Tahirim-pitaovana
Lesona 146: Etera 4–5


Lesona 146

Etera 4–5

Fampidirana

Nodidian’ny Tompo hanisy kase ilay fahitan’ny rahalahin’i Jareda voarakitra an-tsoratra i Môrônia ary koa nanazava fa ho ambara ireo rakitsoratra ireo rehefa manana finoana tahaka ny nananan’ny rahalahin’i Jareda ny vahoaka. Naminany i Môrônia fa hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany ny vavolombelona telo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Etera 4:1–7

Nirakitra sy nanisy kase ny tantara rehetra tamin’ny fahitana voarain’ny rahalahin’i Jareda i Môrônia

Asao hieritreritra zavatra iray izay tena sarobidy aminy na amin’ny fianakaviany ireo mpianatra izay tian’izy ireo tsy ho takatra sy kasihin’ny ankizy madinika. Azonao atao ohatra ny mampiseho na milaza zavatra izay sarobidy eo imasonao.

  • Nahoana no tsy tianao ho hazonin’ny ankizy ny zavatra toy izany?

  • Inona no zavatra mila ianaran’ny ankizy iray na ataony alohan’ny hahatokisanao azy amin’izany zavatra izany?

Hazavao fa sarobidy amin’ny Tompo ireo fahamarinan’ny filazantsara. Tiany ny hizara azy rehetra amintsika, kanefa miandry Izy mandra-pahavonona antsika handray azy ireo. Entano hikaroka ireo fitsipika izay afaka hanampy azy ireo handray fahamarinana avy amin’ny Tompo ireo mpianatra eo am-pandalinana ny Etera 4 mandritra ity lesona ity.

Asao hamaky mafy ny Etera 4:1–5 ny mpianatra iray, ary asaivo karohin’ny mpianatra ny zavatra nandidian’ny Tompo an’i Môrônia mba horaketiny sy hasiany kase.

  • Inona no nodidiana mba ho “asian’[i Môrônia] kase”?

Hazavao fa nampidirin’i Môrônia niaraka amin’ilay antsoina hoe ampahany nasiana kase an’ny Bokin’i Môrmôna ny rakitsoratry ny rahalahin’i Jareda. (Azonao aseho ilay tabilao mitondra ny lohateny hoe Loharanon’ny Bokin’i Môrmôna, izay hita ao amin’ny fanoroam-pejy amin’ny faran’ity boky fampianarana ity.)

  • Ahoana no namaritan’i Môrônia ny zavatra hitan’ny rahalahin’i Jareda? (Jereo ny Etera 4:4.)

Mba hanampiana ireo mpianatra handalina bebe kokoa momba ny zavatra nasehon’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda dia asao izy ireo hamaky am-pahanginana ny Etera 3:25–26 sy 2 Nefia 27:8–10. Dia mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Etera 3:25–26, inona ny zavatra nasehon’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 2 Nefia 27:10, inona no zavatra voarakitra ao amin’ny ampahany voaisy kase an’ny Bokin’i Môrmôna?

Asao hamaky mafy ny Etera 4:6–7 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hijery ny toe-javatra izay tsy maintsy misy alohan’ny nampahafantarana ireo fanambarana nomena ny rahalahin’i Jareda. Toroy hevitra mba hanisy marika ny zavatra hitany ao amin’ny soratra masina ireo mpianatra.

  • Inona ireo toe-javatra hitanareo?

  • Inona no azontsika ianarana mikasika ireo fitsipika amin’ny fandraisana fanambarana avy amin’ity andinin-tsoratra masina ity? (Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa rehefa mibebeka sy mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mandray fanambarana fanampiny.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no mila mibebaka sy tonga ho madio isika mba hahafahana mandray fanambarana fanampiny?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe “mampihatra finoana … tahaka ny nataon’ny rahalahin’i Jareda” (Etera 4:7), dia asaivo manao lisitra ao amin’ny kahieny na diary fandalinana soratra masina ireo fomba maro araka izay tsaroan’izy ireo fa naneho ny finoana ny Tompo ny rahalahin’i Jareda. Toroy hevitra izy ireo mba hamerina hijery ny Etera 1–3 eo am-panaovany ny lisitra. Rehefa avy naka fotoana ampy nisaintsainana sy nanoratana izy ireo dia manasà mpianatra vitsivitsy hamaky ny sasantsasany amin’ireo ohatra notanisainy ary hanazava hoe nahoana no nanaitra azy ireo izany ohatra izany.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra ilay zavatra sarobidy noeritreretin’izy ireo tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana sy ny toe-javatra izay hahafahan’izy ireo hahatoky ny hihazonan’ny zaza iray izany zavatra izany. Ijoroy ho vavolombelona fa toy izany koa, ny Tompo dia mitaky amin’ny zanany toe-panahy maromaro alohan’ny hanambarany ny fahamarinany rehetra amin’izy ireo. Mitaky amintsika haneho fahavononana ara-panahy sy finoana Izy.

Etera 4:8–19

Mampianatra ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handraisana fanambarana bebe kokoa ny Tompo

Hazony ambony ny ampahan-damba iray. Hazavao fa nampianatra fitsipika izay afaka hanampy antsika handray fanambarana ny Tompo. Fony Izy nampianatra ireo fitsipika ireo dia niresaka momba ny voaly iray Izy. Ny voaly dia tapa-damba izay ampiasaina mba hanaronana na hanafenana zavatra iray.

Asao hamaky am-pahanginana ny Etera 4:15 ireo mpianatra ary hikaroka ny andian-teny izay ahitana ny teny hoe: voaly.

  • Karazan’ny voaly manao ahoana no resahin’ny Tompo? (Ny “voalin’ny tsy finoana.”) Nahoana no toy ny voaly ny tsy finoana?

  • Ny teny hoe manatritra dia midika ho mandrovitra na mizara. Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe “hotriarina [ny] voalin’ny tsy finoana”?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Etera 4:8, iray hafa hamaky mafy ny Etera 4:11, ary iray hafa hamaky mafy ny Etera 4:15. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra mety hanakana azy ireo amin’ny fandraisana fanambarana sy ny zavatra afaka hanampy azy ireo “[hanatritra] [ny] voalin’ny tsy finoana” ary handray fanambarana bebe kokoa.

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “[m]ifanditra amin’ny tenin’ny Tompo”? (Etera 4:8).

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Etera 4:8, inona ireo voka-dratsy atrehintsika rehefa mifanditra amin’ny tenin’ny Tompo isika?

  • Araka ny voalazan’ny Etera 4:11, inona ny iray amin’ireo fitahiana izay raisintsika rehefa mino ny tenin’ny Tompo isika?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezanteny tsy feno manaraka ity:

Rehefa mino ny tenin’ny Tompo isika, …

Asaivo fenoin’ireo mpianatra araka ny zavatra nianarany tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ny tsy feno amin’ity fehezanteny ity. Na dia mety ho maro karazany aza ny valintenin’ireo mpianatra dia ataovy takatr’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mino ny tenin’ny Tompo isika, dia hitahy antsika amin’ny fanambarana bebe kokoa ny Tompo. Soraty eo amin’ny solaitrabe izany fitsipika izany. Azonao atao koa ny mamporisika ireo mpianatra hanoratra izany ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Etera 4:11.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ity fitsipika ity dia apetraho izao fanontaniana izao:

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no mila mino ireo fahamarinana izay efa noraisintsika isika alohan’ny hanomezan’ny Tompo bebe kokoa antsika?

Asaivo soratan’ny mpianatra iray eo amin’ny solaitrabe ireto ohatra amin’ny fampiharana ny finoana amin’ny tenin’ny Tompo manaraka ireto: fandalinana soratra masina ataon’ny tena manokana; fanarahana ny bitsiky ny Fanahy Masina; fanarahana ireo mpitondra ny Fiangonana eo an-toerana; fandalinana ny soratra masina any am-piangonana sy any amin’ny seminera; fanarahana ireo tenin’ny mpaminanin’ny andro farany.

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba nitarihan’ny fanehoana ny finoana amin’ny tenin’ny Tompo araka ny iray amin’ireo fomba handraisan’izy ireo fanambarana bebe kokoa. Entano ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra efa niainan’izy ireo.

Avereno jerena indray ireo ohatra voasoratra eo amin’ny solaitrabe. Asaivo mieritreritra ireo ohatra ireo ny mpianatra eo am-pisaintsainana am-pahanginana hoe manao ahoana ny fanehoan’izy ireo ny finoany amin’ny tenin’Andriamanitra. Ho an’ny ohatra tsirairay, asaivo tombantombanan’izy ireo ny tenany amin’ny tarehimarika 1 ka hatramin’ny 10. Ny dikan’ny tarehimarika 10 dia milaza ny ohatra izay tena ataony tsara. Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny kahieny na diary fandalinana soratra masina mikasika ny fomba iray izay ahafahan’izy ireo maneho finoana bebe kokoa avy amin’ny fitarihana izay noraisin’izy ireo avy amin’ny Tompo. Mizarà fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fitsipika izay nosoratanao teo amin’ny solaitrabe ary entano ireo mpianatra hanohy hanatratra ireo tanjona nosoratany.

Fafao eo amin’ny solaitrabe ilay andian-teny hoe “mino ny tenin’ny Tompo.” Mariho fa nampianatra fitsipika fanampiny mikasika ny fandraisana fanambarana ny Tompo. Asaivo vakian’ireo mpianatra am-pahanginana ny Etera 4:13–15 mba hikarohany ireo zavatra hafa azon’izy ireo atao mba handraisana fanambarana avy amin’ny Tompo.

Rehefa avy nanokana fotoana hamakiana ireo mpianatra dia asaivo manolotra fomba avy eo mba hamenoana ny banga amin’ilay fehezanteny. Mety ahitana ireto fitsipika manaraka ireto ny valintenin’izy ireo: Rehefa manatona ny Tompo isika, dia hitahy antsika amin’ny fanambarana bebe kokoa ny Tompo. Hitahy antsika amin’ny fanambarana bebe kokoa ny Tompo rehefa mivavaka amim-panetren-tena isika.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsaratsara kokoa ireo fitsipika ireo dia ametraho ireto fanontaniana manaraka ireto izy ireo:

  • Midika inona aminareo izany hoe manatona ny Tompo izany? (Mety ho toy izao ny valintenin’izy ireo: mandalina ny Teniny, manolotra ny fontsika Aminy, mibebeka, ary fanarahana sy fankatoavana Azy.)

  • Inona no dikan’ny hoe manana fo torotoro sy fanahy manenina? (Manetry tena, mibebaka ary manaiky ny sitrapon’ny Tompo.) Nahoana no ilaina ny fananana toetra tahaka izany eo am-pivavahana ny handray fanambarana mitohy avy amin’ny Tompo?

Asao hisaintsaina ny fomba mety hampidirany ireo fitsipika ireo amin’ny ezaka ataony mba handraisany fanambarana ireo mpianatra.

Fintino ny Etera 4:17–19 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanambara ny Tompo fa ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna dia ho famantarana fa nanomboka ny asan’Andriamanitra amin’ny andro farany. Nanentana ny olon-drehetra mba hibebaka sy hanatona Azy koa Izy.

Etera 5

Manambara i Môrônia fa hahita sy hijoro ho vavolombelona ny amin’ireo takelaka ireo vavolombelona telo

Hazony ambony ny sary mitondra ny lohateny hoe I Joseph Smith eo am-pandikana ny Bokin’i Môrmôna (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 92). Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Etera 5:1–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary haka sary an-tsaina ny zavatra mety ho tsapan’i Joseph Smith teo am-pandikana ny Bokin’i Môrmôna ary hahatakatra fa ity torohevitra ity dia nosoratana mivantana ho azy tamin’ny alalan’i Môrônia efa ho 1.400 taona mahery tany aloha tany.

I Joseph Smith eo am-pandikana ny Bokin’i Môrmôna
  • Inona no zavatra nolazain’i Môrônia momba ireo takelaka izay “nasia[ny] kase”?

  • Araka ny voalazan’ny Etera 5:2–3, inona no zavatra miavaka ho ataon’i Joseph amin’ireo takelaka ireo?

Anontanio ireo mpianatra raha afaka milaza ny anaran’ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna izy ireo ary hitantara ny zavatra niainan’izy ireo. (Raha mila fanampiana ireo mpianatra dia asaivo mamaky ny “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo” any am-piandohan’ny Bokin’i Môrmôna.) Azonao atao ny manazava fa ho fanampin’ireo Vavolombelona Telo dia nisy hafa koa nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fisian’ireo takela-bolamena, isan’izany ny ao amin’Ny Andriamanitra (jereo ny Etera 5:4), Môrônia (jereo ny Etera 5:6), Joseph Smith, sy ireo Vavolombelona Valo.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahanareo ho tonga vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna, na dia tsy nahita ireo takelaka aza? Amin’ny fomba ahoana no hisarihan’ny fijoroana ho vavolombelona anananareo amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo olon-kafa?

Mba hamaranana ity lesona ity dia mangataha mpianatra vitsivitsy hizara ny fijoroany ho vavolombelona ny amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Etera 5. Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo

Nanambara ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

“Nandray fanamafisana mivantana amin’ny fijoroana ho vavolombelona mahatalanjon’ny Vavolombelona Telo momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna aho fony mbola zazalahy kely mpihazona ny Fisoronana Aharôna. Ny Filoha Henry D. Moyle no filohan’ny tsatòkako, ary i James H. Moyle no rainy. Mandritra ny fotoam-pahavaratra dia mitsidika ny fianakaviako Rahalahy James H. Moyle, ary miara-mivavaka aminay ao amin’ilay paroasy kelinay tao atsimo atsinanan’ny Lohasahan’i Salt Lake.

“Indray Alahady dia nizara traikefa miavaka taminay ny Rahalahy James H. Moyle. Fony izy zatovolahy dia nandrato fianarana tany amin’ny Oniversiten’i Michigan mba handalina lalàna. Teo am-pamaranany ny fianarany izy no nolazain-drainy fa i David Whitmer, izay iray amin’ireo vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna dia mbola velona. Nanoro hevitra azy ny rainy mba hijanonany ao Salt Lake City rehefa miverina ary hitsidika sy hihaona mivantana amin’i David Whitmer. Ny tanjon’ny rahalahy Moyle dia ny hanontany azy mikasika ny fijoroany ho vavolombelona mahakasika ireo takela-bolamena sy ny Bokin’i Môrmôna.

“Nandritra izany fitsidihana izany dia hoy ny Rahalahy Moyle tamin’i David Whitmer: ‘Andriamatoa, lehilahy lehibe ianao ary izaho kosa zatovolahy. Nandalina mikasika ireo vavolombelona sy tenivavolombelona aho. Mba lazao amiko ny marina mikasika ny fijoroanao ho vavolombelona amin’ny maha-iray amin’ireo vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna anao.’ Nanambara zavatra toy izao tamin’ilay zatovolahy i David Whitmer: ‘Eny, nihazona teny an-tanako ireo takela-bolamena aho ary nasehon’ny anjely taminay izy ireo. Marina ny teny vavolombeloko momba ny Bokin’i Môrmôna.’ Niala ny Fiangonana i David Whitmer, saingy tsy nandà na oviana na oviana ny fijoroany ho vavolombelona mahakasina ny fitsidihan’ny anjely izy, na ny fihazonany ireo takela-bolamena na ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Ny fandrenesan’ny sofiko izany traikefa miavaka izany mivantana avy tamin’ny molotry ny Rahalahy Moyle dia nisy fiantraikany mahery vaika, manamafy orina tamin’ny fijoroako ho vavolombena izay mitombo. Nahatsapa aho fa nampiorina ahy ny fandrenesana izany” (“A Growing Testimony,” Ensign, Nôv. 2000, 54).

Nilaza ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

“Tsy nandà na oviana na oviana ireo tenivavolombelony amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo Vavolombelona Telo. Tsy afaka nandà izy satria fantany fa marina izany. Nanao fahafoizan-tena izy ireo ary niatrika lalan-tsarotra nihoatra ny natrehan’ireo olon-kafa maro. Nizara tenivavolombelona mikasika ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna toy izany koa i Oliver Cowdery teo am-pialana aina. … Fa nanohy nanamafy ny zavatra hitany sy reny tao amin’izany traikefa mahavariana izany izy ireo hany ka nahatonga ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona ho mahery vaika kokoa ny fotoana lava izay nanalavirany ny Fiangonana sy nandaozany an’i Joseph” (“An Enduring Testimony of the Mission of the Prophet Joseph,” Ensign na Liahona, Nôv. 2003, 90).