Tsikombakomba Miafina Jereo koa Jirik’i Gadiantôna; Kaina Vondron’olona mifamatotra amin’ny fianianana mba hanatanterahana ny tanjona ratsy izay kendreny. Ny rain’ny lainga dia mamporisika ny zanak’olombelona ho amin’ny tsikombakomba miafina, 2 Ne. 9:9. Tsy maintsy ilaina ny handravana ny asa manginginan’ny maizina, 2 Ne. 10:15. Ny famalian’ Andriamanitra dia tonga tamin’ireo mpiasan’ny tsikombakomba miafina ireo, Almà 37:30. I Gadiantôna dia saika hanaporofo ny famongorana tanteraka ny vahoakan’i Nefia, Hel. 2:4–13. Apetrak’i Satana ao am-pon’ny olona ny hanao fianianana sy fanekempihavanana miafina, Hel. 6:21–31. Tsy miasa ao amin’ny tsikombakomba miafina ny Tompo, Ete. 8:19. Na zovy na zovy firenena manohana tsikombakomba miafina dia horavana, Ete. 8:22–23. Notsipahiny ny teny rehetra notenenin’ireo mpaminany, noho ny fikambanany miafina, Ete. 11:22. Hatramin’ny andron’i Kaina, dia nisy ny tsikombakomba miafina, Mos. 5:51.