Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano Fizarana 29


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Môrmôna 8:12Etera 3 (Fizarana 29)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pampianaran’ny Mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Tsy natao ho ampianarina ho ampahan’ny lesona zarainao ity famintinana ireo fotopampianarana sy fitsipika ianaran’ireo mpianatra manaraka ity eo am-pandalinan’izy ireo ny Môrmôna 8:12Etera 3 (fizarana 29). Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina eo am-pandanjalanjanao ny zavatra ilain’ireo mpianatrao.

Andro 1 (Môrmôna 8:12–41)

Nahafantatra ireo mpianatra fa nahita ny androntsika i Môrônia ary nanoratra famaritana mifono faminaniana ny amin’ny zava-hitranga izay iainantsika izy. Afaka nahita ny maha-fanomezana sarobidy avy amin’ny Tompo ny Bokin’i Môrmôna izy ireo, izay afaka ny hitarika azy ireo amin’ny andro farany. Araka ny famaritan’i Môrônia ny andro farany dia nianatra koa ireo mpianatra fa horaisin’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ny fihetsitsika amin’ireo mahantra sy ireo izay mila fanampiana koa isika.

Andro 2 (Môrmôna 9)

Namarana ny rakitsoratry ny rainy i Môrônia tamin’ny fanambarana fa raha toa ka mibebaka sy miantso an’Andriamanitra isika dia tsy hisy pentina rehefa ho tonga eo Anoloany. Nianatra ireo mpianatra, avy tamin’i Môrônia, fa satria Andriamanitra tsy miova, dia hanatanteraka fahagagana Izy araka ny finoan’ireo zanany ary raha toa ka mivavaka amin’ny Ray any an-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy isika, dia handrotsaka amintsika ireo fitahiana Izy izay hanampy antsika hiasa ho amin’ny famonjena ny tenantsika.

Andro 3 (Etera 1–2)

Nianatra ireo mpianatra fa ny bokin’i Etera dia fanatambaran’i Môrônia ireo takela-bolamena 24 izay hitan’ny vahoakan’i Limia, araka ny voarakitra ao amin’ny bokin’i Môsià. Mitahiry ny tantaran’ny Jaredita, izay notarihin’ny Tompo hankany amin’ny tany nampanantenainy, ireo takelaka ireo. Nianatra ireo mpianatra, amin’ny alalan’ny fandalinana ny zavatra niainan’ny Jaredita, fa rehefa mampihatra ny finoana isika araka ny fitarihana nomen’ny Tompo antsika dia afaka handray fitarihana lalindalina kokoa avy Aminy. Nisy fotoana iray nandritra ny dia nankany amin’ny tany nampanantenaina izay namaizan’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda noho ny tsy fahatsiarovany niantso ny Tompo. Nianatra ireo mpianatra, amin’ny alalan’ny fandalinana ity traikefa ity, ny maha-zava-dehibe ny fiantsoana ny Ray any an-danitra tsy tapaka. Ny traikefa niarahan’ny rahalahin’i Jareda tamin’ny Tompo nandritra ny fanamboarana ireo sambo dia nanampy ireo mpianatra hahafantatra fa rehefa miantso ny Tompo isika ary manao ny anjarantsika eo amin’ny famahana ny olana ananantsika dia afaka handray ny fanampian’ny Tompo.

Andro 4 (Etera 3)

Rehefa niezaka namaha ny olana mahakasika ny hisian’ny fahazavana ao amin’ireo sambo ny rahalahin’i Jareda dia nampiseho izy fa rehefa manetry tena miantso ny Tompo isika dia hitahy antsika Izy arakaraka ny finoantsika sy ny Sitrapony. Nianatra ireo mpianatra fa rehefa mampihatra finoana amin’ny Tompo isika dia hihahanatona akaiky kokoa Azy isika. Niaina ireo fitsipika ireo ny rahalahin’i Jareda, sy nahita ny vatana fanahin’ny Mpamonjy ary nahita fahitana mahatalanjona ny amin’ireo olombelona rehetra maneran-tany.

Fampidirana

Ny bokin’i Etera dia famintinan’i Môrônia ny rakitsoratry ny Jaredita. Nanao ity rakitsoratra ity tamin’ny takela-bolamena 24 ny mpaminany Etera, izay takelaka hitan’ireo vondron’ny vahoakan’ny Mpanjaka Limia. Ity hevitra enti-mampianatra manaraka ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra ireo fitsipika sasantsasany mikasika ny vavaka izay ampianarina ao amin’ny Etera 1.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Etera 1

Nandray famindram-po sy fitarihana ny rahalahin’i Jareda sy ny fianakaviany ary ny namany tamin’ny alalan’ny vavaka nataony

Atombohy amin’ny alalan’ny fampieritreretana ireo mpianatra mikasika ny toe-javatra iray izay niainany ka nahatsapany lalina ny filana mivavaka mba hikatsahana fanampiana ny fotoam-pianarana. Asao hizara ny traikefany ny vitsivitsy amin’ireo mpianatra, na zarao ny traikefa iray niainanao.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa famintinan’i Môrônia ireo rakitsoratry ny Jaredita ny bokin’i Etera. Niaina nandritra ny fotoan’ny Tilikambon’i Babela i Jareda, sy ny rahalahiny ary ireo namany sy ny fianakaviany (manodidina ny taona 2200 talohan’i J.K.), nandritra ny nikorokoroan’Andriamanitra ny fitenin’ny vahoaka. Asao hamaky mafy ny Etera 1:33–35 ny mpianatra iray, ary asaivo mikaroka ireo antony nahatsapan’i Jareda sy ny rahalahiny ny filana mivavaka mba hahazoana fanampiana ireo mpianatra. Azonao ilainao hazavaina alohan’ny hamakian’ilay mpianatra fa ilay andian-teny hoe “mitoloko amin’ny Tompo” dia fomba iray hafa hitenenana ny hoe “mivavaka.” Mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no fanampiana nilain’i Jareda sy ny rahalahiny avy tamin’ny Tompo?

  • Milaza inona aminareo mahakasika ny zavatra tsapan’i Jareda momba ny finoan’ny rahalahiny ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asaivo mifandimby mamaky mafy eo amin’izy samy izy ny tsirairay isam-bondrona manomboka eo amin’ny Etera 1:35–42. Alohan’ny hamakian’izy ireo dia asaivo jeren’izy ireo ny (1) fotoana tsirairay izay nitolokon’ny rahalahin’i Jareda tamin’ny Tompo sy ny (2) fotoana tsirairay nanehoan’ny Tompo ny famindram-pony tamin’ny rahalahin’i Jareda ho valin’ireo vavaka nataony. Rehefa afaka elaela dia manasà vondron’olona tsiroaroa vitsivitsy hizara ohatra iray izay nanehoan’ny Tompo famindram-po tamin’ny rahalahin’i Jareda sy ny fianakaviany vokatry ny vavaka niverimberina nataony.

Mametraha ity fanontaniana ity: Inona ireo fitsipika azontsika ianarana momba ny vavaka avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Rehefa mizara ireo fitsipika izay hitany ireo mpianatra dia antitrantero ity fitsipika manaraka ity: Hanana famindram-po amintsika Andriamanitra rehefa mitoloko amim-pinoana tsy tapaka Aminy isika. Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika ity.)

Hazavao amin’ireo mpianatra fa manan-danja ny mahatsiaro fa “ny vavaka dia asa izay atao mba hampifandraisana ny sitrapon’ny Ray amin’ny sitrapon’ny zanany. Tsy ny hanova ny sitrapon’Andriamanitra no tanjon’ny vavaka, fa ny hahazoantsika sy ny hafa antoka ireo fitahiana izay efa tian’Andriamanitra homena, saingy tsy maintsy angatahina vao azontsika” (Bible Dictionary, “Prayer”).

Asao hamerina hijery ny Etera 1:34, 36, 38 ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra nangatahin’ny rahalahin’i Jareda tao amin’ireo vavaka nataony. Asaivo tanisain’ny mpianatra iray ny zavatra hitan’ireo mpianatra eo ambanin’ny andian-teny hoe “mitoloko amin’Andriamanitra” eo amin’ny fitsipika izay nosoratanao eo amin’ny solaitrabe.

Antitrantero fa nanana finoana sy vonona hanoa ny sitrapon’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda. Toroy hevitra ireo mpianatra mba hanisy marika ny andian-teny hoe “aoka isika ho mahatoky amin’ny Tompo” eo amin’ny faran’ny Etera 1:38.

Asao hamerina hijery ny Etera 1:35, 37, 40–42 ireo mpianatra ary hikaroka ireo fomba miavaka nitahian’Andriamanitra ny rahalahin’i Jareda sy ny fianakaviany sy ireo namany. Asaivo tanisain’ny mpianatra iray eo ambanin’ny teny hoe famindram-po eo amin’ny fitsipika izay nosoratanao teo amin’ny solaitrabe ireo fitahiana izay hitan’ny mpianatra. Mariho fa nomen’Andriamanitra ireo fitahiana izay nivavahany ny rahalahin’i Jareda.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto, na omano amin’ny taratasy hozaraina izany. Asaivo mampiasa ny fitsipika voasoratra eo amin’ny solaitrabe ireo mpianatra ary ifanakalozany hevitra, ao amin’ny vondrona misy azy, ireo fanontaniana. Hanampy azy ireo hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fitsipika ireo fanontaniana ireo.

Ahoana no hilazanareo fa hafa noho ny “manao vavaka” fotsiny ny “mitoloko amin’Andriamanitra”?

Oviana ianareo na olona fantatrareo no niaina ny famindram-pon’ny Ray any an-danitra ho valin’ny vavaka iray nataony?

Inona no azonao ianarana momba ny Tompo avy amin’ny valim-bavaka nomeny tamin’ireo vavaka nataon’ny rahalahin’i Jareda?

Rehefa avy nanana fotoana nifampiresahana mikasika ireo fanontaniana ireo ny mpianatra dia azonao atao ny mangataka azy ireo hizara zavatra niainana nifandinihany tao amin’ny vondrony na hizara ny hevi-baovao nivoaka avy tamin’ny fifanakalozan-kevitr’izy ireo.

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona ny amin’ny fitiavan’ny Ray any an-danitra antsika sy ny faniriany hitahy antsika rehefa miantso ny Anarany tsy tapaka isika. Asao hieritreritra ny fomba hampiharany ny fitsipika eo amin’ny solaitrabe ireo mpianatra. Ohatra, afaka mametraka tanjona ny hivavaka matetika kokoa izy ireo na misafidy fomba iray hanatsarana ny vavaka ataony mba ho amin-kitsimpo kokoa. Azonao omena fotoana izy ireo hanoratana ny faniriana tian’izy ireo atao ao amin’ny diary fandalinana soratra masiny.

Hazavao fa afaka manome antsika hevi-baovao fanampiny amin’ny fitiavan’ny Tompo antsika sy ny amin’ireo fitahiana azo avy amin’ny vavaka ny fandalinana ireo vavaka nataon’ny rahalahin’i Jareda. Asao hamaky mafy ny Etera 1:43 ny mpianatra iray. Asaivo arahin’ny mpianatra ny vakiteny ary karohiny ireo fitahiana fanampiny nampanantenain’Andriamanitra an’i Jareda sy ny rahalahiny. Aorian’ny fizaran’ireo mpianatra ny zavatra nianarany dia mariho fa tsy nivavaka manokana ho amin’ny fitahiana ny taranany ho tonga firenena lehibe ny rahalahin’i Jareda. Lazao mba hanisy marika ilay andian-teny ao amin’ny faran’ny Etera 1:43 ao amin’ny soratra masiny ireo mpianatra izay mampiseho ny antony namalian’Andriamanitra ny rahalahin’i Jareda araka ity fomba ity: “noho ity fotoana lava ity izay efa nitalahoanao Tamiko.”

Mametraha ity fanontaniana ity: Inona ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny fahalalahan-tanan’ny Tompo tamin’i Jareda sy ny rahalahiny, araka ny hita ao amin’ny Etera 1:43?

Misy fitsipika maromaro izay azo ianarana avy ao amin’ity soratra masina ity. Fitsipika iray manan-danja ny hoe: Raha mivavaka tsy tapaka amin’Andriamanitra amim-pinoana isika dia afaka ny handray fitahiana mihoatra lavitra ny nangatahintsika.

Mametraha ity fanontaniana ity: Oviana ianareo no niaina traikefa izay nampiseho fa marina ity fitsipika ity? Moa mahafantatra olona izay niaina traikefa toy izany ve ianareo, na afaka mieritreritra olona ao amin’ny soratra masina izay nandalo izany? (Lazao ireo mpianatra fa homenao fotoana kely izy ireo hieritreretana ohatra alohan’ny hangatahanao azy ireo hamaly izany. Azonao atao koa ny mizara ohatra avy amin’ny fiainanao manokana.)

Ho famaranana ity lesona ity dia zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa maheno sy mamaly vavaka Andriamanitra. Heni-pahendrena sy famindram-po Izy ary mifaly amin’ny fitahiana ny Zanany. Faly Izy rehefa mivavaka amin-kitsimpo sy tsy tapaka Aminy isika. Amporisiho ireo mpianatra hanao ezaka mba hivavaka amim-pinoana. Entano izy ireo mba hahatsiaro fa heniky ny famindram-po ny Ray any an-danitra ary hamaly ny vavaka ataon’izy ireo arakaraka ny zavatra fantany fa hitondra fitahiana lehibe eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fizarana Manaraka (Etera 4–12)

Hianatra bebe kokoa mikasika ireo Jaredita ireo mpianatra ao amin’ny fizarana manaraka. Na dia nampitandrina ireo Jaredita tsy hanendry mpanjaka aza ireo mpaminany, dia nanao izany ihany ireo vahoaka, ary nitondra ny vahoaka ho amin’ny fahababoana ireo mpanjaka. Mazàna no mampiasa tsikombakomba miafina entina hanatanterahana ny fitiavan-tenany ireo lehilahy izay maniry hahazo fahefana eto amin’izao tontolo izao. Nirakitra zavatra mahatalanjona maro izay tò noho ny fanananan’ny sasantsasany tamin’ireo vahoaka finoana lehibe i Môrônia. Nampianatra izy fa handray ny famindram-pony mba hanampy azy ireo handresy ny fahalemeny ireo izay manetry ny tenany eo anoloan’Andriamanitra sy mino Azy.

Hamoaka printy