Mitsiriritra Jereo koa Manarana ny Filan’ ny nofo; Mialona Ny mitsiriritra, araka ny ampiasana azy ao amin’ ny soratra masina dia ny mialona olona na ny maniry fatratra ny hahazo zavatra iray. Tsy hitsiriritra ianao, Eks. 20:17 (Deot. 5:21; Môsià 13:24; F&F 19:25). Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny, Ohab. 6:25. Izay mankahala ny fitsiriritana dia ho ela velona, Ohab. 28:16. Nitsiriritra saha izy ka naka izany, Mika 2:2. Izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady, Mat. 5:28 (3 Ne. 12:28). Mitandrema amin’ ny fitsiriritana, Lio. 12:15. Ny lehilahy maimay tamin’ ny fifampilany, Roma. 1:27. Hoy ny lalàna: Tsy hitsiriritra ianao, Roma. 7:7. Amin’ ny andro farany ny olona ho matimatin-karena, 2 Tim. 3:1–2. Hamory mpampianatra ho azy araka ny filany izy, 2 Tim. 4:3–4. Nony nahita ny fanananay i Labàna, dia nitsiriritra izany izy, 1 Ne. 3:25. Aza mandeha intsony araka ny fitsiriritan’ ny masonao, Almà 39:3–4, 9. Tsy hitsiriritra ny fanananao ihany ianao, F&F 19:26. Izay mijery vehivavy ka mitsiriritra azy dia handà ny finoana, F&F 42:23. Atsaharo ny fanirianareo ara-nofo rehetra, F&F 88:121. Atsaharo ny fitsiriritana, F&F 88:123. Aza mitsiriritra izay an’ ny rahalahinareo, F&F 136:20.