Tahirim-pitaovana
Lesona 150: Etera 12:23–41


Lesona 150

Etera 12:23–41

Fampidirana

Naneho ahiahy tanatin’ny vavaka feno fanetren-tena i Môrônia. Niahiahy tamin’ny fahalemena izay tsapany teo amin’ny fanoratany sy teo amin’ny firaketan’ireo mpaminany hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy. Naneho fampanantenana ny hampahatanjaka ireo izay manetry ny tenany sy manana finoana Aminy ny Tompo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Etera 12:23–41

Nampianatra i Môrônia fa zava-dehibe amin’ny famonjena ny finoana, fanantenana ary fiantrana

Soraty eo amin’ny ilan’ny solaitrabe ny teny hoe matanjaka ary eo amin’ny ilany ny hoe malemy. Omeo fotoana hisaintsaina ny zavatra tsapany fa tanjany ireo mpianatra. Avy eo dia asao hieritreritra ireo fahalemeny na tsy fahaizany vitsivitsy izy ireo. Asaivo manangan-tanana izy ireo raha toa ka maniry ny hanova ireo fahalemeny ho tonga tanjaka. Hazavao fa nampianatra mikasika ny antony hananantsika fahalemena i Môrônia sy ny fomba ahafahantsika mandresy azy ireny.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Etera 12:23–25. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ny fahalemena tsapan’i Môrônia fa nananan’ny tenany sy ireo mpanoratra hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Alohan’ny hamakian’ireo mpianatra dia mety azonao hazavaina fa ilay teny hoe Jentilisa ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia miresaka ireo olona izay hiaina ao amin’ireo firenena Jentilisa amin’ny andro farany.

  • Inona no ahiahian’i Môrônia fa hitranga noho ny fahalemen’ireo izay nanoratra ny Bokin’i Môrmôna?

Asao hamaky amim-pahanginana ny valintenin’ny Tompo momba ny ahiahin’i Môrônia ao amin’ny Etera 12:26–27 ireo mpianatra. Asaivo karohin’izy ireo ny antony hanomezan’Andriamanitra antsika fahalemena. Mariho fa andinin-tsoratra masina fehezina ny Etera 12:27. Azonao amporisihina hanisy marika ity andinin-tsoratra masina ity amin’ny fomba miavaka ireo mpianatra mba hahitan’izy ireo izany mora foana.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra kokoa ny teny hoe fahalemena araka ny ampiasana azy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia asaivo mamaky ity teny nambaran’ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity izy ireo. Alohan’ny hamakiana izany dia asaivo mihaino ireo karazam-pahalemena roa izay resahin’ny Loholona Maxwell izy ireo.

Sary
Loholona Neal A. Maxwell

“Rehefa mamaky ireo ’fahalemena’ ananan’ny olombelona ao amin’ny soratra masina isika dia ahitana ny … fahalemena izay nolovaina avy tamin’ny toetoetran’ny zanak’olombelona amin’ny ankapobeny izany izay hananan’ny nofo fiantraikany tsy mitsahatra [na tsy tapaka] eo amin’ny fanahy (jereo ny Etera 12:28–29). Ny fahalemena toy izany, na izany aza, dia ahitana ny fahalemena miavaka sy an’ny tenantsika manokana, izay natao horesentsika (jereo ny F&F 66:3; Jakoba [ao amin’ny Bokin’i Môrmôna] 4:7). Manana fomba izay hanehoana ireo fahalemena ireo ny fiainana” (Lord, Increase Our Faith [1994], 84).

  • Araka ny voalazan’ny Loholona Maxwell, inona ireo karazam-pahalemena roa an’ny olombelona izay hitantsika ao amin’ny soratra masina? (Mety mila hazavainao fa ilay andian-teny hoe “toetoetran’ny zanak’olombelona amin’ny ankapobeny” dia miresaka ireo fahalemena azo avy tamin’ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva na, raha lazaina amin’ny teny hafa, dia ireo fahalemena miaraka amin’ny “olona araka ny nofo” voalaza ao amin’ny Môsià 3:19.)

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa indraindray ny soratra masina dia mamaritra fitsipika iray amin’ny fampiasana ireo teny raha toa sy dia. Ny teny raha toa dia manolotra zavatra izay tsy maintsy ataontsika, ary ny dia dia manolotra fanazavana amin’ny zavatra hitranga ho vokatry ny asa ataontsika. Asaivo mamerina mijery amim-pahanginana ny Etera 12:27 ireo mpianatra ary hikaroka ireo fitsipika “raha toa-dia” nampianarina ao amin’ity andinin-tsoratra masina ity. Tokony hahita ireto fitsipika manaraka ireto ireo mpianatra (soraty eo amin’ny solaitrabe izany):

Raha toa ka manatona an’i Jesoa Kristy isika dia hasehony antsika ny fahalementsika.

Raha toa ka manetry ny tenantsika sy mampihatra ny finoana amin’ny Tompo isika dia hanao izay hampatanjaka ireo zavatra malemy amintsika Izy.

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe ho antsika ny mahafantatra ireo fahalementsika?

  • Mariho manokana ilay andian-teny hoe “manatona an’i Jesoa Kristy” ao amin’ilay fitsipika voalohany. Inona ireo zavatra afaka ataontsika mba “[h]anatona[na] an’i Jesoa Kristy”? (Mety ho toy izao ny valinteny amin’izany: afaka mivavaka isika, mifady hanina, mibebaka, mandalina ny soratra masina, mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly, manompo ny hafa ary mikatsaka ny hampivelatra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy. Azonao atao ny manisy fanamarihana fa amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia midika hoe tsy maintsy manao ny anjarantsika isika ambonin’ny fikatsahana ny fanampian’ny Tompo rehefa miezaka mandresy ny fahalemena.)

  • Inona no zavatra hitranga amin’ilay fitsipika faharoa raha toa ka misafidy ny tsy hanetry ny tenantsika isika ary tsy hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy? (Hitoetra eo ireo fahalementsika satria nandà ny fahasoavan’ny Tompo mba hanampy antsika handresy azy ireo isika.)

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ilay andian-teny hoe “ampy ho an’ny olon-drehetra [izay] … [m]anetry ny tenany eo anoloako [ny fahasoavako]”? (Mba hanampiana ireo mpianatra amin’ny famaliana ity fanontaniana ity dia azonao atao ny manazava fa ny fahasoavana dia “fitaovana fanampiana na tanjaka avy amin’Andriamanitra, nomena tamin’ny alalan’ny famindram-po sy fitiavana sesehena an’i Jesoa Kristy” ary tanteraka noho ny Sorompanavotana [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahasoavana”]. Izany hery mahefa, na fanampiana izany dia tsy ho ritra na oviana na oviana—na firy na firy ny olona manovo ao amin’izany.)

Asao hizara traikefa izay nananany ireo mpianatra tamin’ny nanampian’ny Tompo azy ireo (na olom-pantatr’izy ireo) handresy fahalemena iray. (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tsy tokony hizara zavatra niainana izay tena natokana ho an’ny tenany ihany na tsiambaratelo izy ireo.) Azonao atao ny mizara ny traikefanao manokana.

Mba hamporisihana amin’ny fampiharana ireo fitsipika izay nampianarina ao amin’ny Etera 12:27 dia soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andian-teny manaraka ireto:

1. Manaiky ireo fahalemeko 2. Manetry tena 3. Mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy

Asao hanoratra ireo andian-teny ireo ao amin’ny kahieny na ao amin’ny diary fandalinana soratra masina ireo mpianatra. Eo ambanin’ny andian-teny mifanentana amin’izany dia asao izy ireo hanoratra (1) fahalemena iray izay hananan’izy ireo, (2) fomba iray izay ahafahan’izy ireo hanetry ny tenany, ary (3) fomba iray ahafahan’izy ireo mampihatra ny finoany an’i Jesoa Kristy mba hahafahany mandray ny fanampiany, na ny fahasoavany, handresena ny fahalemena izay notanisain’izy ireo. Lazao ireo mpianatra fa raha miezaka amin’ny zavatra izay nosoratany izy ireo dia ho “ataony tonga matanjaka ny zavatra malemy” (Etera 12:27) ananan’izy ireo.

Asao hamaky am-pahanginana ny Etera 12:26, 28 ireo mpianatra ary hikaroka ny fomba namalian’ny Tompo bebe kokoa amin’i Môrônia mikasika ny ahiahiny amin’ny fahalemeny.

Mariho ilay filazana hoe: “Manaraby ny adala, nefa hitoloko izy” (Etera 12:26).

  • Nahoana araka ny eritreritrareo sy avy tamin’ny zavatra nianarantsika androany no adalana ny manaraby ireo fahalemen’ny olon-kafa?

Mariho fa ny Etera 12:26 dia miresaka ny malemy fanahy. (Azonao atao ny manazava fa ny atao hoe malemy fanahy dia manetry tena sy azo ampianarina ary maharitra amin’ireo fotoan’ny fahoriana.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no mila manetry tena isika mba hiezaka ny tsy ho rototra amin’ireo fahalemen’ny olon-kafa?

Alohan’ny hanohizana ny lesona dia antitrantero fa raha toa ka malemy fanahy isika dia afaka mandray ny fahasoavan’ny Tompo mba hanampy antsika hiezaka ny tsy ho rototra amin’ireo fahalemen’ny hafa.

Fintino amin’ny alalan’ny fanazavana fa nampianatra mikasika ny maha-zava-dehibe ny fampiharana finoana sy fananana fanantenana sy fiantrana i Môrônia ao amin’ny Etera 12:29–32. Azonao atao ny manazava fa ny “fiantrana dia fitiavana madion’i Kristy” (Môrônia 7:47).

Asao hamaky am-pahanginana ny Etera 12:33–35 ireo mpianatra ary hikaroka ireo antony hilazana fa zava-dehibe ny mampihatra fiantrana rehefa manoloana ireo fahalemen’ny hafa.

  • Araka ny voalazan’ny Etera 12:34, inona no vokatra mitranga amintsika raha toa ka tsy manana fiantrana isika?

Asao hamaky am-pahanginana ny Etera 12:38–41 ireo mpianatra ho famaranana izany. Asaivo manoratra ao anaty kahieny na diary fandalinana soratra masina izy ireo mikasika ny zavatra ho ataony mba hanatanterahana ny fanasana voarakitra ao amin’ny Etera 12:41—“Hikatsaka ity Jesoa ity izay efa nosoratan’ny mpaminany sy ny apostoly ny Aminy.”

Ijoroy ho vavolombelona fa rehefa manetry ny tenantsika isika sy mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy dia ho “ataony tonga matanjaka ho [antsika] ny zavatra malemy” (Etera 12:27). Amporisiho hiezaka hanatanteraka ny drafitra izay nosoratany ireo mpianatra. Azonao atao koa ny mamporisika azy ireo hikatsaka ny fanampian’ny Tompo amin’ny fampiharana ny fiantrana rehefa miatrika ireo fahelemen’ny olon-kafa izy ireo.

Soratra Masina Fehezina—Etera 12:27

Mba hanampiana ireo mpianatra hanao tsianjery ny Etera 12:27 dia soraty eo amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto ary asao hanoratra izany amin’ny taratasy kely ireo mpianatra:

Raha … manatona … hasehoko … fahalemeny … Omeko … fahalemena … mietry … an’ny olon-drehetra … fahasoavako … hanetreny … raha … manetry … manam-pinoana … malemy … matanjaka.

Asaivo mamaky am-pahanginana ny Etera 12:27 ireo mpianatra ary mijery ireo teny ireo. Asao izy ireo avy eo hanao tsianjery araka izay vitany an’ilay andinin-tsoratra masina amin’ny alalan’ny fijerena fotsiny ireo teny voasoratra eo amin’ny taratasin’izy ireo. Amporisiho izy ireo hametraka izany taratasy izany amin’ny toerana izay hahitan’izy ireo izany androany hariva na rahampitso (ohatra, ao am-paosy na ao anaty soratra masiny). Asaivo mamerina mijery ny Etera 12:27 izy ireo rehefa mahita ilay taratasy mandra-pahafehezany ilay andalan-tsoratra masina.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Etera 12:27. “Hasehoko azy ny fahalemeny”

Nanamarika ny Loholona Bruce C. Hafen tao amin’ny Fitopololahy fa ny ezaka ataontsika handresena ny fahalemena no ivon’ny tanjona nahatongavantsika eto an-tany:

“Mahatonga antsika hiatrika fakam-panahy sy fahoriana ao anatin’ity tontolo lavo ity ny drafitry ny Raintsika. …

“Ka raha toa manana olana ianao eo amin’ny fiainanao dia aza mieritreritra hoe nisy zavatra tsy mety nataonao. Tena ivon’ny tanjon’ny fiainana tanteraka ny fiezahana hamaha ireo olana ireo. Rehefa manatona an’ Andriamanitra isika dia hampiseho antsika ny fahalementsika Izy ary hahatonga antsika ho matotra sy matanjaka kokoa izy ireny. Raha toa mihamahatsikaritra ny fahalemenao ianao dia mety hidika izany fa mihamanatona an’ Andriamanitra akaikikaiky kokoa ianao, fa tsy manalavitra akory” (“The Atonement: All for All,” Ensign na Liahona, Mey 2004, 97).

Ity tantara manaraka ity dia mikasika ny zatovolahy iray izay niaina ny fahatanterahan’ny fampanantenan’ny Tompo ao amin’ny Etera 12:27:

Amporisihina hanatratra ireo tanjona ao amin’ny fandaharan’asa Adidy amin’ Andriamanitra ireo zatovolahy rehetra ato am-piangonana ary, any amin’ny faritra sasantsasany, ny fandaharan’asa ao amin’ny Skoto koa. Sahiran-dava amin’ny famelomana ilay fianakaviana maro ny ray aman-drenin’i Jonathan Perez ary manarabiraby azy amin’ny ezaka ataony hanatratra ny mari-pankasitrahana iray ao amin’ny fandaharan’asan’ny Skoto ireo namany. Na dia teo aza ireo dia nametraka tanjona i Jonathan ary nanao asa. Tsikelikely teny, ary noho ny fanampiana sy fanohanan’ny mpitarika ny Zatovolahy dia nahatratra ny tanjony izy. Hoy izy: “Nampianatra ahy izany traikefa izany fa na inona na inona ireo sakana na fanamby mitranga dia hanampy ahy handresy ireo fahadisoana sy fahalemena ny Tompo (Etera 12:27). Tsy mampaninona izay sarangam-piainana niaviantsika na manan-karena isika na mahantra. Afaka mahatratra ny tanjontsika isika satria manana ny Tompo eo anilantsika” (Jonathan Perez, “An Honor Earned,” New Era, Nôv. 2007, 45).

Hamoaka printy