Seminera
Fizarana 15: Andro 4, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69–71


Fizarana 15: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69–71

Fampidirana

Tamin’ny faramparan’ny volana Ôktôbra na voalohandohan’ny volana Nôvambra 1831 dia nahazo andraikitra hitondra ireo sora-tanana momba ny Bokin’ ireo Didy niainga avy any Ohio ho any Missouri i Oliver Cowdery. Any Missouri no hanontan’i William W. Phelps ny boky ao amin’ny trano printiny. Ny 11 Nôvambra 1831 dia notendren’ny Tompo i John Whitmer mba ho mpiara-dia amin’i Oliver ka nandidy azy hanohy ny andraikiny amin’ny maha-Mpanoratra ny Tantaran’ny Fiangonana azy (jereo ny F&F 69). Ny ampitson’io dia nanendry lehilahy enina ny Tompo mba ho mpitantan-draharaha hiandraikitra ireo fanambarana (jereo ny F&F 70). Tamin’ny volana desambra 1831 dia nandidy ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny Tompo hanao asa fitoriana mba hanesorana ny tsy fitiavana ny Fiangonana sy hisavana lalana ho an’ireo fanambarana sy didy izay kely sisa dia havoaka (jereo ny F&F 71).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69

Manambara ny maha zava-dehibe ny fandraketana ny tantara ny Tompo

Sary
vatosoa

Efa nisy olona natoky anao hikarakara zavatra iray sarobidy ve? Inona ilay izy? Ahoana no nahatonga ilay fitokisana hampiova ny fomba nikarakaranao ilay zavatra sarobidy?

Vakio ny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69 ary asio marika ny zavaka nankinina tamin’i Oliver Cowdery.

Raha nankinina taminao ireo zavatra sarobidy ireo, dia ahoana no hikarakaranao azy?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69:1–2 ary tadiavo ny torohevitra nomen’ny Tompo mikasika ireo zavatra sarobidy ireo.

Nahoana araka ny eritreritrao no fahendrena ny manendry olona mihoatra ny iray mba hikarakara ireo zavatra sarobidy ireo?

Natoky an’i John Whitmer ny Tompo tamin’ny andraikitra iray manan-danja, ankoatra ny fanampiana an’i Oliver Cowdery hitondra ireo fanambarana sy vola ho any Missouri. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69:3–8 ka tadiavo ny andraikitra hafa nampiandraketin’ny Tompo an’i John Whitmer. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Ataovy famerenana ny zavatra ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47 momba ny fanendrena an’i John Whitmer ho mpahay tantara sy mpirakitra ny tantaran’ny Fiangonana.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69:8, nahoana no zava-dehibe amin’i John Whitmer ny mirakitra ny tantaran’ny Fiangonana?

    2. Nahoana ireo no ho mety atao antony hiraketanao ny tantaran’ny fiainanao manokana?

Soraty eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao ity fitsipika manaraka ity: Andrasan’ny Tompo ny hiraketana ireo tantara mba ho tombotsoan’ny Fiangonana sy ireo taranaka vao misondrotra.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny hevitrao, ahoana no hahatonga ny firaketana ny tantaran’ny Fiangonana sy ny tantaran’ny tena manokana ho tombontsoan’ny Fiangonana?

    2. Ahoana no mety hahatonga azy ireo ho tombontsoan’ny taranaka vao misondrotra?

  2. Ataovy ny iray na izy roa amin’ireto asa ampanaovina manaraka ireto ary avy eo soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny famintinana ny zavatra niainanao:

    1. Mieritrereta tantara iray avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana na avy amin’ny tantaram-pianakavianao izay azo lazaina fa nanampy anao. Zarao amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na amin’ny namanao iray izany tantara izany.

    2. Asaivo mitantara tantaram-pianakaviana iray izay nitondra soa ho azy ny olona iray ao amin’ny fianakavianao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 70:1–4

Manendry mpitantan-draharaha hiandraikitra ny fanambarany ny Mpamonjy

Nirakitra ny tantaran’ny tenany manokana ihany koa ny Mpaminany Joseph Smith. Vakio ny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 70 ary asio marika ny zavatra lazain’ny tantaran’i Joseph Smith momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Sary
tahadikan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ny fiteny maro
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ireo fomba vitsivitsy mahatonga ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ho tombotsoa ho an’izao tontolo izao?

    2. Ahoana no nahazoanao tombotsoa avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 70:1 ary tadiavo ireo anarana sivy voalaza ao. Avy eo dia Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 70:2–4, ka tadiavo ny andraikitra nomen’ny Tompo ireo lehilahy enina ireo.

Inona araka ny eritreritrao ny dikan’ilay fehezan-teny manao hoe “ny tatitra ny amin’izany fitantanan-draharaha izany dia hotakiako amin’izy ireo ” (F&F 70:4)? Raha toa tsy mitovy amin’izany karazana fitantanan-draharahan’ireo lehilahy ireo izany ny andraikitra omen’ny Tompo antsika, inona no ambaran’io fitsipika io momba ny zavatra hotakian’ny Tompo amintsika amin’ny andron’ny fitsarana?

Fenoy avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny banga mba hamenoana ity fitsipika manaraka ity: Isika dia hataon’ny Tompo amin’ireo andraikitra izay nankininy tamintsika.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no mety hanovan’io fitsipika io ny fomba fihetsitsika manoloana ny antso sy asa ampanaovina ao amin’ny Fiangonana?

    2. Inona avy ireo andraikitrao sasantsasany izay hanaovan’ny Tompo anao ho tompon’andraikitra?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 70:5–18

Nanazava ny fomba hanomezana ny zavatra ilain’ireo izay manompo ao amin’ny Fiangonana amin’ny fotoana feno eo amin’ny ara-batana ny Tompo

Mampianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanan 70:5–18 fa tokony hataon’ireo lehilahy nampiandraiketina ny fitantanan-draharaha misahana ireo fanambarana sy didy ho asa fivelomany ny fanontana printy sy ny fizarana ireo boky avoakan’ny Fiangonana. Amin’izao andro iainantsika izao, dia mahafoy ny asa fivelomany ireo Manam-pahefana Ambonin’ny Fiangonana mba hanompoana amin’ny fotoana feno, noho izany izy ireo dia mandray vola kely —izay ampy mba hiveloman’izy ireo sy ny fianakaviany.

Nahoana no mety amin’ireo mpitarika ny Fiangonana izay antsoina hanompo amin’ny fotoana feno ny mandray valin-kasasarana ho an’ny zavatra ilain’izy ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71

Mampianatra an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny fomba famaliana ny fitsikerana momba ny Fiangonana ny Tompo

Efa nahare fanakianana momba ny Fiangonana ve ianao? Inona no fihetsika tokony haseho amin’ny fitsikerana ny Fiangonana?

Mba hanampiana anao hahatakatra ny zava-nitranga manodidina ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71, dia vakio ity paragrafy manaraka ity. Eo am-pamakianao dia tadiavo ny fomba nanakianana ny Fiangonana sy ny mpitarika azy tamin’ny fotoana nanomezana ity fanambarana ity.

I Ezra Booth dia mpitondra fivavahana Metôdista taloha izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana rehefa niaina fahasitranana. Nandeha tany Missouri izy fony izy misiônera, kanefa diso fanantenana izy rehefa tsy afaka nanatanteraka fahagagana mba handresena lahatra ny hafa ny amin’ny fahamarinana. Fanampin’izany, dia tsy nino Rahalahy Booth fa ny fitondrantenan’i Joseph Smith dia mifanentana amin’ny maha mpaminany azy sy ny maha mpitarika ara-panahy azy. Lasa mpanakiana ny Mpaminany Joseph Smith izy, sy nandao ny Fiangonana ary nanoratra taratasy sivy manakiana ny Fiangonana sy ireo mpitarika azy. Ireo taratasy ireo, izay navoaka tamin’ny gazety antsoina hoe Ohio Star, dia nahatonga ny olona sasany tsy ho tia ny Fiangonana sy ny mpitarika azy. Nitantara ny Mpaminany Joseph Smith fa ny zavatra nosoratan’i Ezra Booth dia “taratasy maromaro, izay nampiseho ny fahalemen’i [Ezra Booth,] sy ny faharatsiany ary ny hadalany, tamin’ny alalan’ny fomba nanoratana azy sy ny fikasany very maina izay zava-poana ihany mba hanongana ny asan’ny Tompo ary nahatonga azy ho tsangambato fahatsiarovana ny fahamenarany izay natao hobanjinin’izao tontolo izao” (ao amin’ny History of the Church, 1:216–17).

I Symonds Ryder, izay mpikambana iray hafa niala tamin’ny Fiangonana, dia nanome tahadikan’ireo fanambarana sasantsasany ho an’ny gazety iray hafa, satria nikasa ny hampihemotra ireo olona naniry ny hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy. Ny fikorontanana nentin’i Ezra Booth sy i Symonds Ryder dia lasa nivadika ho olana mampiahiahy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71:1–4 ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith sy Sidney Rigdon mba hataon’izy ireo entina hampitoniana ny fankahalana naterakin’ireo lahatsoratra tao amin’ny gazety.

Jereo ao amin’ny andininy 1 ny fomba tokony hitorian’i Joseph sy Sidney ny filazantsara. Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ity toromarika ity momba ny famaliana ny fitsikerana ny Fiangonana?

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no azonao atao ankehitriny mba hiomananao hamaly ny fanakianana ny Fiangonana na ny mpitarika azy?

Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71:1: Rehefa manakiana ny Fiangonana ny olona, dia azontsika valiana amin’ny fizarana ireo fahamarinana avy amin’ny soratra masina sy amin’ny fanarahana ny fitarihan’ny Fanahy Masina izany.

Sary
Loholona Robert D. Hales

Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy antsika hamaly ny fanakianana ny Fiangonana: “Rehefa mamaly ny hafa isika, dia ho samy hafa ny toe-java-miseho tsirairay. Soa ihany fa fantatry ny Tompo ny fon’ireo mpanameloka antsika sy ny fomba mahomby indrindra ahafahantsika mamaly azy ireny. Rehefa mikatsaka fitarihana avy amin’ny Fanahy ireo tena mpanara-dia marina an’i Kristy dia mandray fitaomam-panahy izay mifanentana tsara amin’izay mifanehatra aminy izy ireo. Ary amin’ny fifanatrehana rehetra dia mamaly amin’ny fomba izay manasa ny Fanahin’ny Tompo ireo tena mpanara-dia marina” (“Christian Courage: The Price of Discipleship,” Ensign or Liahona, nôv. 2008, 73).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71:5–11 ka tadiavo ny torohevitra sy fampaherezana nomen’ny Tompo ho an’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon rehefa namaly ny fanakianana ny Fiangonana izy ireo. Tadiavo ihany koa ny fampanantenana nomen’ny Tompo azy ireo ao amin’ny andininy 7 sy 10.

Diniho fa ity fanambarana ity dia nitarika mpitarika ny Fiangonana roa—ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon—hihaona amin’ireo izay nanaratsy ny Fiangonana ampahibemaso sy mangingina ary hitady izay hampangaihay ireo olona ireo amin’ny lainga izay naparitany. Amin’ny ankapobeny, izany dia andraikitr’ireo mpitarika ny Fiangonana, raha tsy hoe manome torolalana na manendry olona hafa ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hanao izany. Na izany aza, ny tanoran’ny Fiangonana dia tokony hiomana hamaly ireo lainga momba ny Fiangonana amin’ny fomba izay voalazan’ny Loholona Hales etsy ambony.

Sary
Loholona Robert D. Hales

Nanome torohevitra ihany koa ny Loholona Hales mikasika ny fihetsika manoloana ireo izay manakiana ny Fiangonana na ireo mpitarika azy: “Amin’ny maha-mpanara-dia marina antsika, ny tanjotsika voalohany dia izay hahasoa ny hafa, fa tsy ny fanaporofoantsika fa marina isika. Ny fanontaniana sy ny fitsikerana dia manome antsika fahafahana hanampy ny hafa ary hampiseho aminy fa misy lanjany eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy amintsika izy ireo. Ny tanjona tokony imasoantsika dia ny hanampy azy ireny hahatakatra ny fahamarinana, fa tsy hiaro ny voninahitry ny tenantsika na hampitombo ny isa azo amin’ny ady hevitra teôlôjika. Ny fijoroantsika ho vavolombelona avy amin’ny fo no tena valinteny mahery vaika azontsika omena ireo mpiampanga antsika. Ary ny fijoroana ho vavolombelona toy izany dia tsy azo zaraina afa-tsy amin’ny fitiavana sy amin’ny fahalemem-panahy” (“Fahasahian’ny Kristiana,” 73–74).

Nanaraka ny torohevitry ny Tompo i Sidney Rigdon ka nanasa an’i Ezra Booth hamonjy azy any amin’ny tanànan’i Ravenna, Ohio, izay toerana hifanankalozan’izy ireo hevitra ampahibemaso momba ireo taratasy nalefan’i Ezra tany amin’ilay gazety. Nasain’i Sidney ihany koa i Symonds Ryder mba hanao resaka ampahibemaso momba ny Bokin’i Môrmôna. Samy nandà ilay fanasana avokoa ireo lehilahy ireo. Mbola nanambara ny fahamarinana ihany i Sidney tao Ravenna sy tany amin’ny toeran-kafa.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana ireo fampianarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71:8–9 no mety hampahery ireo izay mamaly ny fanakianana ny Fiangonana?

    2. Araka ny andininy 10, nahoana isika no tokony tsy ho sahiran-tsaina be loatra rehefa misy olona mitsikera ny Fiangonana?

Diniho ny zavatra hataonao mba hiomananao bebe kokoa hamaly ireo fanakianana ny Fiangonana.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69–71 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy