Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano Fizarana 30


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Etera 4–12 (Fizarana 30)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pampianaran’ny Mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Tsy natao ho ampianarina ho ampahan’ny lesona zarainao ity famintinana ireo fotopampianarana sy fitsipika ianaran’ireo mpianatra manaraka ity eo am-pandalinan’izy ireo ny Etera 4–12 (fizarana 30). Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina eo am-pandanjalanjanao ny zavatra ilain’ireo mpianatrao.

Andro 1 (Etera 4–5)

Nanisy kase ireo rakitsoratry ny rahalahin’i Jareda i Môrônia ary nampianatra ny zavatra tokony ataontsika alohan’ny handraisantsika izany rakitsoratra izany. Avy amin’ireo fampianarana ireo no nianaran’ireo mpianatra fa rehefa mampihatra finoana lehibe amin’ny tenin’ny Tompo isika dia hitahy antsika amin’ny fanambarana bebe kokoa Izy.

Andro 2 (Etera 6)

Nianatra ireo mpianatra avy amin’ny alalan’ny ohatr’ireo Jaredita tamin’ny fampiharany ny finoana an’ny Tompo teo am-pamakivakiana “ny rano lehibe” (Etera 6:3) tamin’ny sambon’izy ireo fa rehefa mahatoky ny Tompo sy manao ny Sitrapony isika dia hitarika antsika eo amin’ny lalam-piainantsika Izy. Natosiky ny rivotra tany amin’ny tany nampanantenaina ireo sambo ary nianaran’ireo mpianatra fa rehefa mahatoky ny Tompo isika dia afaka hanampy antsika handroso sy hahatratra ireo fitahiana nampanantenaina ny fizahan-toetra sy fitsapana.

Andro 3 (Etera 7–11)

Nahafantatra ireo mpianatra tamin’ny alalan’ny tsy firahirahian’ireo Jaredita ny fampitandreman’ny rahalahin’i Jareda sy ny nisafidianan’izy ireo mpanjaka iray fa mitarika amin’ny fahababoana ny fandavana ny tenin’ireo mpaminany. I Solé dia mpanjaka izay nanjaka tamim-pahamarinana. Nanomboka niroborobo izy ireo rehefa nanomboka nibebaka sy nihaino ireo mpaminany ny vahoakany. Nianatra ireo mpianatra fa rehefa mibebaka amin’ny faharatsiana nataontsika isika dia hanomboka hiroborobo. Lavo tanatin’ny faharatsiana ireo Jaredita ny farany ary nanaporofo ny fahamarinana fa mitarika amin’ny faharavan’ny fiarahamonina ny fanohanana ireo tsikombakomba miafina.

Andro 4 (Etera 12)

Nianatra ireo mpianatra avy tamin’ny mpaminany Etera fa rehefa manam-panantenana sy finoana an’i Jesoa Kristy isika dia handray tanjaka mba tsy ho voahozongozona ary hahefa be amin’ny asa tsara. Nanoratra i Môrônia fa raha maniry hahazo vavolombelona isika dia tokony hampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy aloha. Nahafantatra ireo mpianatra avy tamin’ny valintenin’ny Tompo mahakasika ny ahiahin’i Môrônia momba ny fahalemeny ara-panoratana sy ny fahalemen’ireo mpanoratra hafan’ny Bokin’i Môrmôna fa rehefa manetry ny tenantsika isika sy mampihatra finoana amin’ny Tompo dia hahatonga ireo zavatra malemy ananantsika ho tanjaka Izy.

Fampidirana

Mifantoka amin’ny Etera 12:23–41 ity lesona ity. Nampianatra ny antony hananan’ny vahoaka fahalemena i Môrônia sy ny zavatra tokony ho ataon’izy ireo mba handresena izany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Etera 4–11; 12:6

Niroborobo ireo Jaredita ary notahiana rehefa nanao ny marina

Ampandraiketo mpianatra telo ny famerenana mijery sy mamintina ireto toko manaraka ireto amin’ny alalan’ny fampiasana ireo famintinana ny toko: Etera 4–5; Etera 6; ary ny Etera 7–11. Angataho ny mpianatra iray hafa hamerina hijery ny Etera 12:6. Asaivo mizara amin’ireo mpianatra fitsipika iray na roa izay nianarany izy ireo.

Etera 12:23–41

Naneho ny ahiahiny mikasika ny mety ho fandraisan’ireo Jentilisa ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia

Soraty eo amin’ny lafin’ny ilan’ny solaitrabe ny teny hoe matanjaka ary eo ankilany ny hoe malemy. Omeo fotoana hisaintsainana ireo zavatra tsapany fa tanjany ireo mpianatra ary vitsivitsy amin’ireo zavatra tsapany fa fahalemeny na tsy fahaizany. Hazavao fa ao amin’ny Etera 12 i Môrônia dia nampianatra ny fomba ahafahan’ny fahalementsika ho tonga matanjaka.

Asao hamaky mafy ny Etera 12:23–25 ny mpianatra iray, ary asaivo karohin’ireo mpianatra ny fahalemena izay tsapan’i Môrônia fa nananany sy nananan’ireo mpanoratra hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Dia mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona ireo fahalemena noresahin’i Môrônia ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Inona no noahiahin’i Môrônia fa hitranga vokatry ny fahalemen’ireo izay nanoratra ny Bokin’i Môrmôna?

Aorian’ny famalian’ireo mpianatra dia asao hamaky amim-pahanginana ny vahaolan’ny Tompo amin’ny ahiahin’i Môrônia ao amin’ny Etera 12:26–27 ireo mpianatra ary hikaroka ny antony nanomezan’Andriamanitra antsika fahalemena. Ampahatsiahivo ireo mpianatra aorian’ny fotoana namakiany ireo andinin-tsoratra masina ireo fa andinin-tsoratra masina fehezina ny Etera 12:27.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsara kokoa ilay teny hoe fahalemena ao amin’ireo andininy ireo dia asaivo vakian’ny mpianatra iray ity teny nambara manaraka ity izay nataon’ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Rehefa mamaky mikasika ireo ’fahalemena’ ananan’ny olombelona ao amin’ny soratra masina isika dia ahitana ny … fahalemena izay nolovaina avy tamin’ny toetoetran’ny zanak’olombelona amin’ny ankapobeny izany izay hananan’ny nofo fiantraikany tsy mitsahatra [na tsy tapaka] eo amin’ny fanahy. … Ny fahalemena toy izany, na izany aza, dia ahitana ny fahalemena miavaka sy an’ny tenantsika manokana, izay natao horesentsika” (Lord, Increase Our Faith [1994], 84).

Mety mila hazavainao fa ilay andian-teny hoe “toetoetran’ny zanak’olombelona amin’ny ankapobeny” izay resahin’ny Loholona Maxwell dia miresaka ireo fahalemena azo avy tamin’ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Vokatry ny Fahalavoana dia iharan’ny fakam-panahy sy tsy fahatanterahan’ny olombelona isika rehetra ho fanampin’ireo tsy fahatanterahana ananan’ny tenantsika manokana.

Asao hikaroka fitsipika iray izay nampianarina tao amin’ny Etera 12:27 ireo mpianatra. (Raha toa ka manetry ny tenantsika isika sy mampihatra ny finoana ny Tompo dia hanao izay hampatanjaka ireo zavatra malemy amintsika Izy.)

Mba ho famporisihina amin’ny fampiharana ity fitsipika nampianarina ao amin’ny Etera 12:27 ity dia soraty eo amin’ny solaitrabe ireto manaraka ireto:

1. Manaiky ny 2. Manetry tena3. Mampihatra finoanafahalemeko an’i Kristy  

Asao hanoratra ireo andian-teny ireo eo amin’ny farany ambonin’ny taratasy iray ireo mpianatra. Eo ambanin’ireo andian-teny dia asaivo izy ireo ary manoratra eo, na izao dia izao na aoriana kely, (1) ny fahalemena izay tsapan’izy ireo fa ananany, (2) ny fomba ahafahan’izy ireo manetry ny tenany manoloana izany fahalemena izany, ary (3) ny fomba hampiharany finoana amin’i Kristy mba hahazoan’izy ireo fanampiana avy Aminy, na ny fahasoavany, entina handresena ny fahalemena izay notanisainy.

Rehefa vita izany dia amporisiho ireo mpianatra hametraka izany taratasy izany ao amin’ny diarin’izy ireo manokana na amin’ny toerana hafa izay hahitany izany matetika ka ampahatsiahy azy ny ezaka izay irian’izy ireo atao. Mijoroa ho vavolombelona ammin’ireo mpianatra fa rehefa manetry ny tenany mba handreseny ny fahalemeny izy ireo dia hanampy azy ireo “hampahatanjaka ireo zavatra malemy ananany” (Etera 12:27) ny Tompo.

Asao hamaky ny Etera 12:26, 28 ireo mpianatra ary hitady ny fomba namalian’ny Tompo ny ahiahin’i Môrônia mikasika ny fahalemeny teo amin’ny fanoratana. Azonao atao ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ao amin’ny Etera 12:26 dia nilaza ny halemem-panahy, izay ahitana toetra malefaka, manetry tena ary mpanoa ny sitrapon’Andriamanitra i Môrônia. Nahoana araka ny eritreritrareo no mitaky halemem-panahy ny fiezahana tsy ho rototra amin’ny fahalemen’ny hafa?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahasoavan’ny Tompo (ny fanampiany na ny hery mahefany) hanampy antsika tsy hanararaotra ireo fahalemen’ny hafa?

Antitrantero fa rehefa mampitombo finoana, fanantenana ary fiantrana isika dia afaka hanampy antsika ny fahasoavan’ny Tompo rehefa miatrika ny fahalemen’ireo olon-kafa isika. Fintino ny Etera 12:29–32 amin’ny alalan’ny fanazavana fa namerina nilaza ny maha-zava-dehibe ny fampiharana finoana sy ny vavolombelona ary fahagagana entin’izany i Môrônia. Asaivo mamaky ny Etera 12:33–35 ireo mpianatra ary mikaroka ny zavatra nosoratan’i Môrônia mikasika ny maha-zava-dehibe ny fampiharana fiantrana.

Apetraho izao fanontaniana izao: Nahoana no zava-dehibe ny fananana fiantrana rehefa manoloana ny fahalemen’ireo olon-kafa?

Asao hizara ny zavatra ataony amin’ny mpianatra iray hafa mba hikatsahana ny fahasoavan’i Jesoa Kristy bebe kokoa eo amin’ny fiainany ireo mpianatra. Raha mbola misy ny fotoana dia azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny rehetra ny fiantraikan’ny fikatsahany hanatona akaikikaiky kokoa an’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainany.

Fizarana manaraka (Etera 13Môrônia 7)

Entano ireo mpianatra rehefa miomana ny handalina ny fizarana manaraka mba tsy hanadino izao manaraka izao: Ahoana raha toa ka maty daholo ny namanareo sy ny fianakavianareo ary ianareo irery sisa no velona ary hany mahatoky amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Samy niaina izany fanireny izany i Etera sy i Môrônia. Ahoana no ahafahanareo miaritra fitsapana sy hahazoana fiainana mandrakizay? Manazava ny antony ilana ny finoana, fanantenana ary fiantrana mba hahazoana ireo fanomezam-pahasoavana ireo ny Môrônia 7.

Hamoaka printy