Seminera
Fizarana 9: Andro 1, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36–37


Fizarana 9: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36–37

Fampidirana

Nandeha avy tany Ohio nankany New York niaraka tamin’i Edward Partridge mba hihaona amin’ny Mpaminany Joseph Smith i Sidney Rigdon tamin’ny volana desambra 1830. Na dia vao haingana aza i Sidney no vita batisa dia tsy mbola resy lahatra ny amin’ny fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny kosa i Edward. Taorian’ny fihaonany tamin’ny Mpaminany sy ny firesahany tamin’ireo izay nahafantatra azy dia nangataka ny Mpaminany i Edward ny mba hanaovany batisa azy. Nahazo ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36 i Joseph Smith tany amin’ny fiandohan’ny volana desambra 1830, talohan’ny nanaovana batisa an’i Edward Partridge. Niantso sy nandidy an’i Edward Partridge hitory ny filazantsara ny Tompo tao anatin’izany fanambarana izany.

Nihanitombo ny fanenjehana ny Fiangonana nandritra ireo enim-bolana farany tamin’ny taona 1830. Nahazo ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37 i Joseph tamin’ny volana desambra 1830, izay nandidian’ny Tompo ny Olomasina mba hiala tao New York ka hiangona any Ohio.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:1–3

Mamela ny fahotan’i Edward Partridge ny Tompo ary miantso azy mba hitory ny filazantsara

Mieritrereta momba ny zavatra maromaro izay entin’ny misiônera miaraka aminy mba hanampiana azy ireo hahatontosa ny asany.

Sary
valizy

Misy zavatra sasany izay ilain’ny misiônera alohan’ny ahafahan’izy ireo mitory ny filazantsara am-pahombiazana kanefa tsy afaka atao ao anaty valizy iray. Eo am-pandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36 dia tadiavo ny sasany amin’ireo zavatra izay ilain’ny misiônera iray sy tsy maintsy ataony alohan’ny maha-vonona azy hanao asa fitoriana.

Niantso an’i Edward Partridge mba hanao asa fitoriana ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:1 ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’i Edward Partridge talohan’ny niantsoana azy hitory ny filazantsara.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony hieritreretanao fa manan-danja ho an’ireo rehetra izay voantso hitory ny filazantsara ny mibebaka sy voavela amin’ny fahotan’izy ireo. Saintsaino ny fomba hanampian’izany hoe voadio amin’ny fahotana izany an’i Edward Partridge mba hitory ny filazantsara “tahaka ny feon’ny trompetra” (F&F 36:1).

Vakio izao teny manaraka izao izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asio marika ireo teny na andian-teny izay manampy anao hahatakatra hoe nahoana no manan-danja ho an’ireo izay voantso hitory ny filazantsara ny madio:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Eo amin’ io fifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy io dia tsy afaka ny milalao ho an’ny ekipan’ny mpifanandrina aminareo ianareo isaky ny tonga ny fakam-panahy ary avy eo manantena hilalao ao amin’ny ekipan’ny Mpamonjy amin’ny fotoana hankanesana any amin’ny tempoly sy hanaovana asa fitoriana, toy ireny hoe tsy nisy na inona na inona nitranga ireny. Izany, ry namako kely, dia tsy azonareo atao. Tsy azo vazivaziana Andriamanitra.

“… Amin’ny seha-pifaninanana ara-panatanjahantena rehetra izay fantatro dia saika misy tsipika voafaritra foana eo amin’ny tany na ny kianja izay tsy maintsy hijanonan’ny mpifaninana mba hahafahany manohy mifaninana. Eny, ny Tompo dia nanoritra tsipika izay mamaritra ny fahamendrehana ho an’ ireo voantso hiasa hiaraka Aminy amin’ ity asa ity. Tsy misy misiônera afaka ny tsy hibebaka amin’ireo fandikan-dalana mikasika ny fadiovam-pitondrantena nataony na ny fampiasana teny maniratsira na ny fironana amin’ny pôrnôgrafia ary avy eo hanantena fa afaka ny hanentana ny hafa hibebaka amin’ireo zavatra ireo! Tsy afaka manao izany ianareo. Tsy hiaraka aminareo ny Fanahy ary hanakenda anareo ireo teny eo am-pitenenanareo izany. Tsy afaka hidina any amin’izay nantsoin’i Lehia hoe ‘lalana voarara’ [1 Nefia 8:28] ianareo ka hanantena hitarika ny hafa ho any amin’ilay lalana ‘ety sy tery’ [2 Nefia 31:18], tsy azo atao izany” (Mpandray anjara avokoa isika,” Liahona, nôv. 2011, 45).

Saintsaino hoe mety manao ahoana izany hoe ianao mizara ny filazantsaza amin’ny hafa izany kanefa fantatrao tsara fa tsy niaina ireo fahamarinana izay ampianarinao. Izao dia saintsaino izany hoe mizara ny filazantsara amin’ny hafa sady manana ilay fahatokiana azo avy amin’ny fanadiovana amin’izay mety ho fahadisoana rehetra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izany.

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Ny Loholona Holland dia niresaka momba ny zavatra azonao atao izao mba ho madio amin’ny asa fitoriana ny filazantsara: “Na iza ianareo na iza, na inona na inona nataonareo dia afaka ho voavela heloka ianareo. Ianareo tsirairay … dia afaka manajanona ireo fandikan-dalana izay misakantsakana anareo. Izany no fahagagan’ny famelan-keloka, ilay fahagagan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Kanefa tsy hahavita izany ianareo raha tsy manolo-tena marina amin’ny filazantsara, ary tsy afaka hanao izany raha tsy mibebaka amin’izay ilàna izany. Miangavy anareo aho … mba ho mazoto sy ho madio. Ary raha ilaina dia miangavy anareo aho hiverina ho mazoto ary hiverina ho madio” (“Mpandray anjara avokoa isika,” 45).

Saintsaino izay ilainao atao izao mba ho tonga madio sy hitoetra ho madio.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:2–3 ka tadiavo ny zavatra nampanantenain’ny Tompo fa omeny an’i Edward Partridge alohan’ny hanirahana azy hitory ny filazantsara.

Sary
Filoha Harold B. Lee

Ny Filoha Harold B. Lee dia nanazava ny dikan’ilay andian-teny hoe “hametraka ny tanako aminao amin’ny alalan’ny tanan’ny mpanompoko Aho” izay hita ao amin’ny andininy 2: “Eto ny Tompo dia miteny fa rehefa mametraka ny tanany amin’ny alalan’ny fahefana eo ambony lohan’ny olona iray mba hotsofina rano ny iray amin’ny mpanompony nahazo lalana dia toy ny hoe Izy tenany mihitsy no mametraka ny tanany eo amin’izy ireo mba hanatontosa izany ôrdônansy izany. Koa manomboka mahita ny fomba hampisehoany ny heriny eo anivon’ny olombelona isika amin’ny alalan’ny mpanompony izay nametrahany ireo fanalahidin’ny fahefana” (Be Secure in the Gospel of Jesus Christ, Brigham Young University Speeches of the Year [11 feb. 1958], 6).

Mety hanampy ihany koa ny mahafantatra fa ilay andian-teny hoe “hampianatra anao ireo zavatra mandry fehizay momba ny fanjakana” ao amin’ny andininy 2 dia milaza ny fitaomana sy fitarihana raisintsika avy amin’ny Fanahy Masina rehefa miaina ny filazantsara isika.

Mariho ao amin’ny andininy 3 fa nilaza taminy ny Tompo mba hanao araka ny zavatra nampianarin’ny Fanahy Masina azy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ho an’ireo misiônera ny manana ny Fanahy Masina ho naman’izy ireo? Rehefa avy mamaly ity fanontaniana ity ianao dia azonao atao ihany koa ny manoratra momba ny fotoana iray izay nampianaran’ny Fanahy Masina anao zavatra iray mikasika “ireo zavatra mandry fehizay momba ny fanjakana” (F&F 36:2).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:4–8

Manome didy mikasika ireo izay voantso hitory ny filazantsara ny Tompo

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:4–5, 7. Jereo fa ao amin’ireo andininy ireo dia miresaka amin’ “ireo loholon’ny fiangonany” ny Tompo (F&F 36:7). Eo am-pamakianao izany dia tadiavo ny andraikitra nomen’ny Tompo an’ireo mpihazona ny fisoronana.

Fenoy araka ny zavatra novakianao tao amin’ireo andininy ireo izao fitsipika manaraka izao mikasika ny andraikitr’ireo mpihazona ny fisoronana rehetra ankehitriny: Ireo mpihazona ny fisoronana dia antsoina mba .

Sary
misiônera eo am-baravaran’ny tokantrano iray
Sary
Filoha Thomas S. Monson

Naneho hevitra momba ity fitsipika ity ny Filoha Thomas S. Monson: “Mamerina izay efa nampianarin’ireo mpaminany hatry ny ela aho—fa ny zatovolahy rehetra izay mendrika sy afaka ara-batana sy ara-tsaina dia tokony hiomana hanao asa fitoriana. Ny asa fitoriana dia andraikitry ny fisoronana—adidy izay andrasan’ny Tompo amintsika izay tena nomena be dia be” (Eto am-pihaonana indray isika izao,” Liahona, nôv. 2010, 5).

Miara-miasa amin’ireo zatovolahy sy zatovovavy ireo eveka sy filohan’ny sampana mba hamaritana ny fahamendrehan’izy ireo sy ny fahafahany manompo ny Tompo amin’ny maha-misiônera amin’ny fotoana feno. Mety tsy afaka ho tonga misiônera amin’ny fotoana feno ireo zatovolahy sasany noho ny olana ara-pahasalamana na kilema. Na izany aza, raha izany no mitranga dia tsy maintsy mihazona ny fahamendrehany izy ireo ka manomana ny tenany hanompo ny Tompo amin’ny fomba hafa.

Avereno vakiana nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:5, 7 hahitana ny zavatra ilain’ireo mpihazona ny fisoronana atao alohan’ny hanokanana azy ireo sy hanirahana azy ireo hitory ny filazantsara.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Ahoana no ahafahan’ny zatovolahy iray mampiseho fa mihanoka ny didin’ny Tompo mba hitory ny filazantsara izy?

Na dia adidin’ny fisoronana aza ny fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno dia afaka manompo ihany koa ireo zatovovavy. Hoy ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Teny kely ho anareo ry zatovovavy: na dia tsy manana andraikitra mitovy amin’ny ao amin’ny fisoronana tahaka ny anananan’ireo zatovolahy mba hanompo ho mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno aza ianareo, dia afaka mandray anjara lehibe amin’ny maha-mpitory anareo koa ianareo, ary mandray anareo an-tanan-droa amin’izany asa izany izahay” (“Eo Am-pihaonana Indray Isika Izao,” 6).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:6 ka tadiavo ny hafatra handidian’ny Tompo ny misiônerany mba hampianarin’izy ireo. Ilay andian-teny hoe “fitafiana voapentina tamin’ny nofo” dia entina hilazana ny fitafiana izay misy aretina. Tao Isiraely fahiny dia nodorana ny fitafiana toy izany mba hialana amin’ny fiparitahan’ny aretina. Ao amin’ny andininy 6 dia mampitaha ny aretina amin’ny fahotana ny Tompo ka mandidy antsika hiala amin’izay rehetra mifandray amin’ny fahotana.

Inona no ifandraisan’ilay hafatra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:6 fa ny misiônera dia natao hitory fibebahana amin’ny teny nataon’ny Loholona Holland tany amin’ny fiandohan’ity lesona ity momba ny hoe tsy maintsy miomana ny misiônera?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:8 ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’i Edward Partridge tany amin’ny fiafaran’ity fanambarana ity.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37

Nandidy ny Fiangonany mba hivondrona tao Ohio ny Tompo

Nitombo hatrany ny fanenjehana ireo Olomasina tany New York nandritra ny volana maro ka hatramin’ny fotoana nanaovan’i Edward Partridge dia hihaonana amin’i Joseph Smith. Tany amin’ny faramparan’ny volana desambra 1830, herinandro vitsivitsy taorian’ny nahatongavan’i Sidney Rigdon sy i Edward Partridge tany New York dia nahazo fanambarana ny Mpaminany Joseph Smith izay nandidian’ny Tompo ny Olomasina mba handeha any Ohio.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37:1–4 ka tadiavo ireo fiomanana tian’ny Tompo ataon’ny Mpaminany talohan’ny nandehanany tany Ohio. Mariho ao amin’ny andininy 2 ny antony nilazan’ny Tompo an’i Joseph Smith mba handeha ka hampatanjaka ireo mpikambana tany Colesville, New York.

Inona no fitsipika azontsika ianarana momba ny vavaka avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fitsipika iray momba ny vavaka izay nianaranao avy tamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37:2. Hazavao ihany koa ny zavatra hataonao mba hampiharana izany fitsipika izany.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36–37 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy