Seminera
Fizarana 27: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127; 128:1–11


Fizarana 27: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127; 128:1–11

Fampidirana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127 dia mirakitra taratasy iray avy amin’ny Mpaminany Joseph Smith izay nosoratany tamin’ny 1 septambra 1842, izay mampianatra ireo Olomasina hirakitra an-tsoratra ireo batisa notanterahain’izy ireo ho an’ny maty. Sahabo ho herinandro taorian’izay dia nanoratra taratasy hafa mikasika ny batisa ho an’ny maty i Joseph. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128 dia mirakitra io taratasy io, izay mampianatra ny antony hiraketantsika an-tsoratra an’ireo ôrdônansin’ny famonjena izay tanterahina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:1–4

Mirehareha amin’ny fanenjehana sy ny fahoriana i Joseph Smith

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:1, mba hitadiavana ny fahoriana niainan’ny Mpaminany Joseph Smith tao Nauvoo, Illinois, tamin’ny taona 1842.

Tamin’ny volana mey 1842 i Lilburn W. Boggs, ilay governoran’i Missouri teo aloha izay namoaka ilay didy fandringanana an’ireo Olomasina dia noratran’ny olon-tsy fantatra. Nampangain’ireo manampahefana tao Missouri i ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny fibaikoana olona hamono an’i Boggs ka niezaka ny hitondra ny Mpaminany hiverina tany Missouri izy ireo mba hotsaraina. Nandao an’i Missouri i Joseph Smith taona maro talohan’izay ary nipetraka tany amin’ny faritr’i Nauvoo, Illinois, tamin’izany fotoana izany. Noho ny fahafantarana fa ho faty izy raha niverina tany Missouri dia niafina an’ireo manampahefana avy any Missouri nandritra ny fotoana iray ny Mpaminany mba hialana amin’ny fisamborana tsy ara-dalàna. Tamin’ny volana janoary 1843 dia voafaritra fa tsy ara-dalàna ny fisamborana an’i Joseph Smith sy ny fitondrana azy tany Missouri.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127 dia taratasy nosoratan’i Joseph Smith tamin’ny 1 septambra 1842 ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny fotoana nifindrany monina mba hialana tamin’ny fisamborana tsy ara-dalàna nataon’ireo manampahefana avy any Missouri. Novakina tamin’ireo Olomasina tao Nauvoo io taratasy io andro vitsivitsy taty aoriana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:2, mba hitadiavana ny fihetsika nasetrin’i Joseph an’ireo fahoriana. Rehefa mamaky izany ianao dia mety hanampy ny mahafantatra fa ny teny hoe fahita dia midika hoe fahazarana amin’ny zavatra iray.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nanao ahoana ny fihetsika nasehon’i Joseph Smith tamin’ireo fahoriana?

    2. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’izany manampy antsika?

Azontsika ianarana avy amin’ny zavatra nosoratan’ny Mpaminany ho an’ireo Olomasina fa ny fahatokiana ny Ray any An-danitra dia afaka manampy antsika hiaritra ny fahoriana. Avereno jerena ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:2, ary asio marika ireo teny na andian-teny mampianatra io fahamarinana io.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny anaran’ny olona iray fantatrao (na nahafantatra olona) izay afaka niaritra fahoriana satria natoky ny Ray any An-danitra izy. Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fatokiana ny Ray any An-danitra an’io olona io naharitra fahoriana?

Sary
zatovovavy iray mivavaka

Nanome toky ny Olomasina ny Mpaminany Joseph fa afaka miravoravo fatratra izy ireo satria “Andriamanitr’i Isiraely no Andriamaniny” (F&F 127:3). Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:4, mba hitadiavana ny zavatra nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay miaritra fanenjehana.

Saintsaino ny finoan’ireo Olomasina izay nanohy nanangana ny Tempolin’i Nauvoo na dia efa notandindomin-doza tamin’ny fanenjehana aza izy ireo. Inona no fiantraikan’ny ny ohatra asehon’izy ireo eo aminao rehefa miatrika olana sarotra ianao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:5–12

Nanoro hevitra ireo Olomasina ny Mpaminany Joseph Smith mba hitana rakitsoratra ho an’ny batisa izay ataon’izy ireo ho an’ny maty

Tadidio fa herintaona sy tapany talohan’ny nanoratan’i Joseph Smith an’ilay taratasy izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127 amin’izao fotoana izao dia nilaza tamin’ireo Olomasina ny Tompo fa tokony hotanterahina ao amin’ny tempoly ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty (jereo ny F&F 124:30). Kanefa ny Tompo dia namela ny Olomasina hanatanteraka ny batisa ho an’ny maty tao amin’ny renirano sy ireo riana manodidina mandra-pahavonona ny toerana fanaovana batisa tao amin’ny tempoly. Raha vantany vao vonona ny toerana iray fanaovana batisa dia tsy nekena ny fanaovana batisa ho an’ny maty raha tsy tao amin’ny tempoly ihany. Nanomboka nanatanteraka batisa ho an’ny maty tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo ny Olomasina tamin’ny nôvambra 1841.

Sary
karatra fasiana anarana any amin’ny tempoly

Efa afaka nandeha tany amin’ny tempoly ve ianao dia nanatanteraka batisa ho an’ny maty? Raha izay no izy dia efa nahatsikaritra ve ianao hoe nisy olona nipetraka teo akaikin’ny toerana fanaovana batisa?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:5–9, mba hitadiavana ny olona izay tokony hanatrika rehefa misy ny fanatanterahana batisa ho an’ny maty.

Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 7, dia nahoana no zava-dehibe ny hahitan’ny mpirakitra an-tsoratra mivantana ireo batisa atao?

Ankoatra ny ilana mpirakitra an-tsoratra dia afaka mianatra avy amin’ny andininy 7 koa isika fa ireo Ordônansin’ny tempoly izay tanterahantsika eto an-tany dia fehezina any an-danitra. Azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra an’i Fotopampianarana io. Ny hoe voafehy any an-danitra dia midika hoe manan-kery eo anatrehan’ny Ray any An-danitra ireo ôrdônansy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Toy ny ahoana ny fiantraikan’io Fotopampianarana io eo aminao rehefa mandray anjara amin’ireo ôrdônansy ho an’ny maty ianao?

Ianarantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:10–12 fa naniry ny hampianatra an’ireo Olomasina bebe kokoa momba ny batisa ho an’ny maty i Joseph Smith saingy tsy afaka nanao izany izy satria niafina. Nampanantena izy fa hanoratra taratasy fanampiny momba ny batisa ho an’ny maty sy momba ny zava-dehibe hafa ho an’ireo Olomasina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:1–11

Nanazava ny antony itanantsika ny rakitsoratr’ireo ôrdônansin’ny famonjena i Joseph Smith

Tokony ho herinandro taorian’ny nanoratany ilay taratasy voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127 no nanoratan’ny Mpaminany Joseph Smith taratasy anankiray hafa ho an’ireo Olomasina momba ny batisa ho an’ny maty. Hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128 ny votoatin’io taratasy io.

Nampianatra i Joseph Smith ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:1–5 fa tokony hotendrena ny mpitam-boky eo an-toerana mba ho vavolombelona sy hirakitra ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty. Nampianatra ihany koa izy fa tokony hotendrena ny mpitam-bokim-piangonana tompon-toerana mba hanangona ireo rakitsoratra eo an-toerana ho ao amin’ny rakitsoratra ankapoben’ ny fiangonana.

Efa nahita pasipaoro ve ianao? Inona avy ireo karazana tombontsoa ananan’ny olona iray manana pasipaoro? Nahoana no tsy hamela anao ho afaka hiditra ao amin’ny firenena hafa ny pasipaoron’ny olona iray hafa? Inona no mety hitranga raha niezaka niditra tao amin’ny firenena hafa ianao kanefa tsy feno ny zavatra mombamomba anao ao anatin’ilay pasipaoronao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:6–7, mba hitadiavana izay rakitsoratra ho ampiasaina mba hamantarana raha toa isika ka mendrika ny hiditra eo anatrehan’ Andriamanitra na tsia. Jereo fa nanonona rakitsoratra mihoatra ny iray ny Apôstôly Jaona sy ny Mpaminany Joseph Smith. Noresahan’izy ireo “ireo boky novelarina; ary … boky iray hafa, … dia ny bokin’ny fiainana izany” (F&F 128:6; jereo koa ny Apokalypsy 20:12). Ny boky voalohany noresahan’i Jaona dia ireo rakitsoratra notanana teto an-tany, ary ilay bokin’ny fiainana dia ilay rakitsoratra notanana tany an-danitra. Mirakitra an-tsoratra ny asantsika ireo boky ireo.

Tahaka ny ilàn’ny olona iray ny hiraketana ny mombamomba azy manokana ao anatin’ny pasipaorony mba hahafahany mandeha ao amin’ny firenena hafa, dia mila ny mombamomba antsika manokana ho voarakitra ao amin’ireo boky ireo isika mba hahafahantsika miditra ho eo anatrehan’ Andriamanitra.

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Na olom-pirenena avy aiza ianao na na inona no firazananao, na lahy na vavy, na inona na inona asanao, na inona na inona ny fianarana vitanao, na taranaka fahafiry no misy anao, dia dia mitodi-doha any an-trano ny fiainana ho antsika rehetra, izay miverina ho eo anatrehan’ Andriamanitra ao amin’ny fanjakana selestialiny.

“Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana no lasa fepetra takina mba hahatongavantsika eo anatrehany. Ny fandraisana azy ireo amim-pahamendrehana no zavatra katsahina mandritra ny fiainana ary ny fanajana azy ireo aorian’izany no fanamby eto amin’ny fiainana” (“Covenants,” Ensign, mey 1987, 24).

Asio marika ny andian-teny hoe “na inona na inona fehezinareo ety an-tany dia hofehezinareo any an-danitra” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:8. Dia vakio indray avy eo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:8 mba hitadiavana “lafiny hafa [amin’ny] dika teny” izay nomen’i Joseph Smith mikasika io teny nambara io. Azonao atao ihany koa ny manisy marika izany andian-teny izany.

Rehefa mamaky ny andininy 8 ianao dia mety hanampy ny mahafantatra fa ny hoe izy tenany mihitsy dia midika hoe manao zavatra amin’ny alalan’ny tena ary entina ilazana ireo olona izay atao batisa ho an’ny tenany. Ilay andian-teny hoe “solontenany” dia entina ilazana ireo olona izay tsy afaka mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena an’ny batisa mandritra ny fiainana an-tany ka mila solontena—olona hafa—hatao batisa ho azy ireo.

Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:8, dia inona ireo zavatra roa mila mitranga mba hahavoafehy ireo ôrdônansy eto ambonin’ny tany sy any an-danitra? Mba hamaliana io fanontaniana io dia fenoy ny banga ao amin’ity Fotopampianarana manaraka ity: Rehefa tanterahina amin’ny alalan’ny fisoronana ny ôrdônansy iray ka misy marina voatana, dia voafehy ety an-tany sy any an-danitra ilay ôrdônansy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe voafehy any an-danitra ny ôrdônansy iray?

    2. Inona no tsapanao rehefa mieritreritra fa mitondra fitahiana ho an’ireo olona any amin’ny tontolon’ny fanahy ny fandraisanao anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:9, mba hitadiavana ny zavatra nolazain’i Joseph Smith mikasika io fitsipika io.

Iray amin’ireo zavatra ianarantsika ao amin’ny andininy 9 ny hoe ny Tompo tao anatin’ny fotoampitantanana tsirairay an’ny fisoronana dia nanome fahefana ny iray tamin’ireo mpanompony farafahakeliny mba hihazona sy hampiasa ny fanalahidin’ny famehezana an’ny fisoronana.

Sary
fianakaviana vao herotrerony eo anoloan’ny Tempolin’i Provo Utah

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:10–11, mba hitadiavana ny zavatra nomen’ny Mpamonjy an’i Petera.

Tahaka ny nanomezan’ny Mpamonjy ny fanalahidin’ny famehezan’ny fisoronana tamin’i Petera ihany no nanomezany an’ilay fanalahidy indray amin’izao androntsika ireo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no zava-dehibe ny hanaovana ireo ôrdônansy, tahaka ny batisa ho an’ny maty, amin’ny alalan’ny fahefana marina?

    2. Inona no ho ataonao noho ny zavatra nianaranao androany?

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127; 128:1–11 aho ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy