Tahirim-pitaovana
Lesona 151: Etera 13–15


Lesona 151

Etera 13–15

Fampidirana

Mijoro ho vavolombelona ny rakitsoratra mitahiry ny sivilizasiona Jaredita nosoratan’ny mpaminany Etera fa tsy hiroborobo ireo izay mandà ny Tompo sy ny mpaminaniny. Nananatra an’i Kôriantoma, mpanjaka Jaredita iray i Etera fa ho rava ny vahoakany raha toa ka tsy mibebaka izy sy ny fianakaviany. Rehefa tsy nandà ny hibebaka i Kôriantoma sy ny vahoakany dia nihamafy ny ady sy ny faharatsiana niainana nandritra ny taona maro mandra-paharavan’ny firenena Jaredita iray manontolo. I Etera sy i Kôriantoma irery sisa no velona ka nanatri-maso ny fahatanterahan’ny faminanian’i Etera. Ireo toko ireo koa dia fahatanterahan’ny didin’Andriamanitra fa “na zovy na zovy firenena hizaka [ny tany nampanantenaina] dia hanompo an’Andriamanitra izy na hofaohina” (Etera 2:9).}

Sosokevitra Enti-mampianatra

Etera 13:1–12

Nirakitra ireo faminanian’i Etera momba an’i Jerosalema Vaovao sy i Jerosalema fahiny i Môrônia

Hazavao fa fantatra amin’ny anarana izay mamaritra ny hoavy manan-danjany ireo tanana sasantsasany. Vakio ireto anarana milaza tanàna manaraka ireto ary asaivo ampifandraisin’ireo mpianatra amin’ny anarana tsirairay ny tanàna mifanaraka amin’izany: ilay Tanànan’ny Hazavana (Paris, France); ilay Tanàna Mandrakizay (Rome, Italie); ilay Tanàna Be Rivotra (Chicago, Illinois, Etazonia); ilay Voahangy sarobidin’i Azia Atsinanana (Manila, Philippines); ary ilay Tanànan’ny Rova (Mexico City, Mexique). Asaivo milaza ny tian’ireo anarana ireo hampahafantarina momba ireo tanàna ireo ny mpianatra.

Mariho fa nirakitra ireo faminanian’i Etera momba ny tanàna telo i Môrônia: ilay Jerosalema Vaovao (jereo ny Etera 13:6–8, 10); ilay tanànan’i Enôka, izay “hidina avy any an-danitra” (Etera 13:3; jereo koa ny Mosesy 7:62–64); ary i Jerosalema ao amin’ny Tany Masina (jereo ny Etera 13:11). Lazao ireo mpianatra fa nampianatra ny Jaredita i Etera fa ny tany izay ipetrahan’izy ireo dia ho toerana hanan-danja lehibe amin’ny hoavy (jereo ny Etera 13:2–3). Asao hamaky amim-pahanginana ny Etera 13:4–8 ireo mpianatra ary hikaroka ireo anaran’ny tanàna voalaza ao amin’ireo andininy ireo.

  • Iza no anaran’ireo tanàna ireo? (Jerosalema sy Jerosalema Vaovao.) Inona no anarana famaritana izay nampiasain’i Etera ho an’i Jerosalema any amin’ny Tany Masina ary ho an’ilay Jerosalema Vaovao izay hatsangana indray andro any eo ambonin’ny Kaontinanta Amerikana? (“Tanàna Masina.”)

  • Ahoana araka ny eritreritrareo ny mety ho endrik’izany miaina ao amin’ny tanàna fantatra amin’ny anarana hoe “tanàna masina” izany?

Asao hamaky amim-pahanginana ny Etera 13:10–11 ireo mpianatra ary hikaroka ny toetra ananana izay hisafidianana ireo vahoaka izay hiaina amin’ireo tanàna masina ireo.

  • Ahoana no haha voafidy ireo vahoaka mba hiaina ao amin’ireo tanàna masina ireo? (Amin’ny fananana fitafiana izay “fotsy tamin’ny alalan’ny ràn’ny Zanakondry.”)

  • Inona no dikan’izany hoe manana fitafiana “fotsy tamin’ny alalan’ny ràn’ny Zanakondry” izany ho an’ny vahoaka? (Midika izany fa efa madio sy voarendrika tamin’ny fahotana tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ilay Zanakondrin’Andriamanitra ny olona. Jereo ny 1 Nefia 12:11; Almà 5:21.)

Hazavao fa i Ziona dia anarana iray hafa hiantsoana an’i Jerosalema Vaovao (jereo ny Mosesy 7:62; Fanekem-pinoana 1:10). Raha toa ka mbola haorina amin’ny hoavy i Jerosalema Vaovao sy ny tanànan’i Jerosalema dia afaka mikatsaka hanorina an’i Ziona izao ankehitriny izao ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra na aiza na aiza toerana ipetrahany(jereo ny F&F 6:6; 14:6). Raha ny heviny fototra, i Ziona dia “izay madio am-po” (F&F 97:21). Zarao ity fanambarana nolazain’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:

Loholona D. Todd Christofferson

“I Ziona dia Ziona noho ny toetra sy ny fahatokian’ireo mponina ao aminy [jereo ny Mosesy 7:18]. Tadidio fa, ’nantsoin’ny Tompo hoe Ziona ny vahoakany, satria izy ireo dia iray fo sy iray saina ary niaina tamim-pahamarinana; ary tsy nisy nahantra teo anivony’ (Mosesy 7:18). Raha te-hanorina an’i Ziona isika ao an-tokantranontsika, any amin’ny sampantsika, ny paroasintsika, ny tsatòkantsika, dia tsy maintsy manatanteraka izany fitsipika izany. Ho tena ilaina (1) ny ho tonga miray fo sy saina; (2) ny ho tonga vahoaka masina na ny olona tsirairay na ny daholobe; ary (3) ny fikarakarana ireo mahantra sy sahirana” (“Avia aty Ziona,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 38).

Omeo fotoana kely ireo mpianatra hisaintsainana ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanampiana amin’ny fanorenana fitsipika ara-piainana ambonimbony kokoa ao an-tokantranon’izy ireo sy any amin’ny sampana na paroasy misy azy ireo. Azonao omena fotoana hanoratana izay eritreriny ao amin’ny kahieny na diary fandalinany soratra masina izy ireo.

Etera 13:13–15:34

Nandà ilay fampitandremana miaro faminanian’i Etera ireo Jaredita ary nikiry niaina tamim-paharatsiana sy niady mandra-paharavan’izy ireo

Fintino ny Etera 13:13–14 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nandà an’i Etera ireo Jaredita ary nandroaka azy hiala teo anivon’izy ireo. Nandritra ny andro dia niafina tany “an-davam-bato” i Etera izay namitany ny firaketany ny tantaran’ny Jaredita. Mivoaka izy amin’ny alina mba hijery ireo zava-mitranga eo anivon’ny vahoakany, dia ny Jaredita. Nanoratra ny zavatra hitany izy.

Asao hamaky amim-pahanginana ny Etera 13:15–19 ireo mpianatra ary hikaroka ny famaritana ny fiarahamonina niainan’ireo Jaredita. Aorian’ny famakian’izy ireo dia asao izy ireo hamariparitra araka ny fomba filazany ny fiarahamonina Jaredita. Avy eo dia manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Etera 13:20–22. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hikaroka ny hafatra izay nandidian’ny Tompo ho ampitain’i Etera amin’i Kôriantoma.

  • Inona ilay hafatr’i Etera ho an’i Kôriantoma? (Hotsimbinin’ny Tompo ny vahoaka ary ho avelan’ny hanjaka eo amin’ny fanjakana i Kôriantoma raha toa ka mibebaka izy sy ny ankohonany. Raha tsy mibebaka kosa izy ireo dia ho faty daholo ny olona eo amin’ny fanjakana ankoatr’i Kôriantoma.)

  • Ahoana no fihetsik’i Kôriantoma sy ny vahoakany?

Fintino ny Etera 13:23–14:20 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nitohy nanenika ny tany ireo ady. Nifandimby niezaka ny naka ny fanjakana teo am-pelantanan’i Kôriantoma ireto lehilahy telo ireto—Sarèda, Gileada ary Liba—. Nahazo vahana ireo tsikombakomba miafina taty aoriana ary tafalatsaka lalina tanatin’ny ady ny firenena manontolo. “Ny vahoaka rehetra teo amin’ny lafin-tany dia nandatsa-dra, ary tsy nisy nahasakana izany” (Etera 13:31). Ny fahavalon’i Kôriantoma farany dia ilay lehilahy antsoina hoe Siza.

Asaivo vakian’ireo mpianatra amim-pahanginana ny Etera 14:21–25, 30–31 sy 15:1–2 ary karohiny ny halehibean’ny faharavana naterak’ireo ady ireo. Avy eo dia asao hamaky mafy ny Etera 15:3–5 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ny ezaka nataon’i Kôriantoma mba hitsimbinana ny ambin’ny vahoaka tsy ho fongana.

  • Inona no nataon’i Kôriantoma? (Nanolotra ny fanjakana tamin’i Siza izy.)

  • Ahoana no fihetsika nataon’i Siza tamin’ny tolotra nataon’i Kôriantoma? (Nilaza izy fa hitsimbina ny ain’ireo olona raha toa ka afaka mamono an’i Kôriantoma. Jereo koa ny Etera 14:24.)

Fintino ny Etera 15:6–11 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nitohy nifanandrina ny vahoakan’i Kôriantoma sy ny vahoakan’i Siza. Azonao hazavaina koa fa ity ady ity, izay naharava ny firenana Jaredita dia ady nitranga teo akaikin’ny havoana antsoina hoe Ramà. Zato taona taty aoriana dia rava vokatry ny ady natao teo amin’izany havoana izany ihany koa, ny sivilizasiôna Nefita, izay nantsoina tamin’izany hoe Kômôrà. (Jereo ny Etera 15:11; Môrmôna 6:6.)

Asao hamaky am-pahanginana ny Etera 15:12–17 ireo mpianatra. Alohan’ny hamakiany dia asaivo mijery ny antsipiriany mikasika ny toe-javatra niainan’ireo Jaredita sy hamantatra zavatra iray ao amin’ity tantara ity izay tena nampalahelo tokoa ireo mpianatra. Rehefa nanana fotoana hamakiana izy ireo dia asaivo mizara ny zavatra hitany ny mpianatra vitsivitsy.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nanokana taona maro i Etera mba hanentanana ny vahoaka hibebaka (jereo ny Etera 12:2–3; 13:20). Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny misy banga manaraka ity: Raha mandà ny anatry ny Tompo mba hibebaka isika, …

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Etera 15:18–19. Asaivo arahin’ireo mpianatra izany ary karohiny ireo fomba izay hamenoana izany fehezanteny izany. Aorian’ny fizaran’ireo mpianatra ny heviny dia fenoy ny banga eo amin’ilay fehezanteny amin’ny alalan’ny fanoratana ity fitsipika manaraka ity: Raha mandà ny anatry ny Tompo mba hibebaka isika, dia hisintona ny Fanahy ary hahazo hery hamehy ny fontsika i Satana.

  • Inona no vokatry ny fandavan’ireo Jaredita ny hibebaka teo aloha eo amin’ny fahafahan’izy ireo hiova taty aoriana?

Fintino ny Etera 15:20–32 amin’ny alalan’ny fanazavana fa niady mandra-pijanonan’i Kôriantoma sy i Siza ho hany sisa velona ny tafik’i Kôriantoma sy ny tafik’i Siza. Avy eo dia novonoin’i Kôriantoma i Siza. Araka ny efa naminanian’i Etera azy dia maty avokoa ny olon-drehetra teo amin’ny fanjakana afa-tsy i Kôriantoma, izay mbola niaina ka nahita vahoaka anankiray hafa—ny vahoakan’i Zarahemlà—izay nandova ny tany (jereo ny Etera 13:21; Ômnia 1:20–22). Asaivo vakian’ny mpianatra iray ny Etera 15:33 mba hanehoana fa tanteraka ireo tenin’ny Tompo nolazain’i Etera.

Mariho fa ny tantaran’ny Jaredita dia ohatra miavaka amin’ny zava-mitranga amin’ny vahoaka rehefa mandà ny fanasana miverimberina avy amin’Andriamanitra mba hibebaka izy ireo. Na dia ohatra miavaka aza izany dia afaka mahita fitsipika izay hanampy antsika ao amin’izany tantara izany isika. Hazavao fa toy ireo Jaredita dia maro ireo olona amin’izao fotoana izao no mandà ny fanasan’Andriamanitra ny hibebaka, noho izany dia mamery ny Fanahin’ny Tompo. Matetika no manamarin-tena amin’ny fandavany ny hibebaka ny olona. Vakio ireto fanamarinan-tena manaraka ireto ary asao hanazava ny zavatra mety holazainy manoloana ny olona milaza toy izao ireo mpianatra. Amporisiho izy ireo mba hitodika amin’ireo fitsipika izay nianaran’izy ireo tao amin’ny Etera 13–15 eo am-pamaliana izany.

  1. “Fantatro fa tsy mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Fiangonana ireo horonantsary nojereko kanefa toa tsy dia misy vokany ratsy eo amiko izy ireo.”

  2. “Tsy dia ratsy be loatra ny miara-misotro amin’ireo namako—miala voly anie izahay e!”

  3. “Mangala-tahaka aho satria manao izany daholo ny iray kilasy amiko. Tsy hahazo naoty ambony aho raha toa ka tsy mangala-tahaka.”

  4. “Pôrnôgrafia kely fotsiny izany. Tsy hoe mivoaka alina aho akory dia mandika ny fahadiovam-pitondrantena any. Sady azoko hajanona rahateo izany amin’ny fotoana rehetra.”

  5. “Tsy mila mibebaka aho izao. Afaka miandry aho alohan’ny handehanako hitory na hanambadiako any amin’ny tempoly.”

Ataovy takatr’ireo mpianatra tsara fa rehefa manota ka tsy mibebaka ny olona dia hiatrika ny voka-dratsin’ireo fahotana ireo hatrany izy ireo. Omeo antoka ireo mpianatra fa raha toa ka nanota izy ireo dia afaka mibebaka amin’ireo fahotany ary mahazo indray ny Fanahin’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo. Vakio ity teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:

Loholona Neil L. Andersen

“Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Mpamonjy dia afaka mamela sy maniry ny hamela ny fahotantsika. Ankoatra ny fahotan’ireo olom-bitsy izay misafidy ny fahaverezana, rehefa avy nahafantatra ny fahafenoana, dia tsy misy fahotana tsy azo avela izany. Tena tombontsoa lehibe ho antsika tsirairay ny miala amin’ny fahotantsika ary manatona an’i Kristy. Ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra no anisan’ireo voka-tsoa tsara indrindra avy amin’ny filazantsara, izay manala ny fahatsapana ho meloka sy ny fanaintainana ao am-pontsika ary manolo izany ho fifaliana sy fiadanan-tsaina” (“Mibebaha … Mba hahazoako manasitrana Anareo,” Ensign na Liahona, Nôv. 2009, 40–41).

Asao ireo mpianatra handinika ny fiainany ka hamantatra ota izay manohitra ny fananan’izy ireo ny fiarahana tsy tapaky ny Fanahy Masina. Amporisiho izy ireo hampiasa ny herin’ny Sorompanavotana mba hanaovana ny fiovana izay hanampy azy ireo hihazona ny fiarahan’ny Fanahy amin’izy ireo ary hanoherana ny herin’i Satana.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fitsipika iray faha izay nampianarina ao amin’ny Etera 13–15 dia asaivo vakian’izay ireo am-pahanginana ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Etera 13:27; 14:24; 15:6, 22, 28. Alohan’ny hamakian’izy ireo dia lazao izy ireo mba hitady ireo teny sy andian-teny izay mampiseho ny fahatezeran’ireo Jaredita sy ny faniriany hamaly faty. Azonao atao ny milaza azy ireo mba hanisy marika ireo teny sy andian-teny ireo.

  • Araka ny fandalinanareo ny Etera 13–15, inona ireo voka-dratsin’ny fahatezeran’ny Jaredita sy ny faniriany hamaly faty?

  • Inona amin’ireo fitsipiky ny fahatezerana sy famaliana ho faty no azontsika ianarana avy tamin’ny ampahan-tantara faran’ny Jaredita? (Mety hilaza karazan’ireo fitsipika samihafa ireo mpianatra. Ataovy izay hisian’ny valinteny maneho fa mitarika ny vahoaka hanao safidy izay hanimba ny tenanan’izy ireo sy ny hafa ny fahatezerana sy ny valifaty.)

  • Inona no voka-dratsy entin’ny fahatezerana eo amin’ny olona tsirairay na fianakaviana?

Ijoroy ho vavolombelona fa afaka mahatohitra ny fahatsapaan fahatezerana na faniriana hamaly faty isika raha mitodika amin’i Jesoa Kristy sy mandray ny famelan-keloka ary mahazo fanohanana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany. Amporisiho hitodika amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka ireo mpianatra mba hahazoany ny fanampiana izay ilainy raha toa ka mahatsapa fahatezerana amin’ny olona hafa izy ireo.

Famerenana ny Etera

Makà fotoana elaela hanampiana ireo mpianatra hamerina hijery ny bokin’i Etera. Asaivo mieritreritra ny zavatra nianarany avy tamin’ity boky ity izy ireo, na izany nandritra ny seminera na tamin’ny fandalinany ny soratra masina manokana. Raha ilaina dia asao izy ireo hamerina hijery vetivety ny sasantsasany amin’ireo famintinana ny tokon’i Etera mba hanampy azy ireo hahatadidy izany. Rehefa tapitra ny fotoana sahaza izany dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara zavatra avy ao amin’i Etera izay nitaona ny fanahin’izy ireo na nanampy azy ireo hanana finoana lehibe kokoa amin’i Jesoa Kristy.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Etera 13:3–5. Ilay Jerosalema Vaovao sy ilay Jerosalema fahiny

Nampianatra momba ny Jerosalema Vaovao sy ilay tanànan’i Jerosalema izay naorina fahiny ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Mba hahazoana an-tsaina ny tian’ny hoe [Jerosalema Vaovao] holazaina dia tokony hahafantatra ireto zavatra dimy ireto isika: 1. Jerosalema Fahagola, ilay tanàna izay nanatontosan’ny Tompontsika ny iraka nampanaovina azy teto anivon’ny olombelona, dia haorina indray amin’ny andro farany ary ho iray amin’ireo renivohitra roa lehibe manerana izao tontolo izao, ho tananan’ny arivotaona izay hiaingan’ny tenin’ny Tompo. 2. Ilay Jerosalema Vaovao, ilay Ziona vaovao, ilay tanànan’ Andriamanitra dia haorina ao amin’ny kaontinanta Amerikana. 3. Ny tanànan’i Enôka, ilay Ziona tany am-boalohany, ‘ilay Tanànan’ny Fahamasinana, … dia nakarina ho any an-danitra.’ (Mosesy 7:13–21) 4. Ny tanànan’i Enôka, miaraka amin’ireo mponina izay novana ankehitriny ao amin’ny toetran’izy ireo efa nitsangana tamin’ny maty dia hiverina, ho Jerosalema vaovao, ka hiaraka amin’ilay tanana izay mitovy anarana aminy izay haoriana any amin’ny kaontinanta Amerikana. 5. Rehefa ho tonga tontolo selestialy ity tany ity ‘ka ilay tanàna lehibe, ilay Jerosalema masina’ dia hidina indray ‘avy any amin’ Andriamanitra,’ ka ity tany ity no toerana honenan’ireo olona selestialy mandrakizay. (Apo. 21:10–27.)” (Doctrinal New Testament Commentary, boky faha-3 [1973], 580–81.)

Etera 13:2–4, 6. Aiza no haorina ilay Jerosalema Vaovao?

Nanambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo fa amin’ny andro farany, ilay Jerosalema Vaovao dia haorina ao Etazonia, ao Jackson County, Missouri (jereo ny F&F 57:1–4; 84:1–4). Nanazava ny fifandraisana eo amin’ny fanangonana ny mpikamban’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao sy ny fanorenana amin’ny farany ilay Jerosalema Vaovao ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Aoka hiangona ao amin’ny tsatòkan’i Ziona amin’ny firenen-drehetra i Isiraely. Aoka ny tany tsirairay ho Ziona ho an’ireo izay notendrena hipetraka eo. Aoka ny fahafenoan’ny filazantsara ho eo anivon’ireo olomasina amin’ny firenena rehetra. Aoka tsy hisy fitahiana horarana tsy ho azy ireo. Aoka ny tempoly hitsangana mba ahafahana manatanteraka ny fahafenoan’ny ôrdônansin’ny tranon’ny Tompo. Kanefa mbola hisy ivontoerana, toerana iray izay ijoroan’ny tempoly foibe, toerana izay hahatongavan’ny Tompo. … Ary izany ivontoerana izany dia ilay antsoin’ny olona hoe Independence ao amin’ny Jackson County, Missouri ankehitriny, kanefa izay ho lasa Zionan’ny Andriamanitsika sy ho Tanànan’ny Fahamasinana ho an’ny vahoakany” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 595).

Etera 15:19. Ahoana no fomba hamehezan’i Satana ny fontsika?

Na dia manana fahefana lehibe haka fanahy sy hamitaka antsika aza ny devoly dia tsy afaka mifehy ny fahafahantsika misafidy izy raha tsy hoe manaiky ny fitaomany isika. Nanazava ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

“Tsy mila ho voafehin’ny fahatahorana ny herin’i Satana isika. Tsy afaka manana fahefana amintsika izy raha tsy mamela azy isika. Tena kanosa izy ary raha mijoro ho mafy orina isika dia hihemotra izy. …

“Efa nandre mpilalao sarimihetsika na olon-kafa nanamarina ny tenany na nanazava ny zava-dratsy nataony tamin’ny filazana isika hoe: ‘Ilay devoly no nampanao ahy izany.’ Mieritreritra aho fa tsy afaka mampanao zavatra antsika ny devoly. Tena afaka maka fanahy sy mamitaka antsika izy saingy tsy manana fahefana hifehy antsika amin’ny zavatra tsy omentsika azy.

“Mety ho matanjaka tsy araka ny eritreretintsika ny hery hanoherana an’i Satana. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: ‘Ireo olombelona rehetra izay manana vatana dia manana hery ambonin’ireo tsy manana. Tsy manana fahefana amintsika ny devoly raha tsy hoe mamela izany isika. Amin’ilay fotoana izay hanoherantsika ny zavatra izay avy amin’ Andriamanitra dia mampiasa ny fahefany amintsika ny devoly’ (Teachings of the Prophet Joseph Smith, sel. Joseph Fielding Smith, Salt Lake City: Deseret Book Co., 1938, p. 181)” (“The Great Imitator,” Ensign, Nôv. 1987, 35).

Etera 15:19–30. Ireo voka-dratsin’ny famaliana ho faty sy ny fahatezerana

Mamporisika antsika hamela heloka fa tsy hihazona fahatsapana feno fahatezerana na faniriana hamaly faty ity teny nambaran’ny Loholona David E. Sorensen tao amin’ny Fitopololahy manaraka ity:

“Rehefa mandratra antsika na ireo olon-tiantsika ny olon-kafa dia mety manindry mafy antsika izany fanaintainana izany. Mety ho raisina ho toy ny zava-manan-danja indrindra eto amin’izao tontolo izao izany fanaintainana na tsy fahamarinana izany ary toy ny tsy manan-tsafidy afa-tsy ny hamaly faty isika. Kanefa i Kristy, ilay Andrian’ny Fiadanana dia nampianatra antsika fomba tsaratsara kokoa. Tena sarotra ny mamela ny olona sy ny vokatry ny zavatra nataony tamintsika, kanefa raha manao izany fomba izany isika dia hanokatra ny tenantsika ho amin’ny hoavy tsaratsara kokoa. Tsy hifehy ny lalam-piainantsika intsony ny fanafintohinana nataon’ny hafa. Rehefa mamela ny hafa isika dia mamela antsika hisafidy ny fomba hiainantsika ny fiainantsika izany. Ny famelan-keloka dia midika fa tsy hibaiko ny hoavintsika intsony ireo olana teo aloha ary afaka ny hifantoka amin’ny hoavy miaraka amin’ny fitiavan’ Andriamanitra ao am-pontsika isika” (“Forgiveness Will Change Bitterness to Love,” Ensign na Liahona, Mey 2003, 12).