dia hesorina aminy izany. Niresaka momba ny Mpaminany Joseph Smith toy ny lehilahy iray hitarika ny vahoaka tahaka ny nitarihan’i Mosesy Izy (jereo ny F&F 103:16, 21; jereo koa ny F&F 28:2). Io fampitahana io dia marina foana ho an’ny Filohan’ny Fiangonana rehetra (jereo ny F&F 107:91).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:22–40

Manambara ny fomba hanavotana an’i Ziona ny Tompo

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:22–23. Ireo andininy ireo dia ahitana ny torolalan’ny Tompo ho an’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana tamin’izany fotoana, tamin’ny 1834. Nandidy Izy ny hanangonana vondron’olona mba handeha any amin’ny tanànan’i Ziona, any Missouri, ary hanampy ny Olomasina any. Ny vondrona lehilahy izay hangonin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana, sy hotarihin’ny Mpaminany Joseph Smith dia lasa fantatra tamin’ny hoe Tobin’i Ziona (ny toby dia teny iray hafa ilazana ny tafika). Nanana tanjona roa lehibe ireo mpikambana tao amin’ny Tobin’i Ziona. Voalohany, tokony hamatsy ireo Olomasina any Missouri izy ireo. Amin’ny alalan’ireo vatsy ireo no hanolorana fanampiana ho an’ny Olomasina sy ny hahafahana mamerina ny toeram-ponenany ho azy ireo indray. Hampiasa ireo vatsy ireo koa izy ireo mba hividianana tany fanampiny. Faharoa, araka ny nanomezan’ny Governoran’i Missouri Daniel Dunklin lalana taorian’ny nanateran’ny tafi-paritr’i Missouri ny Olomasina hiverina any amin’ny Fivondronan’i Jackson, dia natsangana ny Tobin’i Ziona mba hametrahana filaminana sy fandriampahalemana any.

I Heber C. Kimball dia anisan’ny rahalahy izay namaly tamim-pahatokiana ny antso hiditra tao amin’ny Tobin’i Ziona. Taty aoriana izy dia lasa mpikamban’ny Fiadidiana Voalohany. Nilaza ny zavatra tsapany izy rehefa niainga niaraka tamin’ny Tobin’i Ziona: “Nanomboka ny dia tamin’ny 5 mey izahay, ary izany dia tena maraina feno voninahitra ho ahy tokoa. Nanao veloma ny vadiko, ny zanako ary ny namako aho, ary tsy nieritreritra ny hahita azy ireo intsony, rehefa nampitahorin’ny fahavalo izaho sy ny rahalahiko tao amin’io faritra io sy tany Missouri, fa handrava anay sy handrigana anay hiala ny tanàna izy ireo” (ao amin’ny “Extract from the Journal of Heber C. Kimball,” Times and Seasons, 15 jan. 1845, 771; jereo koa ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. Faha-2 [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 143).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Raha niaina tamin’izany fotoana izany ianao, mihevitra ve ianao fa mety ho vonona ny hankany amin’ny Fivondronan’i Jackson mba hanampy ny Olomasina? Nahoana, na raha tsia dia nahoana?

    2. Ny fidirana tao amin’ny Tobin’i Ziona dia nitaky ny fandaozana ny fianakaviana sy ny andraikitra ara-kasa mba hanaovana ny dia an-tongotra izay teo amin’ny 1.450 kilaometatra teo ho eo tao anatin’ny toe-javatra tena sarotra mankany amin’ny toerana mampidi-doza sy feno fankahalana. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:20. Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fampanantenana ao amin’io andininy io amin’ny fanapahan-kevitrao ny hilatsaka an-tsitrapo?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:27–28, ary tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo an’ireo izay hiditra tao amin’ny Tobin’i Ziona. Afaka manisy marika ny andian-teny izay mampianatra ity fahamarinana manaraka ity ianao: Ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy dia vonona ny hanolotra ny ainy ho Azy.

Teny nitatao teo amin’ny Olomasin’ny Tobin’i Ziona tokoa ny fahafatesana. Na dia mety tsy hiaina izany loza izany aza ianao, dia afaka mihatra tsara aminao ity fitsipika ity.

Sary
Filoha James E. Faust

Ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza fomba iray hafa hoentina mieritreritra ny hanololorana ny aintsika ho an’ny Mpamonjy: “Ho an’ny ankamaroantsika … dia tsy ny ho faty ho an’ny Fiangonana fa ny hiaina ho an’izany no takina amintsika Mety ho sarotra kokoa ho an’ny maro ny miaina fiainana tahaka ny an’i Kristy isan’andro noho ny hoe mahafoy ny ain’ny tena” (“Discipleship,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 22).

  1. Vitao ireto asa nampanaovina manaraka ireto:

    1. Zarao amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao na ny namanao iray ny teny nambaran’ny Filoha Faust, dia apetraho ity fanontaniana manaraka ity avy eo: Nahoana araka ny hevitrao no mety ho sarotra kokoa ny miaina ho an’ny Tompo noho ny maty ho Azy?

    2. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny olona izay nametrahanao ny fanontaniana sy ny valinteniny. Soraty ao ihany koa ny hevi-baovao nanananao mikasika ny fanambaran’ny Filoha Faust sy ny fanontaniana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:30–34, ary tadiavo ny isan’ny mpilatsaka an-tsitrapo nilain’ny Tompo ho an’ny Tobin’i Ziona.

Firy no isan’ny mpilatsaka an-tsitrapo nilain’ny Tompo?

Firy no isa farany ambany notakian’ny Tompo?

Sary
Tobin’i Ziona

Tobin’i Ziona

Teo am-pamaranana ny fivorian’ny filankevitra avo izay niresadresahan’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny mombamomba ny Olomasina tany Missouri, dia nanambara ny Mpaminany Joseph Smith fa handeha any Ziona mba hanampy izy. Teo amin’ny 30 na 40 ny lehilahy izay nanatrika teo no nilatsaka an-tsitrapo ihany koa. Dia naniraka lehilahy 8 ny Tompo avy eo mba handeha manerana ireo vondrom-bavaky ny Fiangonana ka hanambitamby olona hilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Tobin’i Ziona ary hitady anjara biriky amin’ny vatsy sy vola ho an’ireo Olomasina tany Missouri (jereo ny F&F 103:37–40).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:35–36, ary fantaro ny zavatra nilain’ny Olomasina natao mba hahitany fahombiazana tamin’ny ezaka nataony tamin’ny fanavotana an’i Ziona. Asio marika ny fahamarinana nampianarin’ny Tompo ao amin’ny andininy 36 mikasika ny fomba hahafahantsika ho mpandresy amin’ny fanatanterahana ny asany.

Diniho ny fomba hikatsahan’ny devoly ny fanakanana ny fivoaranao ara-panahy. Misy heloka, fakam-panahy, na sakana izay manakana anao amin’ny fiezahana hanaraka ny Tompo ve? Jereo indray ny valinteny nomenao tamin’ny asa faharoa ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Inona no ifandraisan’ny valinteninao amin’ny fananana fahazotoana sy ny fahatokiana ary ny fivavahana amim-pinoana? Tsarovy fa, toy ny Olomasina tamin’ny vanim-potoan’i Joseph Smith, dia afaka mandresy ny fahavalon’ny Tompo sy manatanteraka ny tanjon’ny Tompo ianao amin’ny fivavahana amim-pinoana sy amin’ny fanarahanao ny teniny amim-pahazotoana sy amim-pahatokiana.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy