Tahirim-pitaovana
Lesona 149: Etera 12:1–22


Lesona 149

Etera 12:1–22

Fampidirana

Taorian’ny fitantaran’i Môrônia ireo taona maro aran-tantaran’ny Jaredita dia nampahafantatra ny iraka notontosain’ny mpaminany Etera izy. Notapahin’i Môrônia noho izany ny fitohizana ara-tantara mba hiraiketany ireo fitahiana sasantsasany izay azon’ireo izay mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia miompana amin’ny Etera 12:1–22, raha toa ka miresaka ny Etera 12:23–41 kosa ny lesona 150.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Etera 12:1–4

Nitory ny fibebahana tamin’ireo Jaredita i Etera

Atombohy ny fampianarana amin’ny fanasana mpianatra iray handroso eny amin’ny solaitrabe ary hanao sarin’onja sy sambo iray izay miantsona amin’ny vatofantsika.

  • Nahoana no zava-dehibe ho an’ny sambo ny fananana vatofantsika?

  • Inona ireo loza na zava-tsarotra mety hitranga amin’ny sambo raha toa ka tsy manana vatofantsika izany?

  • Inona no vokatra entin’ny onja amin’ny sambo? (Mety ho toy izao ny valinteny: Mampihetsika, mampandeha na mamilivily ny sambo ireo onja.)

Antsoy hoe ny fiainanao ny sambo.

  • Raha toa ka maneho ny fiainantsika ny sambo, mitovy amin’inona kosa izany ireo onja? (Mety ho toy izao ny valinteny: faneriterena eo amin’ny fiaraha-monina, fizahan-toetra, fampianaran-diso na faharatsian-toetra.)

  • Ahoana no itovian’ny fiainan’ny olona iray amin’ny sambo tsy misy vatofantsika? (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hamaky ny Môrmôna 5:17–18 mba hanampy azy ireo hamaly io fanontaniana io.)

  • Inona avy ireo zavatra izay nomen’ny Tompo ka afaka atao ho vatofantsika ara-panahy eo amin’ny fiainantsika? (Mety hanolotra valinteny isan-karazany ireo mpianatra. Afaka raisina ho toy ny vatofantsika ny lafiny maro amin’ny filazantsara.)

Entano hikaroka ohatry ny vatofantsika ara-panahy ireo mpianatra eo am-pandalinana ny Etera 12.

Hazavao fa ny Etera 12 dia nanomboka tamin’ny fampahafantaran’i Môrônia an’i Etera, mpaminany Jaredita iray izay nitory nandritra ny fotoana izay nandavan’ny vahoaka ireo mpaminany sy niainan’izy ireo tanatin’ny faharatsiana. Asao hamaky am-pahanginana ny Etera 12:1–3 ireo mpianatra ary hamantatra zavatra izay manaitra azy ireo teo amin’ny fihetsik’i Etera. Asaivo zarain’izy ireo ny zavatra hitany.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Etera 12:4. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary mikaroka ny zavatra afaka “antenain’ireo” izay mino an’Andriamanitra na dia voahodidina amin’ny zava-tsarotra sy faharatsiana aza izy ireo. Eo am-pamalian’ireo mpianatra dia mariho fa ilay “tontolo iray tsara kokoa” izay antenaintsika dia “ilay toerana eo an-tanan’ ankavanan’Andriamanitra.”

  • Inona no dikan’ny hoe manana toerana eo an-tanan’ ankavanan’Andriamanitra? (Hiverina eo anatrehany sy hahazo ny fiainana mandrakizay.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no hafa noho ny maniry zavatra iray fotsiny ny fananana fanantenana “amim-pahatokiana”? (Ao amin’ny soratra masina, ny fanantenana dia manambara fananana fahatokian-tena fa afaka mandray ireo fitahiana nampanantenain’Andriamanitra isika raha toa ka mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika Taminy.)

  • Araka ny voalazan’ny Etera 12:4, ahoana no hahazoantsika fanantenana ny handray toerana eo an-tanan’ankavan’Andriamanitra? (Eo am-pamaliana dia hazavao amin’ireo mpianatra fa ilay finoana resahina ao amin’ny Etera 12:4 dia miresaka ny finoana an’i Jesoa Kristy.) Ahoana no hahafahantsika manana fanantenana “amim-pahatokiana” ho an’ny toerana eo an-tanan’ankavanan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy?

Soraty eo ambanin’ny vatofantsika eo amin’ny solaitrabe ny teny hoe finoana sy fanantenana.

  • Araka ny voalazan’ny Etera 12:4, inona no mitranga rehefa manana fanantenana sy finoana an’i Jesoa Kristy ny olona iray? (Na dia mety ho samy hafa aza ny valintenin’ireo mpianatra dia tokony hilaza ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Tsy ho voahozongozona sy hahefa be amin’ny asa tsara isika rehefa manana fanantenana sy finoana an’i Jesoa Kristy.)

  • Inona aminareo no dikan’ny hoe “[m]ahefa be” amin’ny asa tsara? (Manao zavatra tsara maro be.)

  • Inona avy ireo asa tsara sasantsasany izay “hankalaza an’Andriamanitra”? (Mety ahitana izao manaraka izao ireo valinteny: vavaka, fandalinana soratra masina, fanompoana ny hafa ary fampivelarana ireo talenta.)

  • Eritrereto ireo olona izay fantatrareo fa toa mahefa be eo amin’ny fanaovana asa tsara ary tsy menatra hankalaza an’Andriamanitra. Inona ireo zavatra miavaka ataon’izy ireo izay mahatonga azy ireo ho ohatra tsara amin’ny fiainana ity fitsipika ity?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fotoana izay nahasarotra tamin’izy ireo ny nijoro tsy ho voahozongozona sy nahefa teo amin’ny asa tsara. Mba hanampiana ireo mpianatra hiomana amin’ny toe-javatra sahala amin’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo dia amporisiho hikaroka ireo fomba izay ahafahany mampitombo ny finoany sy ny fanantenany izy ireo eo am-panohizana ny fandalinana ny Etera 12.

Etera 12:5–22

Mitantara ireo fahagagana sy asa mahatalanjona izay tanteraka noho ny finoana i Môrônia

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity andian-teny manaraka ity: Te hahazo vavolombelona ara-panahy aho fa …

Asaivo manolotra fahamarinana ara-pilazantsara, fitsipika, na fotopampianarana izay afaka hikatsahan’ny olona vavolombelona ara-panahy ireo mpianatra. Soraty eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra. (Mety ho toy izao ireo valinteny: vavolombelona fa ny Bokin’i Môrmôna dia marina. Vavolombelona fa zava-dehibe ny miaina fiainana madio sy mahitsy. Vavolombelona fa ny Tenin’ny Fahendrena dia lalàn’Andriamanitra. Vavolombelona fa tokony hiomana hanao asa fitoriana aho.) Asao hieritreritra fahamarinana ara-pilazantsara iray izay tian’izy ireo handraisana vavolombelona ara-panahy na fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa ireo mpianatra.

Hazavao fa toy izao manaraka izao ny toe-tsain’ny olona sasantsasany: “Tsy hino na hiaina arak’ity fitsipika ara-pilazantsara iray ity aho raha tsy hitako porofo aloha fa marina izany.” Asao hamaky am-pahanginana ny Etera 12:5–6 ireo mpianatra ary hikaroka ny fomba ifandraisan’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ity toe-tsaina ity. Mariho fa andinin-tsoratra masian fehezina ny Etera 12:6. Azonao atao ny milaza ireo mpianatra mba hanisy marika amin’ny endriny miavaka ity andinin-tsoratra masina ity mba ahafahan’izy ireo mahita izany mora foana.

  • Araka ny voalaza ao aminy Etera 12:6, inona no tsy maintsy mitranga alohan’ny hahafahana mandray vavolombelona iray?

  • Inona no ao anatin’ny eritreritrareo rehefa mieritreritra ny andian-teny hoe “fizahan-toetra ny finoanareo”?

Aorian’ny famalian’ireo mpianatra dia azonao atao ny manazava fa misy olona sasantsasany mandika diso ny “fizahan-toetra ny finoana” ho toy ny fitsapana hatrany. Afaka hamaritana zavatra iray izay manome antsika fahafahana haneho na hampihatra ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ilay andian-teny hoe “fizahan-toetra ny finoana.” Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsara kokoa ity andian-teny ity dia asaivo vakian’ny mpianatra iray mafy ity teny nambaran’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambininfolo ity. Alohan’ny hamakiana ilay teny nambara dia asaivo mihaino ny fanazavan’ny Loholona Scott an’ilay andian-teny hoe “fizahan-toetra ny finoana” ireo mpianatra.

Loholona Richard G. Scott

“Afaka mianatra ny mampihatra finoana mahomby kokoa ianareo amin’ny alalan’ny fampiharana ity fitsipika nampianarin’i Môrônia ity: ’… tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo’ [Etera 12:6; nampiana soramandry]. Noho izany, isaky ny mizaha toetra ny finoanareo ianareo, izany hoe, manao zavatra amim-pahamendrehana araka ny fitarihana tsapa dia hahazo ny porofon’ny fanamafisan’ny Fanahy. Hanamafy orina ny finoanareo izany fahatsapana izany. Rehefa mamerimberina manaraka izany fomba izany ianareo dia hihamatanjaka kokoa ny finoanareo” (“The Sustaining Power of Faith in Times of Uncertainty and Testing,” Ensign na Liahona, Mey 2003, 76).

  • Ahoana no maha samihafa ny lamina nofaritan’ny Loholona Scott amin’ny toe-tsain’ireo izay mitady porofo alohan’ny hinoana na hampiharan’izy ireo zavatra iray?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto soratra masina mifandray manaraka ireto: Etera 12:7–12; Etera 12:13–18; Etera 12:19–22, 30–31. Zarao ho vondrona telo ny mpianatra ary omeo iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ny vondrona tsirairay avy. Asaivo karohin’ireo mpianatra ireo fitahiana izay azo vokatry ny finoan’ny olona izay voalaza ao amin’ny andininy tsirairay avy. Entano izy ireo hijery ny fampiasana ilay andian-teny hoe “aorian’ny ninoan’izy ireo” na “nony efa nanam-pinoana izy ireo” ao amin’ny andininy 7, 12, 17, 18, sy 31. (Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hanisy marika ireo andian-teny ireo isaky ny fotoana ampiasana izany.)

Aorian’ny fizaran’ireo mpianatra ny zavatra hitany dia asao izy ireo hamintina ny zavatra izay atolotry ny Tompo aorian’ny fanehoantsika ny finoana an’i Jesoa Kristy. Na dia mety ampiasa teny samihafa aza ireo mpianatra dia tokony hilaza fahamarinana mitovy amin’ity voalaza manaraka ity izy ireo: Raha maniry hahazo vavolombelona ara-panahy isika dia tsy maintsy mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy aloha. Hazavao fa toy ireo vavolombelona ara-panahy koa dia tsy tanteraka ny fahagagana raha tsy aorian’ny nampiharantsika ny finoantsika.

Lazao ireo mpianatra ity toe-javatra manaraka ity. Asao hanazava ny fomba mety ho nanehoan’ireo olona tsirairay ao amin’ny toe-javatra tsirairay ny finoana amin’ny Tompo ireo mpianatra.

  1. Te hahazo vavolombelona amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ny zatovovavy iray.

  2. Manana faniriana mivaivay hanampy ireo olon-tiany hanaiky ny filazantsara ny zatovolahy iray.

Asaivo misaitsaina fotoana iray izay nandraisan’izy ireo na nandraisan’ny olona izay fantatr’izy ireo vavolombelona ara-panahy na fahagagana taorian’ny nanehoany finoana tamin’ny Tompo ireo mpianatra. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra tonga ao an-tsainy. (Ataovy izay hahazoana antoka fa takatr’ireo mpianatra fa tsy voatery hizara zavatra niainana tokony hotazoniny ho azy samirery na tsiambaratelo izy ireo.) Azonao atao koa ny mizara traikefa toy izany, raha tianao.

Asao ireo mpianatra hahatsiaro ny fahamarinana ara-pilazantsara izay tian’izy ireo handraisana vavolombelona ara-panahy. Asao hanoratra ny zavatra mety ho ataony mba hampiharana kokoa ny finoana ny Tompo ao amin’ny kahieny na diary fandalinana soratra masina ireo mpianatra.

sary famantarana ny soratra masina fehezinaSoratra Masina Fehezina—Etera 12:6

Mba hanampiana ireo mpianatra hahay tsianjery ny Etera 12:6 dia asao ny mpianatra tsirairay hanoratra ilay andinin-tsoratra masina amin’ny taratasy kely iray ary tsy hanoratra ireo teny na andian-teny manan-danja fa hamela izany ho malalaka eo amin’ny toerany. Rehefa vita izany dia omeo iray minitra ireo mpianatra hiezaka hianatra tsianjery ilay andinin-tsoratra masina ary hameno ao an-tsainy ireo banga eo amin’ny taratasiny.

Asaivo mifanakalo taratasy amin’izay eo akaikiny ny mpianatra. Samy tokony hamaky mafy ilay taratasy azony ny mpianatra tsirairay ary hiezaka ny hameno ireo toerana malalaka avy tamin’ny zavatra notadidiany. Raha mbola misy ny fotoana dia asaivo mamerina izany fampiharana izany indray ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fifamadihana taratasy amin’ny hafa.

Asaivo entin’ireo mpianatra any an-tranony ny taratasiny ary ampiasa azy ireo mba hanaovana tsianjery ny Etera 12:6 manoloana ny ray aman-dreniny. Amporisiho izy ireo hanontany ireo ray aman-dreniny momba ny fotoana iray izay nanehoan’izy ireo finoana an’i Jesoa Kristy sy nandraisany vavolombelona na fahagagana izay nokatsahiny.

Farano amin’ny fijoroanao ho vavolombelona amin’ireo fitsipika izay nampianarina ao amin’ity lesona ity izany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Etera 12: 4–6. Inona no atao hoe fanantenana?

Ao amin’ny Etera 12, ireo fampianaran’i Môrônia mikasika ireo fitsipiky ny fanantenana sy finoana dia mampiseho fa tena mifandray akaiky izy roroa ireo. Namaritra ny finoana ho toy ny “zavatra izay antenaina nefa tsy hita” (Etera 12:6) izy ary nampianatra fa ny fanantenantsika ho amin’ny famonjena dia “avy amin’ny finoana” an’i Jesoa Kristy (Etera 12:4). Ilay bokikely Miorim-paka amin’ny Finoana dia mampianatra izao manaraka izao momba ny fanantenana:

“Matoky ny fampanantenan’ Andriamanitra isika rehefa manana fanantenana. Manana fahatokiana anaty isika fa rehefa manao ‘ny asan’ny fahamarinana,’ dia ‘handray ny valisoa[ntsika], hatramin’ny fiadanana eo amin’ ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ ny tontolo hoavy’ (F&F 59:23). … Mitohy hatrany amin’ny mandrakizay ny fitsipiky ny fanantenana, kanefa afaka manohana anao amin’ireo fanambin’ny fiainana andavanandro koa izany” (True to the Faith: A Gospel Reference [2004], 85–86).

Nofaritan’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf toy izao manaraka izao ny fanantenana:

“Ny fanantenana dia fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy. [Jereo ny Môrônia 8:26.] Fanantenana ny hoe amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny herin’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia hitsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay isika ary izany dia noho ny finoantsika an’ilay Mpamonjy. [Jereo ny Môrônia 7:41.] Izany karazam-panantenana izany dia sady fitsipiky ny fampanantenana no didy [jereo ny Kolosiana 1:21–23], ary, toy ny amin’ny didy rehetra dia manana andraikitra isika mba hiaina amim-pahazotoana izany eo amin’ny fiainantsika sy handresy ireo fakam-panahy mahavery fanantenana. Ny fanantenana an’ilay drafitry ny fahasambarana izay be famindram-po an’ny Raintsika any an-danitra dia mitondra fiadanana [jereo ny Romana 15:13], famindram-po [jereo ny Salamo 33:22], fiderana [jereo ny Romana 12:12], ary fifaliana. [Jereo ny Ohabolana 10:28.] Toy ny fiarovan-doha ny fanantenana ny famonjena [jereo ny 1 Tesaloniana 5:8]. Fototry ny finoantsika [jereo ny Hebreo 11:1; Môrônia 7:40] ary vatofantsiky ny fanahintsika. [Jereo ny Hebreo 6:19; Etera 12:4.]” (“The Infinite Power of Hope,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 21–22).

Etera 12:6. “Ny fizahan-toetra ny finoanareo”

Nitantara tantara iray izay maneho ny fitsipika amin’ny fandraisana vavolombelona aorian’ny fizahan-toetra ny finoantsika ny Filoha Gordon B. Hinckley:

“Mamela ahy ianareo hizara ny tantaran’ny vehivavy iray tany São Paulo, Brésil. Sady niasa izy no nianatra mba hahafahany mamelona ny fianakaviany. Ho ampiasaiko ny teny nambarany fony nitantara izany. Hoy izy:

“’Nanana lalàna iray izay mandrara ireo mpianatra ao anatin’ny trosa tsy hanao fitsapa-pahaizana ilay Oniversite izay nianarako. Noho izany antony izany dia avahako aloha ny fahafolon-karena sy fanatitra amin’ny fifadian-kanina rehefa mandray ny karamako aho ary ny ambiny dia nataoko handoavana ny saram-pianarana sy ireo fandaniana hafa.

“’Tsaroako ny fotoana iray izay … niatrehako fahasahiranana ara-bola be tokoa. Andro Alakamisy tamin’izany ny nandraisako ny karamako. Rehefa nojereko ny fitantanam-bolako isam-bolana dia tsikaritro fa tsy ampy [sady] handoavana ny fahafolon-karenako sy ny fianarako ny karamako. Tsy maintsy hisafidy ny iray amin’izy ireo aho. Hanomboka amin’ny herinandro manaraka anefa ilay fitsapa-pahaizana fanao isan-tapa-bolana ary raha tsy manao izany aho dia mety ho very maina ny fotoam-pianarako. Nahatsapa ho nijaly tokoa aho. … Narary ny foko. Nanoloana fanapahan-kevitra sarotra iray aho ary tsy haiko ny zavatra ho atao. Nolanjalanjaiko ireo safidy roa: handoa ny fahafolon-karena na hiroso amin’ny mety tsy fahazoana naoty izay takiana ao an-tsekoly.

“’Nanaikitraikitra ny fanahiko izany fahatsapana izany ary tsy niala mihitsy mandra-pahatongan’ny Sabotsy. Teo no nahatsiarovako fa fony aho natao batisa dia nanaiky ny hiaina ny lalàn’ny fahafolon-karena. Noraisiko irery ny fanoloran-tena, tsy tamin’ireo misiônera fa nanoloana ny Raiko any an-danitra. Tamin’izay dia nanomboka nisinda ilay ahiahy ary nisolo fahatsapana fahatoniana sy firosoana amin’ny fanapahan-kevitra nahafinaritra.

“‘Rehefa nivavaka aho tamin’io alina io dia nangataka tamin’ny Tompo ny hamela ahy noho ny fisalasalako. Ny Alahady, talohan’ny niatombohan’ny Fanasan’ny Tompo dia nanatona ny eveka aho ary tamin-kafaliana tokoa no nandoavako ny fahafolon-karenako sy ny fanatitro. Andro miavaka tokoa izany. Nahatsapa fifaliana sy fiadanana tao anatiko aho ary tamin’ny Ray any An-danitra.

“‘Ny ampitson’io aho tany amin’ny biraoko dia niezaka nitady fomba mba hahafahako manao ilay fitsapa-pahaizana izay hanomboka ny Alarobia. Rehefa nisaintsaina izany bebe kokoa aho dia nihanahatsapa vahaolana. …

“‘Efa ho tapitra ny ora fiasana raha nanatona ahy ny mpampiasa ahy ary nanolotra ny zavatra ilainy farany ho amin’izany andro izany. Rehefa vita izany dia nentiny ny kitapony ary nanao veloma izy. … Tampoka teo, nijanona izy ary nijery ahy sady nanontany hoe: “Manao ahoana ny fianaranao?” Gaga aho ary tsy nino ny zavatra reko. Ny hany zavatra voavaliko niaraka tamin’ny feo nihovitrovitra dia hoe: “Milamina tsara ny zava-drehetra ka!” Nijery ahy tamim-pisaintsainana izy dia nametraka veloma. …

“’Tsitapitapitr’izay dia niditra ny efitrano ilay sekretera ary niteny hoe olona tena tsara vintana aho! Rehefa nanontany azy aho hoe nahoana dia namaly tsotra izy hoe: “Vao niteny teo ny mpampiasa hoe manomboka androany dia ho aloan’ny toeram-piasana feno ny saram-pianaranao any amin’ny Oniversite sy ny boky ampiasainao. Alohan’ny hiainganao dia mandalova eo amin’ny biraoko ary lazao ahy ny totalin’ny sarany rehetra mba hahafahako manolotra ny taratasim-bola anao.”

“’Taorian’ny nialany dia nitomany sy nahatsiaro ho tena nietry tena aho ary nandohalika teo am-pitoerana teo aho ka nisaotra ny Tompo noho ny famindram-pony. Hoy … aho tamin’ny Ray any An-danitra hoe tsy tokony hotahiana be loatra toy izao aho. Ny saran’ny iray volana no tena ilaiko ary kely dia kely ilay fahafolon-karena naloako ny Alahady raha oharina amin’ny voaraiko! Tonga tato an-tsaiko nandritra izany vavaka izany ireo teny voarakitra ao amin’ny Malakia: “Ary izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, raha tsy hovahako ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidiniko fitahiana manana amby ho anareo” (Mal. 3:10). Hatramin’izany fotoana izany dia tsy mbola nahatsapa ny hahalehiben’izany fampanantenana izay voarakitra ao amin’izany soratra masina izany aho ary ity didy ity dia tena vavolombelon’ny fitiavana, izay omen’ Andriamanitra, ny Raintsika any an-danitra ny zanany eto an-tany’” (“We Walk by Faith,” Ensign, Mey 2002, 73–74).

Etera 12:6. “Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo”

Nanazava ny Filoha Spencer W. Kimball hoe:

“Amin’ny maha olombelona dia ataontsika izay hialan’ireo fanaintainana ara-batana sy ahiahy ara-tsaina eo amin’ny fiainantsika mba hiainantsika amim-pilaminana sy anaty fahalemana, kanefa raha toa ka manakatona ireo varavaran’ny fahoriana sy fijaliana isika dia mety hanala ilay namantsika sy mpahefa lehibe indrindra. Manamasina ny olona ny fijalijaliana rehefa mianatra ny faharetana, fahononam-po ary ny fifehezan-tena izy” (Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2006], 15).