Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny Fotopampianarana Fototra


Fampahafantarana ny Fotopampianarana Fototra

Ireto Fotopampianarana Fototra manaraka ireto dia tokony hantitranterina ao amin’ny seminera:

  • Ny Andriamanitra

  • Drafitry ny famonjena

  • Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

  • Fotoampitantanana, Apôstazia ary Famerenana amin’ny laoniny

  • Mpaminany sy fanambarana

  • Fisoronana sy fanalahidin’ny fisoronana

  • Ôrdônansy sy Fanekempihavanana

  • Fanambadiana sy fianakaviana

  • Ireo Didy

Ny mpampianatra dia tokony hanampy ireo mpianatra hamantatra, sy hahatakatra, sy hino, sy hanazava ary hampihatra ireo fotopampianarana fototry ny filazantsara ireo rehefa mandalina ny soratra masina izy ireo. Hanampy ireo mpianatra hampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona sy hampitombo ny fitiavany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ny fanaovana izany. Hanampy ihany koa ireo mpianatra ho vonona kokoa hiaina ny filazantsara sy hampianatra ireo fahamarinana manan-danja ireo amin’ny hafa ny fianarana ireo Fotopampianarana Fototra ireo. Ireo lesona ato anatin’ity boky torolalana ity dia novolavolaina tamin’ny fananana ireo Fotopampianarana Fototra ireo ao an-tsaina. Zava-dehibe ny mahafantatra fa misy fotopampianaran’ny filazantsara manan-danja hafa ihany koa hifantohana ato amin’ity boky torolalana ity, na dia tsy voatanisa ho anisan’ny Fotopampianarana Fototra aza izy ireny.

Hitranga ny fampianarana fotopampianarana fototry ny filazantsara rehefa mandalina ny soratra masina isan’andro miaraka amin’ireo mpianatra ianao, sy rehefa manampy azy ireo hifehy ireo andinin-tsoratra masina manan-danja. Tsy tokony hiala amin’ny fandalinana soratra masina misesy ianao ka hoe hifantoka amin’ireo fotopampianarana ireo fotsiny. Fa tokony kosa hanantitrantitra azy ireo rehefa mipoitra ho azy amin’ny lesona mandritra ny fandalinana izy ireo, sy rehefa manampy ireo mpianatra ianao hifehy andinin-tsoratra masina manan-danja. Ohatra, rehefa mampianatra ilay fahamarinana hoe “mampitandrina amin’ny fahotana ireo mpaminany ary mampianatra ny famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy” ao amin’ny 1 Nefia 1, dia azonao atao ny manamarika amin’ireo mpianatra fa io fahamarinana io dia afaka manampy azy ireo hahatakatra ilay Fotopampianarana Fototra mikasika ny “mpaminany sy fanambarana.” Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hanazava izay zavatra hafa fantatr’izy ireo mikasika ny mpaminany sy ny fanambarana. Rehefa mianatra ilay andinin-tsoratra masina fehezina 2 Nefia 25:23, 26 ihany koa ireo mpianatra dia azonao atao ny manampy azy ireo hahita fa io andininy io dia maneho fomba iray izay hanatanterahan’ireo mpaminany ny andraikiny hoe mampianatra famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Ny fitomboana eo amin’ny fahatakarana, sy ny finoana, ary ny fiainana ireo Fotopampianarana Fototra dia dingana maharitra iray izay lalovana mandritra ireo efa-taona ao amin’ny seminera, ary mitohy mandritra ny androm-piainan’ireo mpianatra.

Azonao atao ny manome ny lisitr’ireo Fotopampianarana Fototra ho an’ireo mpianatra.

Fitsapam-pahaizana momba ireo Fotopampianarana Fototra

Nisy Fitsapam-pahaizana momba ireo Fotopampianarana Fototra izay novolavolaina mba hanomezana fampahalalana ho an’ireo mpampianatra izay azon’izy ireo ampiasaina mba hitahiana misimisy kokoa ny fiainan’ireo mpianany. Mitaona ireo mpampianatra izahay mba hampiasa io Fitsapam-pahaizana io mandritra ny herinandro voalohany hisian’ny kilasy ary any amin’ny faramparan’ny taom-pianarana indray avy eo. Mba hahitana ilay Fitsapam-pahaizana momba ireo Fotopampianarana Fototra sy ny fanombantombanana hafa ao amin’ny tranonkalan’ny S&I (si.lds.org), dia tadiavo izany amin’ny alalan’ny fampiasana ny teny hoe assessment.

Ireo mpampianatra izay mandefa ny tomban’ezak’ireo mpianatra any amin’ny S&I Office of Research (na biraon’ny S&I ho an’ny fikarohana) dia hahazo tatitra izay hanampy azy ireo hampifanaraka ny fampianarany amin’ny zavatra ilain’ireo mpianany. Ohatra, raha toa ny vokatra ka manambara fa tsy takatr’ireo mpianatra ny fotopampianaran’ny fibebahana, dia lesona maro ao amin’ny fandaharam-pampianarana isan-taona no avohitra mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsara kokoa io fotopampianarana io. Raha mampiasa io fanampim-pahalalana io amim-bavaka ireo mpampianatra eo amin’ny fizotran’ny fampianaran’izy ireo soratra masina misesy, dia ho vonona kokoa ireo zatovontsika sy tanorantsika hanatratra ny Tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara.

Hamoaka printy